Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
28/10/2009 à 22h34 #21392AnonymeInactif
Ny rain’Andriana noresahina teto dia ny andriana Ratsimamanga, izay no fiantso azy par rapport @ Ranavalona III, nampidirina taminy Razafindrazaka satria ity io no tena Zana-dRanavalona II, ary izay no maha-havana akaiky indrindra ny mpanjaka farany an-dRafaralahy, averiko indray tsy noho ny rainy na ny reniny fa ny ray sy reniny.
Mazava fa Razafindrazaka no tena zanakandriana fony Ranavalona II, satria noraisina tao anatin’ny archiven’ny famille royale ny fahaterahany fa tsy izany kosa ny an-dRazafindrahety.
Tena tera-behivavy iringiriny Razafindrazaka raha izay no maha-sahirantsaina anareo satria Raseheno sy ny anadahiny ihany no hany natsangan-dRanavalona II , ary mitovy tanteraka ny natsangana sy ny nateraka @ Malagasy indrindra ny Mpanjaka, tahaka ny maha-zana-dRalesoka an-dRanavalona I sy Radama nahazoan’izy ireo nandova fanjakana. Tsy vitan’io koa fa tena zanakandriana mazava ny rainy. Heveriko fa hatrizay dia Razafindrazaka no très rare ho zanakandriana ray sy reny, ary Rafaralahy koa dia zanakandriana ray sy reny.
Misy fanamboarana ny tantara ary tsy hohazavaiko anareo fa tsy dia misy dikany amiko loatra izany tera-dRasoherina avy @ vehivavy izany satria montage Ranavalona-Tsimiamboholahy io. Vao ny Tsimahafotsy dia efa nisy tsy d’accord tamin’io. Tadiavo ny antony.Rehefa miteny hoe zana-dranona @ Malagasy tranainy dia tsy midika hoe naterany mivantana ihany fa na zafikely na zanaka iraitampo dia azo ambara hoe zanaka avokoa, arakaraky ny lien, izay no maha-rain’Andriana an-dRatsimamanga na anadahin-dreniny aza, ary zany no maha-zana-dRanavalona II an-dRazafindrazaka na dia ny reniny aza no tena zanany. Mitovy ihany ny filazana hoe zanaky ny lehiben’ny zazamarolahy sy zafiny, raha miteny hoe ianona no rainy dia mety niteraka azy io, na nanangana, na raikely, na anadahin-dreny, na raibe.
Izay no tombon-dRafaralahy maha-havan’ny mpanjaka, tsy noho Ranavalona III ihany fa Ranavalona II koa. Mazava aminareo angamba fa raha rain’Andriana Ratsimamanga, dia cousin no fiheveranareo an-dRafaralahy fa anadahin-dRanavalona III mitovy @ Rasendranoro izy. Ny fakana an-dRazafindrazaka ho vadin-dRatsimamanga dia midika fa tsy mahazaka tena ny fiandrian’olona iray raha tradition no tianareo ampiharina fa tsy maintsy miakina @izay vady koa ny force généalogique an’olona iray. Raha misy be sandry manao di-doha dia tsy misy légitimité eo @ fianakaviana mihitsy izany na fanjakana io, na vodivona, na menakely, manjary mahatonga esoeso sy tahirin-kevitra diary miafina fotsiny izany.
Ny légitimité an’izy mirahavavy zana-dRafaralahy indray dia ny herin’ny tantara tantarainy satria na boky anarivony aza no hiresaka Tantara iray, dia hafa ny tantara resahan’olona TSY NIANATRA TANTARA FA TERAKA SY NIAINA TAO ANATIN’NY TANTARA. Ny @ taranany indray dia miankina @ Hasina izany satria manalavitra ny fotoana ary mety hiova ny fampiaran’ny tsirairay ny fomba.
Izay ilay légitimation de l’histoire par la famille, misy ny sasany ny tenany, ny fanaka ao an-tranony, ny zavtra ambarany, ny havany sy havam-badiny dia efa tantara dia indraindray izay mahatezitra ny hafa kanefa akory atao, raha mbola misy tamingany iray mitsangana dia tantara iny, na dia misy aza mihevitra (tena misy izany) fa efa adino ny tantara ka tsy hananosarotra loatra ny hanao vaovao.
Eo no fahadisoan-kevitra satria voatahiry ny tantara ary izy mirahavavy no ohatra velona @izany, izay no hanajako azy, tsy azo poretina izy hiaiky tantara iray ary be no niaino sy nandray lesona @izany ary mihanaka mangina izany école de pensée izany.Mila liberer-na @ fialonana aloha ary mahay miaky ny anjaran’ny hafa isika Malagasy vao afaka hiresaka tsara, averiko ihany raha an-dRafaralahy ny dignité an’ny dernier prince royal, dia tsy hanao be saina handa izany ka hifampiatsoantso tena ho prince avokoa ny isam-bodi-trano satria tany ambadiky ny 50 taona dia tsy nisy tsy niaiky teto Antananarivo ny maha dernier prince royal an-dRafaralahy fa ankehitriny kosa dia misy ta hanao be saina satria mihevitra fa hadino ny tsy fanadino.
Avelao ho azy izay, fa na hisy aza hiziriziry hanao forcing, akory atao fa azy izany, sady tsy notadiaviny akory na nanaovany fangatahana, na demosnatrtion scientifique, Rafaralahy l’a eu naturellement.28/10/2009 à 22h57 #21393AnonymeInactifAnampiako azy ny tenin’ny Ranavalona I mahazava zavatra betsaka, ny tera-dRasoherina no akana ny mpandimby ho izy, kanefa na samy tera-dRasoherina aza IZAY TIAN’NY MANJAKA NO IZY.
Inona no hevitr’io, iza tsara no ilay hoe tian’ny manjaka? Izay tian-dRainilairivony? Ary ankehitriny, iza no tian’ny manjaka?Mananatra anareo eto aho mba samy handray sy hahalala tsara ny anjara toerany, fa tena fitaizan’Andriana izany, fantaro ny anao, ary fantaro ny tsipika mavo tsy azo ihoarana @ prétention, fantaro izay zoky ary fantaro izay zandry @ fiandrianana, aza alefa lavitra ny sainareo momba izay handimby fanjakana fa hisy tsy ho tafarina @io ianareo ary tadidio fa raha sanatria hisy fahamenarana aterak’izao dia siekla iray ataon’ny rehetra fitantara eo am-pisakafoanana, na @ fivoriam-pianakaviana.
28/10/2009 à 23h33 #21394AnonymeInactif( afaka manambara zanakandriana hafa na lahy na vavy ve ianareo izay velona t@ 1883 ka tokony nanjaka teo amin’ny toerany ? dia izay indray no iadian-kevitra).
Tena nisy dia nisy tokoa saingy ialako tsiny fa tsy azo ambara eto satria rahampitso indray dia raikitra indray ny adihevitra fa IZAHAY NO TARANANY MIAFINA.
Izay voatantara ofisialy ihany no heverintsika fa tantara kanefa mazana tantara efa voavoatra tsara io ahafapo an’ingahilehibe, fantatrareo ve hoe aiza daholo ireo natera-behivavy t@ Rasoherina andrandrainareo ireo? fa angaha moa izany nolazain’ny tantaram-panjakana amin’ny antsipiriany ka nadika sy nofakafakain’ny HISTORIENS?
Misy tera-behivavy hatrany @ Rasoherina, fa tsy misy dikany aminy izany satria nopepoana izy fa izy fa tsy misy dikany izany. Ranavalona III no hany fantatra dia izy aloha no andrandrain’ny mpiangaly sa tsy marina izany?29/10/2009 à 8h47 #21396AnonymeInactifInvité n.1> ny fanontaniana mipetraka anie r’ise dia ny hoe zanadRanavalona III ve Razafindrafara ary zanany t@ iza? Dia mba « zen » moa fa aza mora miakatra e!
Invité n.2> misaotra @ fanazavana r’ise a! indrindra @ ilay hoe zanaka sy teraka… Araka ny efa voalazako teo ambony dia maro tokoa ny olona tonga mihaino sy maka tantara ao @ izy mirahavavy, ka na dia tsy nianatra momba izany aza ry zareo dia tena niaina tao anatiny araka ny nolazainao! Ohatra fotsiny dia ny fiarahandry zareo mitafatafa t@ Razafindrazaka t@ fahavelony ary mbola tadidin’izy mirahavavy toy ny vao omaly ireo resaka rehetra nifanaovandry zareo.
Hatramin’ny hoe resaka Ramahatra/Ratsimamanga dia voalaza any ho any hoe Ratsimamanga no zao sy zao, kanefa Razafindrazaka tenany mihitsy no nilaza t@ izy mirahavavy ny antony nisarahany t@ Ramahatra, izay tsy noho Ratsimamanga akory… (ny taranadRamahatra sy Ratsimamanga hatram’izay ka ankehitriny dia mifankahazo tsara sy mifankatia fa ny olona ivelany no misy milaza hoe « zana-drafy ireo ka mifankahala » ary ny sofiko mihitsy no nahare izany vava izany)…bref, izany dia ilazana fa tsy izay voasoratra ihany tokoa no tsy maintsy ho marina….
29/10/2009 à 15h43 #21400ambodiranoMembreambodirano> Marina mihitsy izany fa nijanona tany Frantsa Rafaralahy rehefa nahavita ny fianarany … Raha te ahafantatra tantara hafa dia omeo ny mail-nao fa zay vao tena lasa resa-pianakaviana le izy… dia aza mitoraka voninkazo araka ny fiteninao fa izaho allergique voninkazo!
… eritreritra mandalo io e!!!
Fa inona ary ity nataoko no toa nahazo ny hafatra be zaho eto ?? Mbola hanoratra ho anao aho > WELIE fa azafady fa tsy misikotra resa-pianakaviana velively aho sao diso ianao é.. ary tsisy voninkazo intsony aty raha naha-allergique anao ‘lay teo fa misaotra ihany koa.
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.