Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 421 à 425 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21280
    Anonyme
    Inactif

    Mba mandinika ve ianareo hoe fa maninona no nirodana ny fanjakana nentin’ i Ranavalona III? Satria izy tsy légitime !

    Samy manana ny fomba fijeriny moa. Fa aminay dia efa tsy teo aminy intsony ilay hasina avy amin’Andriamanitra, toraka izany koa nanomboka tamin’ i Radama I ka hatramin’ i Ranavalona III.

    Efa very ilay hasina, satria nanambady any amin’ ny tsy tokony ho izy !

    Mikasika ny Andriana hafa: Normal izy ireo raha tsy manaraka ny tenin’Andrianampoinimerina l’usurpateur (dixit. Raombana). Tsy voafatotra amin’ ny tenin’ Andrianampoinimerina izy ireo ary Zo-any izany !

    Na Andrianampoinimerina aza tsy nanaja ny hafatra napetraky ny razambeny !

    Ary ny Andriana hono samy masina an-taniny !

    #21281
    Anonyme
    Inactif

    ary misy usurpateur ato zany looooollllllll
    mitady fanjakana lerony dia mamorona! vakio ny tantaran’ny andriana fa iny ihany ny fiable fa aza mandany fotoana mandeha @ zany site zany.
    Ny eto dia fiandikevitra fa ny base dia ny tantaran’ny andriana ihany.? Efa ao daholo ny valiny ka aza mi compliquer zavatra e

    #21282
    Anonyme
    Inactif

    Mahatsiaro ny resadresaka tetsy amin’ny serasera wanadoo fahiny aho.

    Tandremo ny Tantaran’ny Andriana. Inona no contexte nanoratana azy. Iza no nanoratra azy. Taiza ny informateurs , sns sns …

    Ny tetiarana amin’ny serasera. Aleoko ihany mitazan-davitra, fa ny an’ny havako ny mampatoky ahy. Sao dia misy kosa ary eto sahy manambara fa ny ao amin’ny aviavy no tena izy …

    Momban’ny Zanakandriana. Dia misy moa ny sahy manambara etsy ambony etsy fa ny zanakin’ny mpanjaka ihany no zanakandriana … tsss!!!! Mba mahaiza aloha tantara leiroa a!

    Dia mbola mitohy eto ihany ny fanamasinana ny taranaky Ratrimoarivony sy Razafindrahety. Hivereno kely ery anoloana ery fa efa nisy nanome chronologie mitombona ao. Ary fa naninona moa no nafenina ny zaza raha nisy, nefa taty aoriana voa fantatra fa hanjaka i Razafindrahety. I Razafindrahety anie ka niakatra taty an-drenivohitra nianatra e! Dia ahoana, tsy ho hita ve fa be vohoko rehefa miakatra’andapa saika isan’andro ?

    Farany. Mailo foana izahay amin’ireo mipoitra tampoko ho andriana, satria efa mifankalala daholo ihany, fa tsy vao izao akory no mivory ny fianakaviana andriana.

    #21284
    Anonyme
    Inactif

    Tsy ny Tantaran Andriana nosoratan i Mopera Callet mihitsy no tena reference. E izany izy hoe Mopera vazaha. Ny sources lazainy dia indraindray marina, indraindray diso. Koa mila havahana tsara ny marina sy ny diso ao.

    Mikasika an i Andrianampoinimerina L Usurpateur. Misy antony matoa Raombana saha milaza izany, ary saha nanoratra izany. Fa saingy resaka rapport de force io. Jereo koa ohatra ny mikasika ny tantaran i Napoleon.

    Ny coups d Etat dia nisy foana hatramin ny taloha ka mandraka ankehitriny, dia avy eo manamaritena hoe izao no hafatry ny razambe, na izao no sitrapon Andriamanitra, ary izahay no tena zanakandriana afaka manjaka, fa ianareo tsy afaka manjaka.

    Dia avy eo misy manao coups d Etat indray dia miova torak izay ny mpitondra fanjakana sy ny zanakandriana hatrany hatrany .

    Ohatra: Raha tsy maty Andriamananintany, ka nandimby an i Andriamanelo, tena hafa mihitsy ny taranaka atao hoe zanakandriana taty aoriana.

    Fa raha misy mpanjaka, lojika raha ny zanany no atao hoe zanakandriana. Rehefa tsy mahazaka fanjakana ny zanany dia lasa mifindra any amin ny hafa ny fanjakana. Ohatra: resy Andriampirokana dia lasan- Andrianjaka ny fanjakana tao Analamanga.

    Lojika be izany, fa izay matanjaka ihany no afaka mitondra fanjakana. Izay tsy matanjaka na nandefitra dia mikisaka.

    #21285
    Anonyme
    Inactif

    Miarahaba antsika rehetra eto indray e!

    tena mila fotoana mihitsy mamaky ny resaka eto fa sady mahaliana no mahakizitina no mampiomehy no mahagaga indraindray… Mafinaritra aloha e!
    Avy dia lazaiko aminareo fa izaho manoratra dia zafikelin’izy mirahavavy ao Antaninandro (fantatrareo hoe iza no tiako resahina satria izay no lasa fiantsoanareo azy eto) ary aza matahotra fa tonga any amindry zareo daholo ny hafatra e!
    Maro tokoa no miteny hoe ry zareo no « référence » raha resaka andriana (mandalo ao daholo izay te haheno tantara) nefa koa dia misy no tsy fantany an! (ohatra ny momba ny zanak’i Ranavalona III, zafikeliny aho ary miresaka momba izany izahay…)
    Tsy ry Bebe-nay akory no mitonon-tena ho « référence » fa ny olona izay mandalo ao… na koa ireo olona te ho havanay… Domazy fa raha azo novidiam-bola ilay maha-mpihavana dia efa milliardera zay e!

    Ny hany haiko dia ny hoe « andrian-dray andrian-dreny izahay » ho an’ireo zay milaza fa tsy misy intsony izany ankehitriny fa hoe efa tsy maintsy mifangaro hova… ntssss…
    Ny reniko no zanak’i Prim’ moa ny raiko dia Ramisarivo no anarany….

    Ka momba ny taranak’i Ranavalona III, efa hitako ihany ilay site familial an-dry zareo, fa dia vao haingana tokoa aho vao naheno ny fisiany. Fa ny somary manahirana aho dia ny fisian’ny fianakaviana hafa milaza ho taranany (misy mihitsy hoe Razanadrahety ny anaran’ny taranaka iray) ka asa hoe même branche ihany ve sa aona?

5 sujets de 421 à 425 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: