Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
11/10/2009 à 20h07 #21266AnonymeInactif
Mino koa aho fa tendrin’Andriamanitra io, saingy kosa tsy misy toerana ho an’ny mpisavi-drazana.
11/10/2009 à 20h48 #21268AnonymeInactifFandaharana nataon’ Andrianampoinimerina io,
izay nolazain’ i Raombana fa usurpateur de pouvoir,
satria Nampoina no natanjaka tamin’ ny fotoan’androny.Fa raha matanjaka kosa ny hafa dia anjarany indray ny mitondra !
Tsy misy resaka misavi-drazana io, raha tsy hoe angaha nisavi-drazana i Nampoina, Radama, Ranavalona nifandimby.12/10/2009 à 8h11 #21269AnonymeInactifKa aleho ho entina rehefa zakany e!!! MASINA io tany io ka mahasahia izay MAFY e!!!
ANDRIAMANITRA no nanome ny HASINA ho an’ny MPANJAKA!!!
K a haveriko indray MASAHIA IZAY MAFY E !!!
EFA NAVELA NITONDRA TEO AVOKOA NY OLON-DREHETRA TSY AN-KANAVAKA !!!
INONA NO VOKANY ?????????????????????????????????12/10/2009 à 10h27 #21270ambodiranoMembreMahagaga ahy zany teneninao zany. Ny ray @ dreny zay ao @ JAKY MENA nefa mafantatra tsara ny tantaran’ny andriana, ary dia vaolaza fa tsy niteraka i Ranavalona III. Tsy misy sariny na ray aza miaraka @ zany zaza zany, fa zaza natsangana (ankizy de sang royal ihany koa, nièce-ny iny ra tsy diso aho) no misy.
Samy manana ny version-ny raha izay ny an’ny Jaky Mena resahinao. Ho lava ihany ny resaka raha ho averiko eto indray ny resaka efa nataoko teto fa mba avereno vakiana ny « post » rehetra efa nalefako @ pejy taloha raha tianao ho fantatra tsara ny momba izany .
Ary FANAMARIHANA LEHIBE sy manadanja indrindra tiako atao eto ary mbola averiko ihany hatramin’izao ho an’ireo mpandray anjara vaovao eto dia :
Mbola tsy nihambo ho Zanakandriana teto ny taranaka avy amin-dRavoninoro na nisy naneho ny maha MPANDOVA FANJAKANA azy ireo mbola tsy fotoanan’izany izao , TSIA ny fisiany ihany no ambarako eto ary izaho manokana no mampahafantatra izany satria mbola nisy tsy nahare izany mihitsy toy ny tenako ihany koa taona vitsivitsy izay.
Ohatr’ anao io izao dia mbola afangaronao @n’ny Princesse Marie Louise zafin’ny Princesse Rasendranoro izay niaraka tamin’ny Mpanjakavavy nalefan’ ny mpanjanaka tany an-tsesitany ny Andriambavy Ravoninoro izay nijanona sy niaina teto Antananarivo foana hatr@n’ny nahafatesany t@ 1947.
Ho an’izay tsy mino izany moa dia tsy misy olana fa adi-hevitra ny antsika eto ho an’ireo izay te-hahalala bebe kokoa indray dia manana tranokala ny fianakaviana Rainizoely sy Ravoninoro ( io no tadiavinao amin’ny Google ) dia hohitanao ao ny ambangovangony .
12/10/2009 à 10h43 #21272ambodiranoMembreNITERAKA VAVY TOKANA tamin’ny Printsy RATRIMOARIVONY RANAVALONA III tamin’ny taona 1878 talohan’ny fanambadian’izy ireo ny 24 Septemvre 1879. Tao Faravohitra no teraka ny Andriambavikely izay nomena anarana hoe RAVONINORO Louise RANAVALOZAFIMANJAKA izay nanambady an-dRainizoely Andriambahoaka taty aoriana ary niteraka 6 VAVY sy 6 LAHY ary ny ZANA-BEHIVAVY amin’ireo dia maro dia maro satria niteraka daholo ny ZANANY VAVY dimy ary MARO amin’ireo no DYNASTE tsy voakasiky ny MESALLIANCE resahinareo io. Koa tsy kely velively ny entonnoir satria misy koa ny avy amin’ny Princesse RASENDRANORO izay resahinao rahateo ! Mbola ho avy fa mahereta ary tsy ho ela ka…
Azonao lazaina ve ny branche généalogique an’ilay vadin’ilay olona resahinao, ny vohitra (misy hadivory) ilevenany, ary ny fianakaviana andriandehibe (du moins ny branche mazava) eto imerina nifanambady @ zanany sy ny zafiny, sy ny vohitr’ireo? Misaotra mialoha fa mba te hahafantatra izahay. Satria fahasahiana lehibe ny fitononantena handova fanjakana.
Arak’io voalazako eo ambony io dia jereo ny tranonkalan’ny Fianakaviana é ao daholo ny valinteny ho anao zay te hahafantatra…
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.