Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 466 à 470 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21364
    Anonyme
    Inactif

    Ary hono hoy aho, ny printsy Ratsimamanga zany dia nahafantatra ny fisian’io zanaky Razafindrahety io koa raha ny tokony ho izy kanefa dia tena nahatana ny tsiambara-telo mihitsy ve? Satria na Razafindrazaka vadiny, izay rahavavy ara-mpanambadian’Razafindrahety (t@ Ratrimoarivony) koa aza dia tsy mba nilaza an’izany… Ka dia tena nahatana vava tokoa zany ry zareo!!!

    Ary ho an’i Invité eo ambony io> Iza indray re zany teradRakalobe milaza ho tarana-dRanavalona III izany e? loll… toa lasa mampiomehy… Koa na ry zareo mianakavy aza toa samy miady ao koa!

    #21365
    Anonyme
    Inactif

    Voatazona mafy kosa izany ilay « secret » koa. Pasteur Andriambelo izany no nanamasina ny fanambadian’ i Razafindrahety sy Ratrimoarivony tao Anatirova tamin’ny 24 aprily 1879. 21 taona latsaka kely Ratrimoarivony ary 18 taona latsaka roa volana Razafindrahety. Nankatoavin’ny mpanjaka Ranavaona II fatratra izany satria zanakandriana zanak’olo-mpianadahy no nifanambady, Razafindrahety mantsy noraisiny ho zanany mihintsy. Zanakandriana hoy aho, satria misy fiantraikany izany tamin’ny fiainana andavan’andro. Indro kely ange nony tsy netinety Ratrimoarivony : « ndeha ampandreneso ny ao an-dRova fa tsy afaka ho any aho ». Fomba fampisehoana fotsiny izany fa tsy maintsy miakatra an-drova saika isan’andro ny zanakandriana.

    1 – dia voafina tsara kosa izany ny kibon-dRazafindrahety koa. Tsy nisy nahatsikaritra ny tao an-dRova.

    2 – Voatahiry tsara kosa izany ny « secret » fahaterahan’ilay zazakely. Raha tsy mahatadidy ny avy any amin’i Razafindrahety, toa mety hahagaga ihany satria mbola misy velona mahatadidy ny tantara tatsy sy teroa manandidina ny Rova …

    3 – Ary fa nahaoana no tsy nisy nahatadidy ny taranakin’ny mpianadahy amin-dRatrimoarivony ? Ny teraky Ramahatra, Rasoarandrana …

    Asa, mampieritraritra ihany izany ka!

    #21366
    ambodirano
    Membre

    Ary hono hoy aho, ny printsy Ratsimamanga zany dia nahafantatra ny fisian’io zanaky Razafindrahety io koa raha ny tokony ho izy kanefa dia tena nahatana ny tsiambara-telo mihitsy ve? Satria na Razafindrazaka vadiny, izay rahavavy ara-mpanambadian’Razafindrahety (t@ Ratrimoarivony) koa aza dia tsy mba nilaza an’izany… Ka dia tena nahatana vava tokoa zany ry zareo!!!

    Ary ho an’i Invité eo ambony io> Iza indray re zany teradRakalobe milaza ho tarana-dRanavalona III izany e? loll… toa lasa mampiomehy… Koa na ry zareo mianakavy aza toa samy miady ao koa!

    Io ange ‘lay nolazaiko hoe misy ny « Secrets de famille » fa ny ao anatin’ny fianakaviana aza zany tsy au courant é !!!

    Ry zareo teraka Rakalobe indray dia tera-behivavy mihitsy hoy ny Firaketana , candidate t@ 1883 koa fa ho ‘zy hono Rainilaiarivony hoe « sady efa be taona no maro anaka » dia tsy nekeny hay izy efa mitetika ‘lay candidate hafa vao 21 taona. Fa nony avy eo izy nijalijaly @’ny hasarotam-piaro satria efa ho 34 taona ny elanelan’izy sy ny Mpanjakavavy !

    #21367
    ambodirano
    Membre

    Voatazona mafy kosa izany ilay « secret » koa. Pasteur Andriambelo izany no nanamasina ny fanambadian’ i Razafindrahety sy Ratrimoarivony tao Anatirova tamin’ny 24 aprily 1879. 21 taona latsaka kely Ratrimoarivony ary 18 taona latsaka roa volana Razafindrahety. …

    Izay ange hoy aho ‘lay hoe « Secrets de famille » na koa hoe ifanarahana fa tsy misy mamoaka azy mihitsy raha ny atin’ny Fianakaviana ankehitriny aza tsy mahalala !!!

    Raha ny fitadidiako azy dia Septembre 1879 ‘lay mariazy ary ny Printsy Ramahatra no teraka 1858 kah Ratrimoarivony mbola zandriny nanaraka azy !

    #21368
    ambodirano
    Membre

    Miarahaba anao WELIE eto amin’ity serasera ity. Nisy resakao zay teto hoe mahafinaritra ny tafatafa atao eto fa mahakizitina kosa indraindray zay. Asa inona izay fa vinavinaiko ihany hoe ny ataon’ny sasany miendrika tsy fanajana sy famingavingana olona na fianakaviana sasany tononony manokana mihitsy eto. Ary izy ireo mazana dia tsy mba manankolazaina afa-tsy fehezan-teny iray na vitsy fa mandrangitra olona fotsiny. Ny sasany indray mizahozaho sy mirehareha tena ilay hoe « arrogant ». Raha amiko dia tsy mendrika hovaliana akory ireny eto fa fandanianandro fotsiny izany.

    Fa ianao kosa aloha dia hita hoe andriana « tsara taiza » hafa ihany fa tsy ohatry ny sasany sady manana humour raha ny cookies be dia be apetakao eto. Raha raisina , ohatra , ireo olona mihambo hoe havanareo teto dia efa naha-milliardera tokoa raha henoina ny angano angano arira arira no-post-ny teto. Anefa angamba izy mirahavavy Bebenareo mbola tsy hitako nisehoseho izany, izaho manokana mbola tsy nahita azy koa, fa ilay olona eto dia milaza izay tiany daholo. Ary zavatra iray koa, hita mihitsy ianao amin’ny sary hoe manahaka ny arrière-grand-mère-nao sy ny Beben’ny ireo Bebenao ireo izay lazain’ny boky hatramin’izao hoe « les deux plus belles princesses de leur temps ». Tsy hoe toraka-voninkazo fotsiny izany angamba fa ny « génétique » ange ho ‘aho tsy mandiso mihitsy é !! Ny Internet no nahitako izany fa tsy hoe taiza akory an …

5 sujets de 466 à 470 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: