Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
10/10/2009 à 10h15 #21258AnonymeInactif
Ny fiandrianana dia tsy ho faty mandrakizy na iza tia na iza tsy tia. Ny mpanjaka dia tokony hisy foana, ary efa miy ny any anindrantany fa ny rto Imerina no noezahin’ny mpanjanantany nokorontanina sy nofafaina tamin’ny tantara. Ny mpa,jaka no tsy misy androany sy omaly eto imerina fa HO AVY RAHAMPITSO.
Misy ny olona efa voatokan’andriamanotra amin’izany araka ny voalazan’ilay namana etsy aloha io: dia ny avy ao amin’ny teraky n’ny Havanandriana telo voalohany ihany. Koa noho izany ny dia tsy ao anatin’io ny Andriatompokoindrindra re ry havana isany.
Aza miady hevitra amin’izany akory isika fa efa izay no izy.
Natao ho mpanolontsaina ny Andriatompokoindrindra na miteny voalohany rehefa misy kabary fa tsy ho mpanjaka mihintsy.Koa mahereza daholo fa ho AVY NY ANDRO IRAY.
Mampalahelo koa fa lasa atao fitaovana politika ny Andriana.
Ny tiako ho tenenina dia toa tsy MASINA izany ilay nentina tamin’ny 3CV avy eny amin’ny rova Manjakamiadana fa vovontany sy vato. Efa nohazavain’ny JAKY MENA tamin’ningahy Gilbert Raharizatovo io kanefa toa tsy nandrenesapeo mihintsy hatramin’izao. Tsy nisy fanazavana intsony fa de « dinodino de mort » hoy ny mpanao rami. Saika nentina nampiadiana ny Merina sa ny Andriana fotsiny ilay izy.10/10/2009 à 11h09 #21259AnonymeInactifMahagaga ahy zany teneninao zany. Ny ray @ dreny zay ao @ JAKY MENA nefa mafantatra tsara ny tantaran’ny andriana, ary dia vaolaza fa tsy niteraka i Ranavalona III. Tsy misy sariny na ray aza miaraka @ zany zaza zany, fa zaza natsangana (ankizy de sang royal ihany koa, nièce-ny iny ra tsy diso aho) no misy.
10/10/2009 à 16h25 #21260AnonymeInactifNITERAKA VAVY TOKANA tamin’ny Printsy RATRIMOARIVONY RANAVALONA III tamin’ny taona 1878 talohan’ny fanambadian’izy ireo ny 24 Septemvre 1879. Tao Faravohitra no teraka ny Andriambavikely izay nomena anarana hoe RAVONINORO Louise RANAVALOZAFIMANJAKA izay nanambady an-dRainizoely Andriambahoaka taty aoriana ary niteraka 6 VAVY sy 6 LAHY ary ny ZANA-BEHIVAVY amin’ireo dia maro dia maro satria niteraka daholo ny ZANANY VAVY dimy ary MARO amin’ireo no DYNASTE tsy voakasiky ny MESALLIANCE resahinareo io. Koa tsy kely velively ny entonnoir satria misy koa ny avy amin’ny Princesse RASENDRANORO izay resahinao rahateo ! Mbola ho avy fa mahereta ary tsy ho ela ka…
Azonao lazaina ve ny branche généalogique an’ilay vadin’ilay olona resahinao, ny vohitra (misy hadivory) ilevenany, ary ny fianakaviana andriandehibe (du moins ny branche mazava) eto imerina nifanambady @ zanany sy ny zafiny, sy ny vohitr’ireo? Misaotra mialoha fa mba te hahafantatra izahay. Satria fahasahiana lehibe ny fitononantena handova fanjakana.
11/10/2009 à 18h09 #21264AnonymeInactifMahagaga ahy ilay resaka hoe avy ao amin’ ny Zanak’Andriana, Zazamarolahy, ary Andriamainavalona ihany no afaka manjaka: DISO BE izany tsanga-kevitra izany !
Ny Andriana nipoitra farany indray ara-tantara ve no hisongona ireo razambe nipoirany (Andriantompokoindrindra, Andrianjaka, Andrianamboninolona, Andriandranando, Andriamamilazabe?
Ary sao dia mba izay kosa aza no nampidoboka anareo milaza azy ho hany afaka manjaka ?Tadidio fa ny Andrianamboninolona koa anie, ohatra, dia MANANA ZO hanjaka. Diniho tsara ny tantara.
Saingy resaka rapport de force io! Koa izay matanjaka amin’ ny vanim-potoana iray no mampakatra ny fianakaviany, eo amin’ ny samy andriana. Dia avy eo manamari-tena hoe ny azy ihany no tena izy.
Ny tena marina dia betsaka ny andriana tia hitondra, fa Tendrin’Andriamanitra io !
11/10/2009 à 19h28 #21265AnonymeInactifZanak’Andriana, Zazamarolahy ary Andriamasinavalona ihany no afaka manjaka. Marina io. Izay ny antony mahatonga ny JAKY MENA tsy misy hafa tsy ireo no ao. Ireo no atao oe Andriandehibe, ary ireo ihany ny andriana tsy mamadika, noho maha andriandehibe azy. Misoratra ary hafatr’i Andrianampoinimerina io, fa ireo ihany no afaka manjaka, ary ny lahatra @ andriana dia toy izao :
1/ Zanak’andriana
2/ Zazamarolahy
3/ Andriamasinavalona
4/ Andriantompokoindrindra
5/ Tsy tadidiko intsony
6/ Andrianamboninolona (avant dernier tsy mahazo manjaka reo)
7/ ZanadralamboLes 3 premiers sont les andrian-dehibe. Vakio tsara ny tantaran’ny andriana, ary miresaha @ raibe sy renibenareo toy ny fanaoko, fa izay ny tantarantsika andriana.
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.