Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 371 à 375 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21216
    ambodirano
    Membre

    Eny ary , mazava kokoa amiko ny tianao nolazaina tamin’iny izany sady tsy natao dia hoe ifamaliana eto. Mbola hanazava lavalava kokoa aho amin’ny manaraka fa mba tiako azavaina fohy aminao fotsiny anio hoe : « Raha mbola tsy hamela ny Andafiavaratra « nangalam-panjakana » ianao tompoko dia anjaranao izany ary nitezana anareo mihitsy ny tsy hamela fa zohio ihany ny tantatra hoy aho efa novelabelariko fa Ranavalona I no nanome vahana io fianakavianay io na efa t@n’ny Ombalahibemaso mihitsy aza ka tsy nipoitra tampoka teo akory rizareo. Raha izaho manokana tsy hiaro an-dRainilaiarivony Praiministra izay amiko dia « despote » tokoa koa tsy mivoy ny Rainilaiarivony II aho tompoko ialako tsiny aminao. Fa raha ny momba an-dRanavalona IV dia inona no tsininy aminao satria mba azavao aminay aloha fa tsy fantatray hoe tsy nanana zo hanjaka mihitsy angaha ny Mpanjakavavy Ranavalona III aminareo ? Tsy dia handresy lahatra anareo no hiaiako eto tsy izany velively samia mitazona ny heviny hivoaran’ny Tantara. Raha ny tetiarana moa dia samy manao izay tiany atao amin’ny azy koa tahirizo soa aman-tsara any ny anareo re. Izaho indray tsy ataoko tsy itiavana andriana izany satria andriana koa aho ary efa nihoaranay izany tsy fifamelana izany betsaka no mitovy cas amiko koa. Mahereza torak’izany koa ianareo .

    #21217
    Anonyme
    Inactif

    Tsia. ireo izay mifamaly aminao ka manome sopapa ny mpisavi-drazana no antsoiko hoe diso ady. ary diso ady mihitsy satria lany andro mifanasa vangy amin’ny zavatra tsy mampandroso.

    Tsara raha faritanao ny hevitry ny hoe mandroso ny andriana: ny mahafehy ny patrimoine physique ve? Ny fafatrano @ intagible aza tsy misy tokotaniny ary lobbying sahala @ ahoana moa no azo atsangana raha toa ka tontolon’ny hasina sy ny tantara aza misavorovoro? Efa nisy famaritana mazava ve aloha ny atao hoe andriana?

    Mety tsy diso ady kosa angamba ireo olona ireo fa tsy mitovy ady aminao satria adin-tsaina lalina ahiako tsy ho voavaly mandra-pahantitra ny anao.

    Tsy nahavita inona moa ny tena ka tsy sahy hametraka hoe izao no ady tsara, fa mankasitraka foana izay miresaka satria misy akony @ hevitra voizina foana entin’ny ny miteny indrindra ny resaka savidrazana resahinao , izay mangina tokoa volamena saingy vatolampy hipetrahan’ny vorona, indrindra moa raha sady tsy miteny no tsy manao.
    Soava e!

    #21218
    Anonyme
    Inactif

    Fa dia vendrana manao ahoana moa ny Andriana merina no tsy afaka hijoro hiaro ny lovany tahaka ny hiarovan’ny Andriana gasy hafa ny azy? Sa heverinao hiandrasana an’Andafiavaratra indray izany. Aza mifanambany kosa e!
    Ary raha resaka « lobbying » indray no heverinao tsy ho vita dia diso hevitra ianao. Efa mizotra manakany ny lalana ary tsy sasatra koa ny fikambananan’ny zazamarolahy, ny Jaky Mena na ny FBVA. Difotra misisika mafy ny ho mpandimby fanjakana ny sasany dia tsy mahalala intsony ny tolona iombonana. Na mety tsy voakasik’izany koa satria sady Andafiavaratra no Zanakandriana ka mety manantena ny ho sady Mpanjaka no ho Praiminisitra. Misaotra nirary soa e!

    #21220
    ambodirano
    Membre

    Fa dia vendrana manao ahoana moa ny Andriana merina no tsy afaka hijoro hiaro ny lovany tahaka ny hiarovan’ny Andriana gasy hafa ny azy? Sa heverinao hiandrasana an’Andafiavaratra indray izany. Aza mifanambany kosa e!
    … Na mety tsy voakasik’izany koa satria sady Andafiavaratra no Zanakandriana ka mety manantena ny ho sady Mpanjaka no ho Praiminisitra. Misaotra nirary soa e!

    Aleo tsy ho valiako akory fa tsara kokoa ny mifampirary soa dia samy mizotra amin’ny lalany avy éé !! Samy manana ny eritreriny tokoa ny olona ka samy manana ny izay andraisany ny hevitry ny sasany. Soava tsarà daholo ary !!

    #21221
    Anonyme
    Inactif

    Ny frantsay ange no ni abolir ny fanjakana merina e. Fantany fa ny fanjakana merina ihany no tena natanjaka fa tsy ny @ faritra hafa de zay ny antony. Il est temps à présent pour les andriana merina de rétablir la monarchie merina. Ny merina sy ny betsileo rery zao no tsy manana mpanjaka fa ny sisa manana daholo, ka rariny be ra miverina ianareo fa tsy mety ra hova toy i Andry Rajoelina sy Ratsirahonana no mitondra eo fa reo mpangalatra sy mpamono olona fotsiny. Na de tsy mpanjaka aza fa président andriana de efa mety. Ilay PDG an’i RTA iny tao andriana ary izy tao hilatsara maire de Tana ra tsy diso aho ka ra iny de fidiko. Iza moa ty anarany teo fa de adinoko.

5 sujets de 371 à 375 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: