Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
28/09/2009 à 15h16 #21197AnonymeInactif
Tonga koa dia fantatro fa tera-dRabodosahondra io miteny io, manaja tompoko.
Mbola dôro ny tera-behivavy avy ao sady izay tsy tetiarana iray no isarangotany fa vao iray fotsiny @ marobe sa tsy izany?Ho ananareo teradRABODOSAHONDRA mba mirosoa re ho fantatry ny olona fa tsy misy afa-tsy ireo mahazatra ireo no mameno ny scène ka maha-monamonaina é. Sady ny vehivavy ao aminareo izany hoe « dôro » be ka tsy misy maharatsy an’izany anie é.
Raha ny hoe « tsikombakomba »-ndRainilaiarivony sy Ranavalona III dia izay no zava-nisy ary ny tantara moa tsy afaka averina fa aoka ho anatra ho an’ny manaraka izany. Fa tsikombakomba na « PACTE » teo amin-dRainilaiarivony sy ny Printsy Ratsimamanga Dadatoan-dRazafindrahety aza no tena izy satria ny Printsy no solon-drainy namolavola azy hiakatra eo amin’ny seza fiandrianana ary nomena fitezana sahaza izany ny Andriambavikely. Ny takalony ho an’ny Printsy avy amin-dRainilaiarivony kosa dia azontsika vinavinaina ihany raha mijery ny fizotry ny tantara nony tamin’ny 1889.
Tsy eo amin’ny toerany kosa ianao fa « obus de mélinite » ve no nitifiran’ny mpananibohitra frantsay ny Lapan’ny Razanao dia tsy hilavo-lefona ve ianao – isika tamin’izany andro izany mbola tsy nanana fiadina fiarovana amin’izany.
Fa raha izany no fandehany ianareo izany no azo atao hoe taranak’ireo voahilik’i Mavo na Ranavalona I ? Ekeo kosa hoe misy hadisoan-dRadama Rainy ihany satria tsy nokitihiny mihitsy i Mavo nandritry ny 20 taona ka aiza ity farany no tsy haka vady ao amin’ny Andafiavaratra sy ireo hafa rehefa lasa nanjaka. Mety ho hafa ange ny fandehan’ny tantara raha niteraka izy mivady dia tena tonga amin’ilay nolazain’ Andrianampoinimerina hoe : « an’i Mavo ny farany » . Kanjo lasan’i Mavo sy ny fianakaviany manokana ny Fanjakana. Ny tantara hoy aho tsy azo averina. Raha naripak’i Radama daholo koa ny havana akaiky an’i Mavo vao nanjaka izy (raiamandreny, anadahy ets….) dia namaly faty i Mavo rehefa tonga ny tour-ny fa novonoiny daholo Rambolamasoandro, Rakotobe sy ireo raiamandreniny Rabodosahondra sy Ratefinanahary. Erreur politique izany rehefa mitondra ianao na dia hoe hafa aza ny fomba fitondrana tamin’izany taonjato izany tsy mitovy amin’izao ny contexte.
Momba ireo terak’i fohiloha hoe tsy mila laniam-bahoaka izahay, ny tetiarana tsy natao ho ‘valider’-mpokonolona dia mba mifohaza amin’izay marina fa efa taona 2009 isika izao ary fitondrana repoblikana no misy eto amin’ny tanintsika. Azo contrer-na hoe fitondrana
Mpanjaka no naongan’ ny frantsay teo ary izay no tokony naverina rehefa t@ 1960 fa isika no nampiesoniny tamin’izany fotoana izany. Fa raha fiovam-pitondrana no atao eto dia mandalo fifidianana izany raha tianao ho ‘légitime’. Ary isao tsara koa ry fohiloha ny isan’ny générations avy any ambony any fa rehefa mihoatra ny fito (7) dia efa tsy andriana intsony akory ianareo fa efa lavitran’ny Mpanjaka farany teo.28/09/2009 à 16h23 #21198ambodiranoMembreLe resaka zanakandriana koa no tena mampihomehy, ekena ohatra fa zanakandriana ny dadaben’ny dadabeny nefa dia mbola mitonona azy ho zanakandriana izy mianakavy, tsy fantany akory fa rehefa miady haka fanjakana dia atsatsika avokoa izay tsy lany, tahaka ny spermatozoïde e!
Izany no nialan’ny sasany ho tsy zanakandriana na dia izy aza izy satria mahafaty io.Ankehitriny zato aminarivo, sady efa manao mésalliance mbola zanakandriana zanakandriana, ny dikan’izany anie izany hiady an-trano sy hifamono koa izy mianakavy e! Manararaotra ny tsy fahaizan’ny olona tantara na ny tena marina mety tsy mahay n’inon’inona akory.
Tsotra ny mijery hoe iza no zanakandriana: à une generation miala aminy: ny ray aman-dreniny na ny nenitoany ve mpanjaka à la limite ny grand-parent direct.
Raha tsy izany dia une centaine de mille ny zanakandriana satria samy taranaka mpanjaka avokoa, izay ilay hoe: mitafy jaky toy ny fodilahimena fa ny seza fiandrianana taho-mangahazo.Tamin’ny mbola maizina ny tany no nisy an’izany zanakandriana tsy lany amin’ny fanjakana atsatsika izany satria valifaty no ifanaovany rehefa miova ny rantsana manjaka. Miresaka ianao hoe dia ahoana daholo izany ireto satria taranaka Mpanjaka avokoa dia izao no fanazavana mba entiko ary raisiko tsirairay mihitsy raha tianao fa ny zana-dahy aloha dia voahilika avy hatrany fa manara-dreny ny fiaviana zanakandriana ampanjakaina :
– Ohatra ny tera-dRasoarandrana efa voalazan’ilay olona ery ambony ny momba azy ireo fa tsy dia
mihaja loatra ny fomba nanaovany azy.– Ny tera-dRamonjamanarivo koa dia zana-dahy ka mitovy amin-dRasoarandrana ihany na zanakandriana aza izy mirahalahy ireo.
– Ny tera-dRaolona indray zana-dRamboasalama izy mitovy amin’ny etsy ambony satria ny reniny dia zanak’ Andriamahazonoro raha ny fahafantarako azy.
– Ny terak’ireo anabavin’Ilaidama kosa dia tena tera-behivavy ireo saingy avy amin-dRambolamasoandro izany hoe avy amin-dRamorabe ka rehefa tapitra ny avy amin-dRasoherina vao anjarany raha ny tena fototry ny hafatry ny Ombalahibemaso dia Andrianampoinimerina izany. Fa Ilaidama dia efa nafaran-drainy hoe izy no handimby ahy sady natsangan-dRalesoka anabaviny koa dia tafiditra amin’ny hoe ‘tera-dRasoherina sy tera-dRalesoka ihany…’ izany izy.
– Ny terak’Andrianampoinimerina amin’ny vadiny hafa izay tsy tera-dRasoherina dia voahilika ho azy izy ireo ary ny hafa avy amin-dRasoherina moa ny reniny dia manara-dreny mazava ho azy.
– Ny tera-dRatsimamanga Razafimanantsoa Ramahatra Ratsimisampy Andrianaivo-Razo : lehilahy ireo dia mitovy amin’ny etsy ambony na dia zanakandriana daholo aza
– Razanabolamena dia zanak’i Rafaralahy Raginga izay tena zafin-dRasoherina tokoa fa tsy fantatro ny momba an-dreniny
– Raha ny tera-dRasinoa indray dia rahavavindRampelasinimoro izy iray reny dia ny Printsesy Razafinjanahary efa voalazan’ny olona iray ery ambony ka itovizako hevitra aminy.
Marihiko eto fa na misy hisandoka aza araky ny resaka nataon’olona iray teto hoe avy amin-dRampela satria tsy niteraka izy io dia ny reniny ihany no mitondra azy ary efa voalaza io ambony io hoe iza moa ny reniny.
Koa ilana fahendrena tokoa io resaka io fa ny hevitra tera-bary dia samy mba mitondra ny azy eto. Nominatif ny maha zanakandriana ary ny Andriamanjaka no afaka manao izany fa ireo mason-tsivana ireo aloha dia narahiny foana raha raisina tsirairay.
28/09/2009 à 16h31 #21199ambodiranoMembreAry io olona izay nivahiny teto io koa dia nilaza mazava fa :
Ialako tsiny mihitsy fa tsy nanambady velively an-dRazafinimanjaka Ratsimamanga be, izay ilay mahavoa ny famakiana boky, fa ny anay mantsy dia any amin’ny tompony izahay no manontany sady izahay rahateo tompony. Talohan-dRazafindrazaka dia nanambady niterahany an-dRazanamanga mianadahy Ratsimamanga ary nanambady an-dRangory zana-dRazakaboana mbola havana akaiky koa any avaratra any ry Rangory ary maty vetivety. Io no nampanjonitra an’Ingahibe. Ry zareo etsy @ quartier anona sy anona no fianakavian-dRangory ary zafin’ny mpirahavavy izahay.
Tsy mba nianarako t@ boky fa azafady fa Ratsimamanga Ampamaho no vadin-dRazafimanjaka (fantatro koa ny vadiny hafa, ry anona indray koa no havan’ity, vao niaraka izahy omaly alahady, tsy mampiresaka aho fa tena marina izany) ary ery ananona ny tarana-dRatsimamanga Ampamaho, t@ 2008 izahay no nifanena farany, de ery ananona no misy azy sady miezinezina ny vodivonany efa lehibebe ihany izy ary tsotsotra fa izahay tsy manadino ny fihavanana aminy mihitsy.
Tompony iza moa azafady indrindra no nanontanianao ary nilaza fa Ratsimamanga Ampamaho no vadin-dRazafimanjaka renin’ny Andriambavy RAVERO ? Tsy izany no nambaran’ireo avy amin’ny Andriambavy tamiko ary io no tena azo itsarana ny loharano na ‘source’-nao. Tena «version 2009» mihitsy io vaovao avoakanao io sady version no diversion moa raha ny tena izy satria mbola tsy nisy nilaza izany hatramin’izao. Tsy hoe fanamaivanana ny nipoiran-dRatsimamanga Ampamaho izay tera-dRambolamasoandro satria zafin-dRatsiadala avy @’ny reniny Ramanjakaraibe na ny asany mpitendry harmonia fa mahagaga sy mahazendana mihitsy raha ny Mpanjaka RANAVALONA I izay faran’izay sarotim-pirazanana indrindra no nankasitraka tamin’ny fotoana nanjakany ny hanambadian-dRazafimanjaka zafin-drahavaviny sady zana-dRamonja zanakandriana ny tera-dRambolamasoandro izay fahavalo naringany.
Ary ny Printsy Ratsimamanga rain-dRavero dia zanak’Andriantsirangy andriana mikatrakatraka amin’ny Tantsaha tamin’ny androndRanavalona I ary nataony mpifamofo tamin-dRabodozanankandriana lasa Mpanjaka Rasoherina taty aoriana porofon’ny fankasitrahany azy.
– Ny amin’ilay hoe Zazamarolahy no rain’ny mpanjaka dia mahavariana izany fa andriamasinavalona Andriantsalamandriana, Andriamasinavalona Andriantsimianatra, Marolahin’Andriamary Razaka, ka tsy misy tera-dRangorinimerina ireo, ka asa izay marina @ilay izy, fa misy tena Atiny any, dia mba tongava miresaka aminy raha toa ka ekeny ho havany e!
Marina tokoa fa Andriamasinavalona avokoa ireo fa tsy Zazamarolahy nefa ray nipoiran’ny Mpanjakavavy , ny antony lehibe dia efa vitsy tamin’izay ny «tera-behivavy sy zana-jokiny avy amin-dRasoherimananitany » ka ireo no voafidy hanjaka.
Fa raha tany tsy mamaly eto intsony moa ianao raiamandreny (raha ny fomba firesakao teto dia mety ho raiamandreny tokoa ianao) dia efa notezeran’ ireo havanao tokoa hoe be resaka ety ampahibemaso ka aleo hijanona ho tsiambaratelonareo mpihavana any ihany ny valin’ireo fanontaniana ireo.
28/09/2009 à 20h12 #21200AnonymeInactifMisy mamaky firaketana fatratra eto dia avy eo miverina eto indray mitantara izany, na ilay hoe mikatrakatraka aza dia teny nambara tao @ Firaketana no haverina eto kanefa tsy fantatrareo akory hoe iza no nanome an’io tantara io tao @ Firaketana, angamba hahasorena anareo raha lazaiko hoe havanay.
Raha mahalala ny Tera-dRabodosahondra ianareo dia ho fantatrareo izay mifampiditra aminy fa misy azy etsy ananona sy etsy ananona. Ranabavy a! Mba vakio tsara ny eto fa aza variana indriako fa misy miresaka anareo tera-dRabodosahondra anie eto e! Azafady indrindra fa havana akaiky ny any atsimo e.
Raha tena mahalala an-dRatsimamanga Ampamaho ianareo fa tsy mpanasina fotsiny izay ambaran’ny Firaketana sns dia ho fantatrareo ireo vadiny roa fa na ny datin’ny fanambadiany t@ Razafimanjaka aza fantatra. H@ datin’ny manasina Andriana eny anatirova @ fanambadiana. Azafady fa isan’ny mpanao izany ny fianakavianay asa ny anareo.
Raha tena mahalala an’Andriatsirangy ianareo dia ho fantatrareo hoe t@iza izy no nanaranaka dia ho talanjona ianareo. Dia ahoana ilay resaka adin-« javatra » …. t@ilay iraika lahy avy ary ananona? Tsy hanabaty an’io aho fa havan’ilay havako mpamaky ahy eto ity iray ity, sy izoky famangiko ery ananona. Saika raharaha teo Anosizato an! H@ ny Andriana (teny Manjakamiadana) aza efa vakivava hoe hisy raharaha eto an’io. Taiza no nisy an’izany? Karohy fatratra any anaty boky e! ahahahaha! Raha milaza ho mahay Tetiarana ianareo dia ahoana tsara moa ny fihavanan’ny Mandrosoa Tantsaha sy Ampahitrosy? Dia ny fihavanan’ny Mandrosoa Tantsaha sy ny tera-dRabodosahondra?
Raha mihambo hahalala an-dRazafimandimby koa ianareo dia hahalala ny vadiny voalohany dia ho gaga koa ianareo, sy ny tarana-dRatsimihaba rahalahiny, azafady fa nifanila trano t@ arrière grand mere-nay izy ireto tetsy ananona, ary ranona no ilay renibeny ben’izy mianakvy taranaka tao. Dia efa nisy saika nivady t@ nenitoanay ny zana-dry zareo satria ilay zanany lahy tao nanambady ny cousine an’i dadabenay dia nilevina ery ananona ry zareo. Misy hikaroka mafy @ doc rehetra indray any, fa ny anay dia tsotra: arrière grand-tante n’ny zaobaviko io vady voalohan-dRazafimandimby io. Ny Tongombolon-dramatoa vady voalohany io aza, dia nolovan’ny renin’ny zaobaviko fa veriny, izy moa tsy mihinam-paraky ko!
P.S: ho an’ilay mody mitandroka mba hivoahan’ny marina, nisy havanay mpinamana nifankatia t@ Andriantahiry, vao nampatsiahivin’ny dadatoa mamiko loatra mipetraka etsy ananona. Raha ny marina mantsy dia mpirahavavy ny renin’Andriatsirangy sy ny reniben’io dadatoabe io ka Rahatahiry no nandova an’Andriantsirangy, marina izany, kanefa tsy izy irery. Niaraka t@ Razafimandimby nampandry tany momba ny resaka menalamba niainga t@ octobre 1896 ny dadan’ity havanay ity.
Tsy te hanabaty ny diso sy ny noforonina voalaza eto aho, tsy anjarako izany.O r’ise ilay havako mamaky eto sy mananatra ahy, heveriko angamba fa tsy manome soupapa aho fa mametra-panontaniana fotsiny e? Sa …? Faran’izay r’ise a. Izay ilay itenenenareo ahy foana hoe exciter-na ianareo en prêchant le faux dia mivoaka ny vrai? Mody omena tailana ianareo hanitsy azy hoy ilay cousin-ko taranak’Andriamohara izay. Tsy hamaky eto akory intsony aho mba tsy halaim-panahy hamaly ny resabe eto. Aleo ho vaky tsara ny lohan’izay mahay satria mahay mamaky teny.
Dia manao azafady amin’IZOKIBE be ikoizana @ Tantara fa mianatra ny fanoratra sy ny fiteninao28/09/2009 à 20h35 #21201AnonymeInactifMpitendry harmonia hoe no asan-dRatsimamanga Ampamaho? Dia efa mba miteniteny foana kosa ianareo ka! Dia tsy hainareo tokoa ve ny tena asany? Mba fialamboliny io, dia nampianariny koa ry ianona.
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.