Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
12/10/2009 à 10h58 #21274ambodiranoMembre
Ny fiandrianana dia tsy ho faty mandrakizy na iza tia na iza tsy tia. Ny mpanjaka dia tokony hisy foana, ary efa miy ny any anindrantany fa ny eto Imerina no noezahin’ny mpanjanantany nokorontanina sy nofafaina tamin’ny tantara. Ny mpanjaka no tsy misy androany sy omaly eto imerina fa HO AVY RAHAMPITSO.
Misy ny olona efa voatokan’andriamanotra …
Koa mahereza daholo fa ho AVY NY ANDRO IRAY.Itovizako hevitra aminao mihitsy izany ahoana moa ny eto Imerina irery no tsy hanana ny Mpanjakany ?? Jereo fa to-teny ery ny any amin-drizareo amin’ny faritra sasany , ka adalantsika raha tsy mahavita mifanaraka amin’izay tokony ho MPANJAKA eto amintsika eto Imerina. Jereo ny olana eto amin’ny firenena izao androany izao fotsiny.
Raha ny hevitro dia olom-boafidy no tsara mitantana ny fanjakana ary ny Andriamanjaka no manjaka satria izy no manana ny Hasina sy ny sata ary indrindra indrindra ny Fahendrena ho amin’izany. ( » Le Premier Ministre gouverne , en celà il est sanctionné par la voie des urnes , et le Monarque règne ayant reçu le Sacre « ) koa izay rafitra tapaka fa mety eo dia manaraka hoa azy na fédération confédération ets ….
12/10/2009 à 11h18 #21275ambodiranoMembreMahagaga ahy ilay resaka hoe avy ao amin’ ny Zanak’Andriana, Zazamarolahy, ary Andriamainavalona ihany no afaka manjaka: DISO BE izany tsanga-kevitra izany !
Ny Andriana nipoitra farany indray ara-tantara ve no hisongona ireo razambe nipoirany (Andriantompokoindrindra, Andrianjaka, Andrianamboninolona, Andriandranando, Andriamamilazabe?
Ary sao dia mba izay kosa aza no nampidoboka anareo milaza azy ho hany afaka manjaka ?
Tadidio fa ny Andrianamboninolona koa anie, ohatra, dia MANANA ZO hanjaka. Diniho tsara ny tantara.Samy manana ny heviny io fa raha jerentsika ireo nanjaka farany dia tsy nisy na iray aza ny Andriamanjaka tsy nivoaka amin’ny hafatr’ ANDRIANAMPOINIMERINA hoe : » Tsy misy mahazo manjaka amin’ny Fanjakako raha tsy ny tera-dRasoherina sy Ralesoka IHANY « . Izy no namory tamin’ny heriny rehetra an’ Imerina Enin-toko koa hodikaintsika ve izany ? Asa….
Ary ireo Razambe tononinao ireo dia nipoiran’ireo Andriamanjaka ireo daholo ka aiza ary ny olana ?
12/10/2009 à 11h33 #21276ambodiranoMembreZanak’Andriana, Zazamarolahy ary Andriamasinavalona ihany no afaka manjaka. Marina io. Izay ny antony mahatonga ny JAKY MENA tsy misy hafa tsy ireo no ao. Ireo no atao oe Andriandehibe, ary ireo ihany ny andriana tsy mamadika, noho maha andriandehibe azy. Misoratra ary hafatr’i Andrianampoinimerina io, fa ireo ihany no afaka manjaka …
Raha tsy diso aho dia nanangana ny « Izy mirahalahy sy mianadahy avy » izay ahitana ny ZANAKANDRIANA mahazo manjaka Andrianampoinimerina ary ao no angalana izay ho Andriamanjaka ary ny fianakaviany no Zanakandriana vaovao fa ny hafa mijanona ho Zazamarolahy ihany. Fa tsy nisy Andriamasinavalona mbola nanjaka teto Imerina izany ka ….
Tsy handiso izany angamba ny Raibe sy Renibe rehetra mpamaky Tantaran’ny Andriana ary ny tena izy ary voaporofo amin’ny Tetiaran’ireo nanjaka rehetra aza dia » ny Zana-jokiny amin’ny Tera-behivavy » IHANY no voahosotra hanjaka. Eny é afa-tsy ny Andriambavy RASENDRANORO sy RAKETAKA izay zoky vavy sy renin’ny Andriambavy RAZAFINDRAHETY lasa Mpanjakavavy RANAVALONA III .
12/10/2009 à 12h09 #21278AnonymeInactifAmiko dia tsotra ity resaka RANAVALONA III ity e ! Ataovy ny TESTE ADN dia vita kabary ! MAZAVA TSARA ny fisian’ny TARANANY na TSIA !
ARY IZA MARINA ?
ARY MANGATAKA NY REHETRA, NY HAMOHANA NY TESTE ADN HOHITAM-POKO HITAM-PIRENENA !!!!
Misy milaza fa efa vonana @’izany ka dia andrasana ny an’ny hafa, io no tonga @ fitenenana hoe : HASEHOY RAHA MAHASAHY !!! FA AZA MANIMBA TARANAKA MILAZA FA TARANA-DRANAVALONA III NEFA TSY IZY AKORY !!!12/10/2009 à 12h47 #21279ambodiranoMembreEny tompoko efa andron’ny mangarahara sy ny fandrosona izao fa :
efa ho avy ny TEST ny ADN MITOCHONDRIAL izay manavaka ny TERA-BEHIVAVY ihany satria maro no azo angalana izany dia hipoitra amin’izay ny marina amin’izao taona 2009 izao !!!
ary aoka tsy hampizarazara antsika izay valiny hivoaka eo satria efa ara-tsiantifika io sa tsy izany é !
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.