Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 426 à 430 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21286
    Anonyme
    Inactif

    Izaho manaiky fa rôle izy, fa tsy ny zafikeliny…, sao be zesta eo!

    #21289
    Anonyme
    Inactif

    Ny Tantaran’ny andriana, dia histoire orale natao écrit sao very. Fa ny tantara tsy miova fa ny marina ny ao @ Tantaran’ny andriana, satria ny vahoaka gasy sy ny andriana gasy ihany no nanaovana enquête etsy sy eroa dia nasaina nitantara ny tantara’ny andriana. Il va de soi fa nanaovana recoupage ny témoignage rehetra be dia be fa tsy nataotao foana akory izy ty, fa de manière scientifique. Au contraire, isaorana ilay vazaha nanao an’io rapport écrit satria ra tsy teo izy dia mety betsaka ny zavatra very @ tantarantsika andriana.

    #21295
    ambodirano
    Membre

    Mba mandinika ve ianareo hoe fa maninona no nirodana ny fanjakana nentin’ i Ranavalona III? Satria izy tsy légitime !

    Samy manana ny fomba fijeriny moa. Fa aminay dia efa tsy teo aminy intsony ilay hasina avy amin’Andriamanitra, toraka izany koa nanomboka tamin’ i Radama I ka hatramin’ i Ranavalona III.

    Efa very ilay hasina, satria nanambady any amin’ ny tsy tokony ho izy !

    Mikasika ny Andriana hafa: Normal izy ireo raha tsy manaraka ny tenin’Andrianampoinimerina l’usurpateur (dixit. Raombana). Tsy voafatotra amin’ ny tenin’ Andrianampoinimerina izy ireo ary Zo-any izany !

    Na Andrianampoinimerina aza tsy nanaja ny hafatra napetraky ny razambeny !

    Ary ny Andriana hono samy masina an-taniny !

    Fomba fijery hafa ny anareo izany ary tena hajaina amin’ny maha-hafa azy. Misy mametraka izany zao hoe usurpateur Andrianampoinimerina , azo atao hoe hafa-kely izany fa mbola ho velabelariko amin’ny manaraka.

    Ny mba fantatro dia Andriantsimitoviaminandriandrazaka Mpanjakan’AMBOHIMANGA no naka an’ ANDRIAMBELOMASINA zana-dRANGORINIMERINA handova Fanjakana dia satria fantany fa izy no mitondra ny Hasina fa tsy ny zanaka naterany RAFONDRAZAKA izay « TSY DYNASTE » ny reniny . Ary io RAFONDRAZAKA io no Dadaben’ny Dadaben’n-dRAOMBANA Historien ary zafindohalin’ity farany indray ny olo-malaza maro amin’izao androntsika izao. Izay no tantara dia samy mandray izay andraisany azy fa ny FANDOVAM-PANJAKANA dia miankina amin’ny renin’ny ZANAKANDRIANA é ! Jereo ANDRIANJAKA nanjaka na dia ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA aza no Zokiny.

    #21296
    Anonyme
    Inactif

    Ho an’ ilay namana manoratra io, efa namaky ny tantaran’ny andriana tokoa ve ianao ? Hitanao ve ily edition voalohany nivoaka ? Fantatrao ve inona no tao izay nesorina taty aoriana ? Fantatrao ve iza no tena mpanome tantara an’i Callet ? Fantatrao ve ireo foko roa izay tena nangalany tantara ? Fantatrao ve fa nanahirana ny famoahana an’iny boky iny satria sarotiny i Praiministra ?
    Namaky boky hafa sahala amin’ny an-dry Razafintsalama, Rainandriamanpandry, Rainitovo, Raombana … ve ianao ? efa nampitaha tamin’ny tantaram-pianakaviana ve ianao ?

    Marina fa zava-dehibe no vitan’i mompera Callet, fa aza atao ho boky fiondanana loatra, satria raha 70% no marina ohatra ao, ka 30% no diso, dia ohatrin’ny te hiteny foana fa 100% no marina.

    Ny zanakandriana : fa mpanjaka angaha moa ny ray na ny renin’i Ramonjamanana , Ramahatrarivo, Ramboasalama … zanakandriana ? Maro mpianadahy ry zareo, fa efatra ihany no voafidy ho zanakandriana. Hoy aho hoe voafidy ho zanakandriana. Fa nahoana no tonga dia tenenina fa tsy maintsy zanakin’ny mpanjaka ny zanakandriana ?

    Izay no izy ry zoky sy zandry isany, fa mba lanjalanjao ny resaka avoaka eto.

    #21297
    Anonyme
    Inactif

    Koa izany tokoa no mahatonga an’ ilay hoe izay manjaka dia misafidy izay tiany handimby azy, na zanany naterany na tsy zanany. Azy ny fanjakana dia manao izay tiany izy.

    Saingy rehefa misy hafa matanjaka noho izy dia mikisaka aloha ny zanak’andriana teo aloha, fa misy atao hoe zanakandriana vaovao indray ao anatin’ ny samy andriana, ary vonoina mihitsy aza ireo zanakandriana teo aloha, sao mitady hahazo fanjakana.

    Izay matanjaka ihany no afaka mitondra. Mifampialona, mifamingana, mifamono, raha vao resaka fitondrana: Izany no tena tantara rehefa jerena akaiky amin’ ny antsipirihany !

5 sujets de 426 à 430 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: