Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
23/10/2009 à 10h40 #21356AnonymeInactif
Efa henoko hatry ny ela koa io resaka tany @ Andrianamboninolona io, tafaresaka tamiko ela ireo olona ireo ary nampiseho sary sy ny tetiarana, fa izy kosa nilaza hoe tsy ilaina akory ny miady hevitra amin’izany fa efa Andriana izy, ary tsy miady laharana @izany. Ity honohono ity dia efa tany @ début du siècle fa tsy vao izao akory. Ny fahamarinany? Asa! Ny hany azoko ambara dia Andriana izy ary tsy mitady n’inoninona.
T@ namerenana an-dRanavalona III t@ 1938, ny havany akaiky nekena sy nantsoina dia ry Razoary teny Merinarivo avy amin-drainy, ny tera-dRatsimamanga avy amin-dreniny. Mijanona @izay ny reconaissance an’ny rehetra.
Tahaka ny naneken’ny nanorina ny MDRM rehetra fa Dr Rafaralahy no havana akaiky indrindra ny Mpanjaka farany (ao @ laharan’ny zanakandriana mpandova) ka nitadiavany azy hiahy azy , Rakoto Ratsimamanga no nitantara io, saingy tsy nanaiky ny printsy satria voara-maso izy. Ilay iraka amerikana niresaka t@ rakoto koa nilaza fa nahalala tsara ny rohim-pihavanana @ mpanjaka.Objectivité historique izany, fandrao hisy hirehareha ridicule indray eto na harary fo satria tsy mi-reconnaitre ny azy. Tsy misy zavatra azo forcer-na akory fa be dia be ny indicen’ny tantara. D’ailleurs resaka momba ilay personnage t@izany ny ahy fa tsy miditra @ olona contemporain, mbola resaka hafa indray iny.
24/10/2009 à 9h54 #21357AnonymeInactifKa raha izany ny teraka Ravoninoro ihany ve ilay milaza hoe Andrianamboninolona sa olona hafa mihitsy? Misy fianakaviana fantatro izay manko milaza fa taranak’ Razafindrahety ary milaza hoe Andrianamboninolona ry zareo. Tsy aiko anefa na teraka Ravoninoro ihany ry zareo na avy @ iza fa tsy dia hainy loatra koa moa ny fihaviany afatsy ny hoe taranak’Razafindrahety.
Fantatro fa ny tera-dRatsimamanga no anisan’ny havana akaiky indrindra an Ranavalona III reconnu, fa na izany aza mba misy @ izy ireo ny mba te ahafantatra ny marina sy ireo izay hoe fianakaviany ihany koa izany… (satria mety hoe olona mifankafantatra nefa tsy mahay fa mpihavana)…
24/10/2009 à 18h21 #21360AnonymeInactifOlona hafa ireo, hafa koa ireo @ tera-dRakalobe milaza koa fa tarana-dRanavalona III sy manana porofo tsy azo ivalozana.
Inona ohatra? Asa, taratasin’ny Mpanjaka? sa …?25/10/2009 à 14h13 #21362AnonymeInactifNy nahatonga ny hoe tsy tokony hiteraka ny mpanjaka vavy dia noho ilay mésalliance forcée.
efa bevohohan dRainilaiarivony i Ranavalona III fa noesoriny na dia nanakana aza ny « mpitaiza Andriana ».Io no tena filaza ny toerandRainilaiarivony fa tsy hoe Vady velively na dia natao aza ny « raharaha ».
Torak’izany koa ny momban’ireo vadiny teo aloha, satria ireo Missionnaires no nandidy an-kolaka an’izany hialana @ tokantrano maso hono.
Forme de soumission via la religion io,ary teo koa ny avantages e.
nisy boky novakiako momban’io….TSY NASIAM-BODIONDRY anefa ny fanambadiana 3…..Ataoko fa hazava aminao ny manaraka.
Niteraka dia niteraka tokoa i Ranavalona III talohan’ny nanjakany fa nafenina ny ankizy satria notetehandRainilaiarivony ho vonoina .
Nanantena ny hiteraka @ mpanjaka mantsy izy ary hampanjaka ny azy avy eo.26/10/2009 à 9h27 #21363AnonymeInactifAdihevitra vaovao no tiako mba andraisantsika mahalala tsara ny tantara anjara. Nisy mpampianatra anay izay tamin’ny Terminal, Andriatompokoindrindra izy io ary nilaza nandritra ny cours génétique natao fa « Hovalahy niakatra fanjakana ANdrianampoinimerina ». Gaga aho tamin’izany ary taty aoriana dia nisy mbola nilaza fa misy ny andriana tsy manaiky azy ho andriana. Ahoana ny marina ny amin’io?
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.