Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 471 à 475 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21369
    ambodirano
    Membre

    (tohiny)

    Raha momba ny resaka taranaka Razafindrahety no resahina dia misy ny tsy mino , misy kosa ny mino ary izaho dia anisany. Ary ny avy amin-dRavoninoro no misy fantatro ary ny vitsy fantatro amin’ireo taranaka ireo aloha dia « tsy mivaky loha amin’izay mpandova Fanjakana sy izay reconnaissance izany » rizareo fa Fikambanam-pianakaviana tsotra hono ny azy ary tsy mba miditra amin’ireny fikambanana hafa ireny raha jerenareo tokoa. Fa raha miditra @n’ny tetiaram-pianakaviany ianao ao @n’ilay site dia misy karazan’olona maro ao : mpihira fanta-daza , mpitsabo , mpampianatra koa mety misy fantatrao. Dia tonga dia hita ao koa rizareo eny @n’ny Andrianamboninolona izany raha teraky ny ao.

    Misy koa manko ilay hoe tera-dRazafindrafara sy Ramisarivo eny Ambodisiarivo (???) izany koa dia taranaka Razafindrahety hoy ny « Hasin’Alasora » teto ka asa raha misy fifandraisana @nareo fa ny anarana moa tanimboanjo. Toy izany ohatra misy Ratsimamanga (izay tsy niteraka izy) sy Rahety ary Razafindrahety ny andriamasinavalon’Anosipatrana hoy ny Firaketana anefa toa tsy misy ifandraisany @n’ ireo teraky ny Andriambavy Rahety ao Ambohipiara vodivonan’ny Printsy. Ka asa fa ny anarana moa mety mitovy daholo !

    (mbola HITOHY)

    #21370
    ambodirano
    Membre

    (tohiny sady farany)

    Farany tiako ho resahina ireo lafinkavan’ny Mpanjaka izay nanatrika ny famindrana sy fanafenana ny Masina t@n’ny Alatsinainy 31 Oktobra 1938. Diso fantatry ny fianakavian’ny Printsy Ratsimamanga loatra izany satria na ny Princesse Razafindrazaka aza mbola velona t@n’izay hoy ny tantara sa tsy izany ? Ary nanatrika teo niaraka amin’izy mirahavavy Princesses ao Antaninandro ankehitriny. Ireo no Havana akaiky reconnus t@n’izany.
    Marina ny nolazain’ny Ranamana iray teto hoe teo koa ny avy @n’ny lafin-drain’ny Mpanjaka dia Razohary Merinarivo Amoronkay. Misy sary nalain-dRazafitrimo sy Schaffner Mpaka sary t@n’izany fa tsy teo tokoa Ramatoa Ravoninoro izay 1947 vao nodimandry. Ny antony angamba, eritreritro manokana izany aloha, dia niafina mafy izy satria mbola colonie ny tany, izy anefa eto no nipetraka sady taranaka mivantana ary porofon’izany Razohary sy Razanabelo mianaka nanampy ny Mpitolona t@n’ny 1947 tao Merinarivo dia nataon’ny mpanjanaka sesin-tany tany La Réunion sy Frantsa koa nanomboka teo. Ary Razohary dia mbola velona any fa asa ny reniny Razanabelo izao raha mbola ao fa teo izy t@n’ny 2003 , nivoaka an-gazety izany t@n’ilay fitsofany rano ny zafikeliny Rabarisoa Hortense Mme Christopher. Rizareo izany ny fahazoko azy dia zafin’ny Princesse Rasendranoro koa fa avy @’ny Prince Rakotomena Ramatoa Razanabelo. Ary tamin’io vanin’andro 1938 io dia nangataka t@ fanjakana hono Razohary ny ahazony manorina indray fasan’andriana lehibe satria efa noravan’ny commandant Dagniaux ny fasany teo aloha sy ny tranony t@ nidiran’ny vazaha voalohany teto ( taratasy fangatahana nosoratandRtoa Razohary ho an’ny gouverneur Cayla t@ 28 Novambra 1938 miaraka @n’ny tetiarany, « Sociétés et Luttes anticoloniales à Madagascar 1896-1946, Solofo RANDRIANJA, pejy 113).
    Ka raha olona te-hiaina malalaka eto antanindrazany sady maro anaka no mananon-tena t@n’izany dia tsy handeha hisehoseho raha ny hevitro aloha, indrindra raha zanaka vavin’ny Mpanjakavavy izay tsy navelan’ny mpanjanaka nadingana teto intsony na dia nangataka izany mandra-pialany aina aza izy avy any Alger. Fa dia « calcul politique »-ny colonie fotsiny no namerenana ny Masina teto t@n’io 1938 io satria efa tsinjony fa ho avy indray ny 2è guerre mondiale dia ilaina indray ny vatan-dehilahy Malagasy atao sorona hiady @n’ny fahavalon-drizareo. Izao aza moa asa raha sahin’ny sasany tsy matahotody nafindra avy tao Anatirova ny Masina , mbola tantara hafa koa izany nefa actualité daholo. Hevitro manokana izany fa ny tompony no mahalala hoe inona no antony marina niafenan-dRamatoa Ravoninoro fa mety mbola hivoaka daholo ny tena marina indray andro any.

    #21371
    Anonyme
    Inactif

    Ambodirano> ary taiza hono no nahitanao izato sariko?
    Efa nanontany andry Bebenay momba ny taranaky Razafindrahety aho fa tsy dia mahafantatra loatra ry zareo. Naheno nefa ry zareo nilazandRazafindrazaka fa hoe nisy zaza nafenina teny @ Andrianambonnolona nefa moa honohono ihany koa no henondRazafindrazaka… Mais bon, mety misy hieritreritra hoe « tsy mino ny fisian’ny taranaky Ranavalona III izahay satria te hijanona ho tompon-toerana @maha havana akaiky » (izay ridicule be) nefa … raha mahafantatra tsara andry Bebenay ianao dia hainao fa refa havana dia raisina am-pifaliana foana… … ary mba te ahafanatatra koa aho raha toa ka mety hoe misy olona fantatro saingy tsy haiko hoe havana…

    Ny momban’ilay Ramisarivo avy eny Ambodisarivo indray dia tena tsy aiko aloha… Izahay (avy @raiko izany) dia avy @ Ramisarivo (t@ vadiny faharoa donc eny Ambatomanoina mba tsy hifandirana @ « havanay akaiky » eny Anosiarivo )…
    Tarana-dRakalobe ny tena saingy tsy milaza hoe tarana-dRanavalona III aloha e! azoko an-tsaina hoe mety iza indray zany olona izany zao…

    #21372
    Anonyme
    Inactif

    Ahoana ohatra no ilazana fa babakoto ny prentention iray fa marina ny an’iray? Raha tena objectif isika? Izay mahay mikabary ve no ho mpandresy? Sa miankina @ fitiavana na tsy fitiavana ilay olona?
    Asa, mbola miandry ny preuve irréfutable aho, fa raha misy izany dia hanohana azy objectivement aho.
    Raha toa ka hilaza izy hoe te ho havany aho dia izay angaha no hajanoko, satria tsy mila ny vodivonany aho, fa ny ahy aza tsy laniko. Mahabe dépense sy mahabe raharaha anie ny mi-assumer fihavanana @ samy andriana e!

    Mba hilaza kosa hamaranana azy fa tsy marina ny ilazana fa tahaka ny zana-dRanavalona II Razafindrahety, Ramatoa Razafindrazaka no tena tahaka ny zana-dRanavalona, ineny no fiantsony ny mpanjaka, ary tsy mba nahalala izy hoe tsy niteraka azy ny mpanjaka raha tsy efa lehibe izy.
    Raha miaiky aho ohatra fa Rafaralahy dia havana akaiky indrindra ny mpanjaka farany, dia sahiko kosa ny milaza fa tsy Razafindrahety no akaikiy indrindra an-dRanavalona II, fa sitrapon-dRainilaiarivony izany.

    #21373
    Anonyme
    Inactif

    Miharihary fa misy miaina ao anatin’ny tahotry ny hamoaka information, kanefa mahatsiaro voantohina dia te -hi-réagir. Misy dilemme ngezabe izany.

    Io notion ana fihavanana io koa dia sophistiqué ho an’ny Malagasy satria midika ho admission au sein d’un cercle io na tsia, ka indraindray ny havana akaiky tsy hifandraisana loatra fa ny lavidavitra no toa tena akaiky, tsy tiako ho détailller-na fa miankina @ système de valeur an’ny fianakaviana sy ny alliance matrimoniale io raha resaka andriana no resahina. Izany no nahatonga ny fifananganana na ny fifanambadiana mahatonga fifanatonam-pihavanana, fa manalavitra kosa izay nivoaka azafady fa hevitra sosiolojika andriana no resahiko.

    De tout temps, il y a eu des prétentions, des usurpations, des histoires cachées, et aussi des réactions de protection, de préservation, de conservation. C’est tout à fait normal, quand les idées se heurtent et qu’on veut imposer une idée , on veut mutuellement se décrédibiliser pour contrer une idée.

    Arakaraky ny position misy ny tena no andraisana ho agression ny resaky ny hafa fa amiko rehefa tsy nanompa mivantana dia tsy agression. Heverin’ny andaniny ho agression sy manindry ny réaction de protection sy ny mi-s’affirmer ataon’ny ankilany , fa tena agression ho an’ny ankilany koa izay heveriny ho tentative de détournement d’histoire ataon’ny andaniny.
    Samy mahatsiro tena ho voadona any @ maha-sensible azy, ka aza atao mahataitra izany, fa jeu de rôle io.

    En bref samy miaro ny rambony tsy ho tapaka, fa izao kosa aloha e jusqu’à l’existence d’une preuve irrefutable, une prétention est une usurpation.
    Misy izay règle de jeu izay, raha tsy izany tsy ilaina intsony ny mianatra tantara fa lasa géométrie variable izy io.

5 sujets de 471 à 475 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: