Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
18/10/2009 à 21h24 #21326AnonymeInactif
tu as lu les 579 messages de ce sujet pour affirmer une telle connerie? mba misaina kely vao miteny oooooo
19/10/2009 à 11h06 #21328AnonymeInactifHay ve mba misy olona mandinika tantara ihany eto, fa tsy omam-potsiny izay atsipy ny hafa. Maha-tohina ny fo tokoa ilay tenenin’ilay namana ery anoloana ery mikasika ny nataon’i gallieni, nefa akory atao raha izany no tena nitranga ?
Nanao « pacification sy unification » tokoa i Andrianampoinimerina, fa ny Imerina enin-toko, ny Sihanaka, ny Bezanozano ary ny Betsileo ihany no voavory ho eo ambanin’ny fahefany. Pacification tokoa, satria natao an-kery ny Sihanaka sy ny fanjakana Betsileo sasany.
Nanohy ny « pacification sy unification » i Radama rainy. Marina va voatety daholo ireo tanan-dehibe manerana ny morontsiraka, marina fa nametrahana fitondram-panjakana merina daholo ireo seranana, kanefa tsy voafehy daholo akory i Madagasikara manontolo, fa mbola teo ireo fanjakana antakarana sy sakalava vitsivitsy tsy nanaiky ny fitondrana. Nefa « pacification » an-keriny tokoa no nanaovan’i Radama rainy azy miaraka amin’ireo vahiny angalisy sy frantsay manamboninahitra. Radama rainy nisonia ho mpanjakan’i Madagasikara, fa na ny angalisy namela azy anao an’izany aza nahafantatra tsara fa tsy azy irery i Madagasikara fa mbola fikasana, tsy tanteraka mandrapahafatiny.
Na i Mavo , RakotondRadama, Rasoherina, Ramoma na Razafindrahety tsy nahavita nanao an’i Madagasikara ho iray. Mbola tsy nisy izany hoe fitondran’ny fanjaka matanjaka iray teto Madagasikara, na sakalava na merina ka nahavita nahafehy ny nosy iray manontolo. Avadibadiho daholo ny boky izay azo jerena ho an’izay mpankafihy, aniontanio ireo havana zokiolona ho an’ireo tsy te hamaky boky, fa tsy hisy hiteny anareo fa efa iray tsy mivaky i madagasikara alohan’ny nahatongavan’ ny mpanjanaka.
Hoy i Gallieni taty aoriana : « Diviser pour régner ». Dia izay tokoa no tena tsaroan’i Babay sy Lohavohitra isany. Fa tsy hitanareo tokoa angaha fa iray ihany ny fanjakana tamin’ny androny ? voavoriny i madagasikara iray manontolo teo ambanin’ny fahefany. Iray ihany ny fomba fiteny iarahan’ny rehetra, dia ny frantsay izany. Mbola betsaka ny azo ambara mikasika izany, fa ny azo lazaina dia nanofinofy ny hamory an’i Madagasikara iray manontolo Nampoina satria ny ranomasina hono no valam-parihany. Notohizan-dRadama tokoa izany , kanefa na tiana na tsy tiana, dia hita mibaribary be fa tsy ny taranak’i Nampoina no nahavita ny famoriana, fa vazaha mpanjanaka.
Mankarary fo ô ? nefa izany no izy. Sanatria hanompo an’i Gallieni, na hiaraka amin’ireo mpanjanaka an-kolaka ankehitriny, fa rehefa te hamakafaka ny tantara dia jereo hatramin’ny farany fa aza hajanona eo amin’ny izay tiana fotsiny. Raiso ho hanatra koa izany rehetra izany, fa fotoana hampijorona an’i Madagasikara indray ankehitriny, ka tandremana tsara fa sao dia ireo atosiky ny mpanjanaka taloha ihany no handray ny fitondrana ka hiverina ho 14 juillet indray ny fetim-pirenena.
19/10/2009 à 11h45 #21329AnonymeInactifC’est pourtant le cas. Andrianampoinimerina a unifié l’île de Madagascar. Son fils Radama II a ensuite finalisé son oeuvre. Grandiose il faut le dire, avec 18 ethnies et une île aussi grande. Moi je dis, respect au roi Andrianampoinimerina ! Sa tsy zany ry zalahy ?
Ivereno ifotorana tsara aloha ny tantaran’ny Nosy iray manontolo fa aza variana manompo tantaran-drazana fotsiny. misy manko foko tsy nahalala mihitsy izany Andrianampoinimerina sy Radama ary Ranavalona izany. ohatra amin’izany ny amin’iny Plateu mahafaly iny any amin’ny Sud-ouest. misy Mahafaly any, Masikoro, Vezo, Antandroy… dia sahinareo ve no miteny fa tsy Malagasy izy ireny satria tsy nahalala na anarana fotsiny aza ny mpanjaka merina. izany fijerinareo izany no atao hoe « ethnocentriste ».
19/10/2009 à 11h47 #21330AnonymeInactifloza leheretsy!! hoy tokoa mantsy Radama rainy raha vao niamboho Nampoina ka tsy mety hanaiky ny fitondran’ny ambaniandro Andriamanalina tany betsileo » Raha tsy nahafantatra an’ikaky izy dia ahafantatra ahy kosa »…hehehe!!! hoavy @izay ary ilay force mahery vaika fa hanimba? indrisy anefa fa hay Betsileo sy Bezanozano ary ny tapany avaratr’Imerina (sihanaka) no hany voavorin-drainy ary ny antesaka sy ny bara ary ny foko tanala sy ny sasany @ sud est , indrindra fa ny zafinifotsy sy zafinimena tany avaratra tsy azonao natao an’izany…tsy hita e! lazao izay marina dia milamina, anjaran-tsika aty aoriana no manamboatra izay tsy mety hiverenan’ny hasin’ny ambanilanitra indray
19/10/2009 à 18h05 #21334AnonymeInactifMarina fa fikasàna fotsiny ny an’ i Andrianampoinimerina l’Usurpateur ny hampiray an’ i Madagasikara fa tsy vitany.
Radama 1er l’Usurpateur ihany kosa dia tena nahavita nanakambana an’ i Madagasikara manontolo, tamin’ ny fampiasana hery sy ny famonoana ary ny hafetsifetsena (Misy tantara mikasika izany hatrany amin’ ny Mahafaly) !
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.