Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
15/10/2009 à 19h44 #21299AnonymeInactif
Raha maka ohatra amin’ireo tera-dRaombana ireo isika dia ireo taranany sasany no tena ohatra velona amin’ny fomban’Andriana, branche iray izy dia tera-dRaombana, fa razany avokoa ireto manaraka ireto satria nifanambady taminy isaky ny génération : mifampiditra amin’Ambohimalaza, amin’ny terak’Andrianampoinimerina @ rantsana maro dia maro, amin’ny tera-dRamboasalama, amin’ny tera-dRasoarandrana, amin’ny terak’Andriantsoanandriana, amin’ny terak’Andriankotonavalona, amin’ny tera-dRanavalokoandriamanitra, amin’ny tera-dRatavanandriana, amin’ny tera-dRamisamanjaka, amin’ny terak’Andrianamboatsimarofy, amin’ny terak’Andriamohara, tsy ory razana ho tanisaina, tsy ory fihavanana amin’ny samy andriana, tsy ory vodivon-kianfenana ny tena andriana.
15/10/2009 à 20h20 #21300AnonymeInactifFomba fijerin’i Raombana tokoa io resaka usupateur io. Hoy izy hoe, tokony anay io, satria ny razanay no zanakin’ny mpanjaka. Zanakandriana tokoa Rafondrazaka, fa somary diso kely ny « duc » d’Anosy amin’ ny fomba fijeriny.
Ela tany am-pita, ka nieritreritra fa tsy maintsy ny zanaka lahy toy ny fanjakana europeanina ny mpandova ny fanjakana. Indrisy fa tsy nitovy tamin’ izany ny fanjakana merina.
Ka zanak’anabavy tompon’ ny hasina sy ny hafatra navelan’ Andriamasinavalona no nomena ny fanjakana, dia tsy iza izany fa Rakotomavo tera-dRangorinimerina. Na zanak’ Andriatsimitoviaminandriana aza Rafondrazaka, dia tsy nomena fanjakana.
Matanjaka ny avy ao Anosy, akaikin’ny mpanjaka foana, nahazo voninahitra isan-karazany, nifampiditra amin’ny fianakaviana Zanakandrianan sy Zazamarolahy, nefa tsy natao ho tompom-panjakana mihintsy.15/10/2009 à 20h22 #21301AnonymeInactifFANAMBARANA :
Ny tena ADY LEHIBE sy GOAVANA any MADAGASIKARA, hatramin’izay ka hatramin’izao, dia eto amin’ireto MPIFANANDRINA roa ireto ihany:
1) NY FIHAONAMBEN’ NY AMPANJAKA SY NY AN.DRIA.NA MANERANA an’ i MADAGASIKARA, miaraka amin’ ny Malagasy Tia Tanindrazana maro an’isa rehetra, any Madagasikara sy any ampitan-dranomasina, ny Mpanaja ny SOATOAVINA sy ny KOLOTSAINA MALAGASY, ny Mpiaro ny FIANDRIANAM-PIRENEN’ i MADAGASIKARA rehetra, ny Mpiaro NY FANJAKAN’ I MADAGASIKARA rehetra mba tsy ho hitsakitsahan’ ny vahiny,
2) NY FARATAY, mbola miezaka ny tia hanjanaka indray an’ i Madagasikara, miaraka amin ‘ ny PADESM MPAMADIKA TANINDRAZANA, ny mpandala ny REPOBLIKANA FAHA-EFATRA izay endrika fanjanahantany vaovao, ny FRANC MA-CONS ao amin’ Grand Orient de France izay mpibaiko ireo mpamadika tanindrazana any Dago, SARKOZY sy ny Ekipa FRANCAFRIQUE ao amin’ ny Elysée, NY MOUVANCES POLITIQUES PRO-FARATAY rehetra…
Hanantena indray ny FARATAY fa mbola handresy, kanefa EFA VOASORATRA mialoha, fa na inona ho hataony, na inona vola ho laniany, na inona tetika maizina hampiasaina, dia ho vita hatreo ny amin’ ny FARATAY, satria efa VOAHOZINA i FARATAY !
26 JONA 2010: HO VOAROKA ANY MADAGASIKARA IZAY REHETRA NANAO RATSY TAMIN’ IO TANINDRAZANA IO !
TSY MAINTSY MANDRESY NY FIHAONAMBEN’ NY AMPANJAKA SY NY AN.DRIA.NA, miaraka amin’Andriamanitra Andriananahary, Zanahary Mpanao ny Lanitra sy ny Tany, miaraka amin’ ny Vahoaka Malagasy Tia Tanindrazana rehetra izay maro an’isa, any Dago sy manerana ny tany !!!
MASINA NY TANINDRAZANA !
15/10/2009 à 20h25 #21302AnonymeInactifAndrianampoinimerina, le plus grand roi de Madagascar !
16/10/2009 à 8h54 #21304AnonymeInactifAndrianampoinimerina, le plus grand usurpateur, conquerant, despote de Madagascar
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.