Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 366 à 370 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21210
    Anonyme
    Inactif

    Mankasitraka anao namaly, tera-bary tokoa ny hevitra ka milaza izay fantany ny rehetra…atomboko @ Andriantsira ny resaka…fa angaha Rabodozafimanjaka no resahiko eto e, fa tsy ny cousine-ny tetsy atsimon’Antsahadinta. Manatsafa ahy ianao ny momba ny renin-dRabozafimanjaka satria raha terak’Ambodirano tokoa ianao dia tsy atoro ny hasin’Andrianjakatrimo??? tsy ianao mihitsy angamba no atoro an-dry zareo Ivatobe an? indrindra fa Rasoavero vadin’Andriantsira izay momba an’Andrianjakatrimo izay manana anjara ao @ miandalana ao Antsahadinta antampony…sa diso ve za? Fa mba iza koa hono ary avy aiza ny vadin’Andriantsira (ilay iray) ka niterahany an’izy 7 mianadahy e, dia avy aiza ny vadin-dRatsimisotry ? juste hoe ankamantatra kely fotsiny fa toa mahafinaritra isika mirahalahy fa mifanao ankamantatra sy anganon’ny Ntaolo

    Resaka tera-dRavoninoro. Vaovao be amiko izany anarana, izany nohon’ny tsy fahalalana angamba fa satria tsy ho ary ho araka avokoa mantsy ity tetiarana efa mifampidipiditra ity SAINGY raha ny natera-dRatrimoarivony sy Razafindrahety kosa rahavako dia mifanosona amiko ary tsy mbola naharenesako an’io anarana io. Mandehana hoy aho aminao miresaka @ tera-dRakalobe eny Anosiarivo, anontanio hoe iza moa no zanany lahy matoa? Izay milevina miaraka @ vadiny faharoa izay tompon’ny vakinisahasaotra, io no lakilé ahafantaranao ny tarana-dRazafindrahety. Iza ireo mpandova an’Anosiarivo tera-dRamisarivo ireo? Somary masiatsiaka fiteny sy mivantambantana firesaka izay ry zareo indrindra fa ireo vehivavy… iza Razafindrafara vadiny voalohany…ilay nomen-dreniny an-dRakalobe fony handray fanjakana izy? Fa nahoana no nitsoaka tany Ambatomanoina avaratra ry zareo? Ary maninona no misy tamboho avobe tsy hifankahitana ao Ambodisiarivo atsimon’Ambohinome sy Anosiarivo?? fa nahoana no niafina tao Rakalobe sy Razafindrafara zazakely raha nanenjika azy Andafiavaratra ka nifofo ny ainy? Fa nahoana no nambesana andro amanalina io zaza io t@ izany izay mbola ao Ambodisiarivo ny taranak’ireo miaramila ireo ; Indro ankehitriny misy anarana vaovao mipoitra …ouf! Lalina ity tetiarana ity marina, betsaka ny mipoitra ankehitriny

    Resaka Andrianambonimena. Io fa miverina indray ilay resaka notanterina tao anatin’ny boky « Tantara ny andriana », voatatitra mantsy fa nikomy hono Andrianambonimena, tsy eken’Alasora io version io tompokolahy, NAMPAHATSIAHY ny hasina natolotr’Andriamasinavalona taminy no nataony fa Andrianjakanavalomandimby rainy mihitsy no efa te hanafoana ny faribavan’Andriamasinavalo ka ta- hampanjaka zanaka hafa, raha tsy izany ve hitondra tafika hananika an’Alasora zanany e? Zanaka koa ve dia hitondrana tafika raha tsy efa misy zavatra hafa kinendry ao ? politika lalina. Ianao izao no tena mahalala ny mahatonga ny antony, mba anontanio tsara hoe izay fomba fijerin’ny renin’Andriamponimerina zanak’Andrianjakanavalomandimby faharoa? Raha taranany ianao dia mahalala tsara an’izany

    Ie ! tera-behivavy iringiriny tokoa aloha raha hatreo amin’ny zanak’ Andriamohara resahinao satria toa Ranavalomboahangy no vadiny fa aorian’izay dia tera-behivavy avy amin’iza moa mba tianay ho fantatra fa nanomboka t@ 1810 aloha dia ny tera-dRasoherina sy Ralesoka no angalana hoy Andrianampoinimerina t@ hafany . Misaotra é

    Ndryyy re olona e! fa ny tera-dRabodonandrianambonimena angaha hadinonareo? Ary ny zanaka vavin’Andrianavalonjafy mpanjaka, asa angaha inona no titre entin’ireny fa aminay ireny zanakandriana, Ny tsy azoko anie dia ny ilazan’ny olona tsy Talasora fa tsy nanjaka Andriamoara e! NANJAKA Andriamoara nandimby an-drafozany, manana ny lapa Rarisambo izy ary zanakandriana ny zanany ary ny tera-behivavy dia ry Andriantsira sy Rasoataolana, fa tsy izany ve no nahamay an’I Nampoina hanambady ny zanak’izy mi-tsam ireo e? fa tsy 7 be izao ve no vady nalainy tao Alasora mba hanambatambazany an’Alasora ? fantar’Andrianampoinimerina tsara mantsy hoe iza izy par rapport @ izy mirahalahy ireo, ary azony tsara koa fa vohitra mitondra hasina Alasora…fantany tsara izany satria na Andriambelomasina tompon’Ambohimanga aza manome hasina an’Andrianambonimena teny Alasora rehefa andro firavoravoana teny, ary nanatrika izany Nampoina. Hasina hoy ianao no tsy mazava, masina satria ny Manjaka no nanolotra azy…prérogative n’ny manjaka ny manolotra ny hasina hoan’izay fantany fa mendrika izany, misy fadiny ny hasina… fa ny zafikeliny tato aoriana no nanimbazimba ka nampakatra ny azy moramora.
    Lavabe fa sao dia bedin’ilay namako etsy ampiholanana ambody fiakarana etsy aho fa tohizana @ manaraka e!

    #21212
    Anonyme
    Inactif

    Lavabe fa sao dia bedin’ilay namako etsy ampiholanana ambody fiakarana etsy aho fa tohizana @ manaraka e!

    -> Mba teneno kosa hoe iza io mpibedy io e!

    #21213
    Anonyme
    Inactif

    Raha ny feon’ny fiheritreretako no henoiko,dia mino kokoa aho fa Titre hanesoana azy no niantsoana azy toy izany ,……Nahoana hoy ihanao?
    -Fantatr’ireo tany mbola enti’Andriamanjaka tsara ny « Tena Izy » ,na ny eto @tsika na ny avy @tany nozanahiny…..Ny tena tantara ,alohan’ny nisehoan’ny soratra eto @tsika,dia miparitaka any @ Archiven’zareo any ivelany any( ny Antemoro dia tsy ao anatiny ,satria izy ireo dia nahatazona ny azy ary fantatra fa ry zareo no « Tompony »raha resaka soratra no atao eto.
    Nisy aza olona iray…..nanana toerana havo dia havo…..fantam-poko,fant
    am-pirenena…..saika hanao visite de courtoisie »tany ho any »@Titre be mitovy @an’Ndriana……..fa tsy nasian-dry zareo sira na dia kely aza …….
    Ny tena loza dia tsy noraisiny ary tena novasohany t@ fomba tena mihaja tokoa……..Nalohan’zareo ny frais d’hôtel sady nampanateran
    y argent de poche……..
    Ze fosa nanaraka ny fihaonana no ASAAAAAAA !!!!!!!!!!!!
    Raha te ahafantatra azy ihanao dia ery Ankerana no misy azy…….Ao @ le hoe « La Résidence ».
    Mahafinaritra ny miresaka @ …….Tsy migiaka mihintsy ny anao lahy raha vao fantany fa mbola Mena ambonin’ny Mena no manoloana azy…….
    Mba hanaro re ilay Ngahindriana Andrianteloray (ary sanatriavo ny miantso azy Ny Andriana fa hanetry azy izany).
    Ny fanazavany ny Tetiarany dia mazava ho azy fa fanamafisany sy fanaporofoiny ny maha Andrianteloray azy, izay tsy hitako mihintsy
    no tokony mety aharatsy azy……..Ka izay ary no izy koooooo!

    #21214
    ambodirano
    Membre

    mafotaka mitsy reto merina reto raha iady fanjakana ka. zany mitsy angamba no tsy mapitsangana azy io. so fa nanana ny sorabe sy ny lalàna tsy azo nodikaina voatahiry ny Antemoro raha tsy zany ngamba an! asa fotsiny. ny an’ny merina izay tonga mametraka sata vaovao de mbo nametraka ny azy ko Rainilaiarivony. fararny zato amberivo no miady toerana iray. hitako no mahazo vahana sahady ho azy ny hova: ny andriana variana miadysezairay tsy misy intsony. de ho gaga indray ve isika raha Gilbert Raharizatovo mpanenjika Andriana hatramin’izay no mandidy manapaka amin’ny Manjakamiadana, olona tena mpankahala Andriana iringiriny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny rovan’Ambohimanga. Ô ry Andriana isany ô, mifohaza amin’izay fa mitady ho diso ady isika…………….

    tsy dia miabo loatra fa miiba ny resakao sady mampiditra no mamoaka : fa ianao ve aloha merina sa antemoro eto sa mifangaro no mitondra « jugement » eto .Izaho tsy mitsara zay tsy fantatro… ary aza mampiady ny andriana sy hova eto enao fa tsy 19è siècle intsony zao fa efa misaina tsara ny taranaka ankehitriny. Io Manjakamiadana mijoro io no vavolombelon’izany ary izaho isa-maraina mifoha dia faly sy « fier » mijery azy sy Andafiavaratra avy eto ampandrinako satria samy nipoirako ireo ary efa lasa ny ady taloha.
    Fanamarihana fotsiny toa milaza isika Andriana ianao amin’ny farany ka mba azavao azafady !

    #21215
    Anonyme
    Inactif

    Tena Andriana mihitsy tompoko nefa tsy hampidera fihaviana eto. efa nifanarahana koa tany amin’ny fivorian’ny zazamarolahy fa tsy tokony havoaka ety amin’itony sehatra itony ny tetiarana fa izay te hahalala izany dia mitety vohitra. manaja izany ny tenanay. Ankoatra izay tsy ny hova rehatra akory no olana fa Andafiavaratra nagalatra fanjakana tamin’ny ra nandriaka. mbola ampahatsiahivina anay sy anabeazana anay ankehitriny ireo razana nataon-dRainilaiarivony sesitany sy novonoiny mba hanamafisan’orina ny fanjakany. aza manatena koa ianao fa hisy hifamela heloka izany eto. Tsia. ireo izay mifamaly aminao ka manome sopapa ny mpisavi-drazana no antsoiko hoe diso ady. ary diso ady mihitsy satria lany andro mifanasa vangy amin’ny zavatra tsy mampandroso. ny zavatra mampivadika any ati-dohako izao dia ny hoe ahoana no ahafahana manao « lobbying » amin’ny fitantanana ny vakok’Andriana izay sahanin’ny fanjakana mivantana. eritrereto raha tahaka ny fitantanana an’Ambohimanga sy Manjakamiadana no itantanana ny zomban’Andriamisara efatra mirahalahy any amin’ny Sakalava : ny fanjakana no manendry izay ho tale mpitantana azy. ngamba ady tsy ady ny ao Mahajanga. sarotiny ny tompony satria izy ihany no afaka hanaja ny hasin’ny azy. fampitahana no ataoko fa tsy hoe sakalava indray ho akory ka hanaovanao article iray manontolo eo indray.
    ho anao manokana dia tsy diso ady velively ianao satria mbola henjana ny adidy miandry anao handresy lahatra ny ankabeazan’ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy ary ny Andriamasinavalona amin’izany Rainilaiarivony II sy Ranavalona IV izany. ho anay fanajana fotsiny ny tsy hamasoana ka tsy hitenenana mihoatra izay. Mahereza e!

5 sujets de 366 à 370 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: