Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
28/10/2009 à 13h08 #21386AnonymeInactif
dia tsy haiko intsony rangahy marina fa dia samy mitantara izay tandrify azy moa ka dia…izay zany
28/10/2009 à 15h54 #21388ambodiranoMembreMbola kely Razafindrazaka raha nodimandry Raseheno, rehefa nilalao ny ankizy dia nitomany Razafindrazaka nody tany @ Ramoma, satria nolazain’ny ankizy fa tsy Ramoma no reniny niteraka azy.
Raha azonareo tsara izay dia tokony ho azonareo hoe naninona no noroitina hiala t@ zanak’Ambatomanoina Razafindrazaka fa nampidirina t@ rain’Andriana
–> Satria ny rain’Andriana no nipoirandRazafindrazaka fa tsy ny reniny raha ny tena izy zany hoe RAZAKA-RATRIMO no raindRAMOMA efa niteraka andRafaravaviRatsivery tamin-dRanoko vao nanambady andRafarasoa Ramasindrazana. Ary andRafaravaviRatsivery no renin-dRaseheno taizandRamoma izay renindRazafindrazaka.. ouf !!! sa tsy izay moa ?
ary maninona no atao hoe havana akaikin’ny manjaka farany Rafaralahy, tsy noho ny rainy na ny reniny fa izy mivady mitambatra, satria Razafindrazaka no tena zana-dRamoma. Ka zaza mpandimby azy mpanjaka roa mifanaraka Rafaralahy satria tsy feno ny legitimité an-dRanavalona III.
Mbola ampiako aza hoe ny naha-dernier prince royal an-dRafaralahy dia koa noho ny alliance matrimonial-ny , nanambady ny zanaky ny lehiben’ny zazamarolahy, fa tsy ny vatatenany akory dia ampy.
Institution ny tena marina ny liens familiaux, fa efa resaka tsy dia tsara loatra no nanaovana ny legitimation an-dRanavalona III.
Ny légitimité an-dRanavalona III na dia « casting »-ndRainilaiarivony aza dia mbola averiko foana fa zana-behivavy avy amindRASOHERIMANANITANY reniben’i NAMPOINA izy ( afaka manambara zanakandriana hafa na lahy na vavy ve ianareo izay velona t@ 1883 ka tokony nanjaka teo amin’ny toerany ? dia izay indray no iadian-kevitra). Ary tsy toy izany ny prince royal Rafaralahy raha ny fahafantarako azy raha zohina ny tetiarana maha zana-behivavy andRazafindrazaka reniny. HatramindRanoko izay nambarako etsy ambony ihany aloha no fantatro hatramin’izao fa sarotra ny mandainga.
Ary hay va re ka nijanona nonina tany Frantsa ny Dokotera Rafaralahy nony vita ny fianarana norantoviny fa tsy nody an-tanindrazana ary niamboho tany mihitsy aza é ? Zavatra mbola tsy henoko io raha tsy namaky ilay boky farany momba an-dRatsimamanga.
28/10/2009 à 16h08 #21389ambodiranoMembreIzaho ilay nanoratra iny tetsy ambony. Ambodisiarivo dia fokontany iray ao anatin Anosiarivo, tao no niafina nandritra ny fotoana maharitra i Razafindrafara sy Rakalobe izay nomena en charge azy, nitsoaka tany Ambatomanoina koa anefa ry zareo satria ny miaramila nalefan dRainilaiarivony tena nanao investigation be. Hay tera-dRasoanjanahary ianao? ka normaly izany satria ny tera-dRakalobe avy @ Ramisarivo sy Razafindrafara no tera-dRanavalo III
Tsy hoe hanao fitenin-jatovo eto ny tenako fa « lasan’i WELIE izany ny JACKPOT » satria izy no mitondra ny rantsan’ny zanakandriana rehetra na avy amin-drainy na avy amin’ny reniny koa hoe tera-dRazafindrahety koa izy izany.
Tena mila halalinina izany fa ny tena mba manitikitika ny saiko izao androany dia hoe fa mba iza ary no rain-dRazafindrafara ? satria tsy Ingahirainy Rainilaiarivony fa izy aza izany moa nitady hampamono azy … Asa tokoa …
28/10/2009 à 19h30 #21390AnonymeInactifambodirano> Marina mihitsy izany fa nijanona tany Frantsa Rafaralahy rehefa nahavita ny fianarany (pi-maso kely ny hoe sady Docteur en Droit izy no Dr en médecine) fa tsy niverina taty an-tanindrazana. Misy ny version mandeha hoe notazomin’ny frantsay izy hijanona satria sao dia hanana eritreritra ny hamporisika ny malagasy hiady @ frantsay indray ka hamerina ny fanjakana… « version » officieuse io hoy aho… Ny officielle tsy nisy… Raha te ahafantatra tantara hafa dia omeo ny mail-nao fa zay vao tena lasa resa-pianakaviana le izy… dia aza mitoraka voninkazo araka ny fiteninao fa izaho allergique voninkazo!
Dia iza marina izany ny raindRazafindrafara? Donc, raha samy manana ny porofo ny maha teradRazafindrahety azy Ravoninoro sy Razafindrafara, mety mbola hisy hafa koa zany any ho any… dia mety niteraka betsaka ihany zany Razafindrahety… sao mba kambana kosa aza e? Dia nosarahina ny nanafenana azy? Taloha manko zany miteraka kambana izany mal vu par la société… eritreritra mandalo io e!!!
28/10/2009 à 21h50 #21391AnonymeInactifRaha sendra nitopy teto @ serasera ity ny teneko dia gaga nahita ny toe-TSAINA N’ANDRIANA mandray anjara eto. MISY ANDRIANA TENA BE FIALONANA ETO.
Tsy naharitra ny tenako fa niantso ireo terak’i RAZAFINDRAFARA sy RAMISARIVO ! Gaga ry zareo ary tsotra ny vali-teniny tamiko : NY FITO MIANDALANA IZAY MISY AN-DRAKALOBE HOY RY ZAREO DIA TSY AZO HIDIRAM-BINANTO ARY INDRINDRA ZAZA SARY ( TSY MANAN-DRAY NA TSY FATAM-PIHAVIANA); IO ZAZA IO ANEFA REHEFA NIAMBOHA DIA NOFONOSINA MIARAKA T@ RAKALOBE ARAKIN’NY HAFATRIN’NY MPANJAKA!!!
VOAVALY NY SAINA RATSY N’IO OLONA MANORATRA EO AMBONY!!!
ARY NAMBARANY TAMIKO FA RAHA MANA-TARANAKA AZA MITSIKERA NY TSY AN’NY TENA FA SAMIA MASINAN-TANINY!!! -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.