Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
28/09/2009 à 20h48 #21202AnonymeInactif
Farany iza moa no renin-dRazanabolamena? Efa vadin’ny anona koa anie izy io e! Mahagaga koa fa sahala @ tera-behivavy daholo ireo ray reny ireo fa tsy dia manaranaka ny lahy.
Raha mba fantatrareo koa tokoa mantsy ny taranaky ny rahalahin-dRafaralahy Raginga dia ho rara-kivy ianareo, miseho manitsinitsy azy ireo ery ianareo eto kanefa ange ka tsy hainareo akory ny tena loharano nipoirany izaho aloha manaja azy satria havan’ny renin’ny rainay izy ireo.
Dia milaza koa ianareo hoe tera-dRasoherina zana-joky, iza kay ilay zokivavin-dRamatoa be Rahety sy ny taranany?29/09/2009 à 11h13 #21203AnonymeInactifAndao hoe eritreretina kely raha nitohy ny fanjakana merina. Ny zanakalahin-dRainilaiarivony dia efa nanao fasana ao akaikin’Ambohimanana ary efa nasiany tranomanara izany. prince koa no fiantso azy any na hatramin’izao aza. dikany: raha nitohy génération Iray monja ny fanjakana dia efa lasa andriamasinavalona farafahakeliny Andafiavaratra. raha maty teo koa izy dia efa vonona ny zanany hadray ny fahefana ka hanambady and-Ranavalona III. antony nifidianana azy ny fahatanorany mba azahoan’Andafiavaratra mifandimby aminy. raha lasan-ko razana koa Ranavalona III dia efa vonona hampakatra vehivavy hafa indray ry zareo hanamarinana ny maha praiminisitra azy. fehiny: na mbola nitohy aza ny fanjakana tsy afa-nandimby teo izay mety ho zanak’iRanavalona III sy ny fianakaviana akaiky azy. ny hany afaka nanohitra izany dia Rainijohary-Andrianisa sy ireo Andriamasinavalona sy Zazamarolahy rehetra nanohana azy. nihevitra hampanjaka ny lehilahy zafiafin’Andrianampoinimerina izy ireo saingy nosamborina natao sesitany. fanotaniana ary: iza na inona no tena fototry ny fanjakan-dRanavalona III; inona no mety ho hasin’Andafiavaratra ka manome azy izany zo izany; ary raha nana-kasina tokoa izy sy Ranavalona III, tsy ho ra nandriaka ve teto Antananarivo hiarovanan’ny vahoaka ny ain’izy ireo? hasina no fototry ny fanjakan’andriana ary matoa rava izany dia tsy tao amin’ireo nanjaka intsony ny hasina… hasina very tamin’izany tsy hiverina intsony.
29/09/2009 à 14h21 #21204AnonymeInactifO r’ise ilay havako mamaky eto sy mananatra ahy, heveriko angamba fa tsy manome soupapa aho fa mametra-panontaniana fotsiny e? Sa …? Faran’izay r’ise a. Izay ilay itenenenareo ahy foana hoe exciter-na ianareo en prêchant le faux dia mivoaka ny vrai? Mody omena tailana ianareo hanitsy azy hoy ilay cousin-ko taranak’Andriamohara izay. Tsy hamaky eto akory intsony aho mba tsy halaim-panahy hamaly ny resabe eto. Aleo ho vaky tsara ny lohan’izay mahay satria mahay mamaky teny.
–> mampalahelo be aky ndry na enao fa mora « exciter »-na àààà !!!!
aza manao an’izany an !!! aza mora taitaitra fa mora ….. dia mahamenatra ireo havanao andriana bedabe ihambonao ireo . marina é ! dé aza miverina eto intsony fa farany iny an !!! mijanona any aminareo mpihavana ihany fa aza miditra amin’izany hoe tranokala izany dia manorata Firaketana vaovao koa fa tsisy dikany aminao ‘lay ray dia mifanambadia aminareo mpihavana ireo ihany dia tsy very ny Hasina amin’izay. Ary aza mety « exciter »-na ntsony hoa an !!!!29/09/2009 à 15h02 #21205ambodiranoMembreNy Hasin’Alasora no manoratra ho anareo
Tompony koa zany miakatra zany. sady zay ny azy ny « voahangy mena » mbola tsara tahiry, ny hafatr’Andriamasinavalona mbola mitabataba am-pahanginana any anatin’ny zazamarolahy sy ny andriamasinavalona reetra any ambany ravinkazo any. sady izay lahimatoan-dRangorinimerina, tera-behivavy iringiriny. azy miala tsony tompoko ô! be loatra manko ny usurpateurs eto!!!Ie ! tera-behivavy iringiriny tokoa aloha raha hatreo amin’ny zanak’ Andriamohara resahinao satria toa Ranavalomboahangy no vadiny fa aorian’izay dia tera-behivavy avy amin’iza moa mba tianay ho fantatra fa nanomboka t@ 1810 aloha dia ny tera-dRasoherina sy Ralesoka no angalana hoy Andrianampoinimerina t@ hafany . Misaotra é
Mba azavao tsara @n’izay tsy mahalala moa ny hoe « HASIN’ALASORA » rahavako fa fototra niaingan’ny andriana hatramin’ny Mpanjaka Andriamanelo aloha izy io koa tsy misy iadian-kevitra ny @n’izay fa raha ny tenako indray mba misy fantatro ihany ary tsy atoro anao angamba izany fa Andrianambonimena (zanak’anabaviny) dia nataon’ ny Mpanjaka lehibe Andriamasinavalona ho mpandova fanjakana aorian’izy 4 mirahalahy zanany nozarainy an’Imerina Efa-Toko. Nomeny vodivona teo Alasora aloha izy nasainy niandry fanjakana teo kanjo toa tsy nahandry Fanjakana fa nihetsika alohan’ny fotoana dia nofaizin’Andrianjakanavalomandimby Mpanjakan’Antananarivo hany ka nitakemotra ho andriamasinavalona sisa no nataony fa tsy Zanakandriana intsony ary nipetrapetraka moramora mba anavotan’aina.
Izahay @n’ny lafiny ilany dia taranak’Andrianjakanavalomandimby midina avy amin’ ny zafikeliny Andriamalama Andriana tompombodivona teo Ambohimitsinjorano lasa Ambohimamory izao etsy ambony avaratr’Ampitatafika ary mba arakay ihany ny tantara é fa tsy misy hanova izany eto akory… sady tsy hisavika ny an’ny sasany izany hoy aho averiko eto ihany fa mirosoa kokoa dia azavao ny Hasina avy any @nareo … ny hevitra ange tera-bary ary ny anay tsy misy olana fa aseho ny olona eto fa asakasak’izay te-hanafina ny azy ihany.
Fantampatatro ihany ny tantarandRamisarivo fa ilay Razafindrafara tsy fantatro hay va re izy no vadiny é , faly mahafantatra… ka tsotra fotsiny ange izany é, azavao fotsiny hoe avy aiza sy terak’iza Razafindrafara dia mazava fa raha mbola avy amindRampananamboninitany na ny anabavin’Andriamasinavalona hafa izy dia efa alavitra be izany fa efa nisy ange ny Mpanjaka Andrianampoinimerina namory an’Imerina Enin-toko teto mifandanja ary mihoatra ny Emperora Napoléon niara niaina t@ aza, amiko manokana , ary tonga hatraty @ndRazafindrahety niova ho Ranavalona III.
Tsy miresaka ny tera-dRamasindrazana aho tsy fantatro manokana izy ireo sady tsy misy tera-behivavy intsony fa ianao no mahalala andrizareo izany dia mba asaivo miroso izy é !!! Fa ny tera-dRavoninoro zanaky ny Printsy Ratrimoarivony sy Razafindrahety vadiny no noresahiko teto sady izaho tsy anisan’io Teraka io velively fa mampahafantatra ireo izay tsy mahalala izany fotsiny aho , rizareo koa tsy mila mpisolovava rahateo. Tsy miloloha ny taranaky ny Princesse Marie-Louise koa aho na mifangaro menasofina izy na gasy tsy mitapo-drano fa aza tonga dia be fiavy ianareo izany éé. Fa ‘diavolan-ko lava kilalao mbola ho ela’ na dia tsy kilalao velively aza ny tafatafa eto fa fomba fiteny ihany iny.
Koa tsy mila mankeny « Ambodisiarivo » ( angaha moa misy an’izany ) na Ambatomanoina avaratra akory aho aloha hatreto . Raha momba an’Antsahadinta indray dia avy amina zanakandriana avy eny nanangana ny eny aminay Mamoladahy ny tenako ka raha ny hasin’Andriantsira dia malaza tokoa Rabodozafimanjaka zanany nomeny ho vadin’Andrianampoinimerina fa mba iza moa no renin’ny Andriambavy azafady , isika eto miresaka Hasina fa raha tsy lazainareo havany moa aiza no andrefesana ny Hasiny é ; nefa izay eranareo ihany io sady raha tsy mifandray amindRasoherimananitany izay « ventre dynastique » @n’izao 2009 izao izy dia aleo hijanona ho anareo ihany tsy maninona ka.
Koa mandra-piresaka indray ary rahavako .29/09/2009 à 15h26 #21206AnonymeInactifmafotaka mitsy reto merina reto raha iady fanjakana ka. zany mitsy angamba no tsy mapitsangana azy io. so fa nanana ny sorabe sy ny lalàna tsy azo nodikaina voatahiry ny Antemoro raha tsy zany ngamba an! asa fotsiny. ny an’ny merina izay tonga mametraka sata vaovao de mbo nametraka ny azy ko Rainilaiarivony. fararny zato amberivo no miady toerana iray. hitako no mahazo vahana sahady ho azy ny hova: ny andriana variana miadysezairay tsy misy intsony. de ho gaga indray ve isika raha Gilbert Raharizatovo mpanenjika Andriana hatramin’izay no mandidy manapaka amin’ny Manjakamiadana, olona tena mpankahala Andriana iringiriny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny rovan’Ambohimanga. Ô ry Andriana isany ô, mifohaza amin’izay fa mitady ho diso ady isika…………….
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.