famadihana

3 sujets de 16 à 18 (sur un total de 18)
  • Auteur
    Posts
  • #21078
    Anonyme
    Inactif

    Hova zany ianao satria hova ny reninao. Ny andriana tsy mamadika koa dia vitsy, satria ny andrian-dehibe ihany no tsy mamadika, fa ny andriana sasany mamadika, zany ny fombadrazany. Ireo dia ny Andriamasinavalona, Zazamarolahy ary ny Zanak’andriana. Ka ra mahita gasy ianao milaza oe, tsy mamadika izahay, dia Andriandehibe tokoa izy zany.

    #21080
    Anonyme
    Inactif

    Amiko ny famadihana dia harena; ary iavahan’ny Malagasy amin’ireo mponina eto ambonin’ny tany. zara aza mbola maro ny mamadika satria kolontsaina manana ny hasiny io. Efa mihavery ny kolontsaina satria maro ireo miseho azy fa olon’ny fandrosoana no manao tsinontsinona ny maha gasy azy. Ny fiainana roa lafy. Ny lafiny tsara @ famadihana, dia eo no mazana mihaona ny mpihavana tsy nihaona antaona maro. Ny mpihara monina mihara misakafo; mivondrona sy manao ny atero ka alao izay fahendrena lalina tokoa. Ny lafiny ratsy (amiko) dia ny vola lany. Fehiny: endry ireo razantsika ary fisainana amapahendrena lalina no tao amin’izy ireo matoa nisy sy misy ary mbola hisy ny famadihana

    #22627
    ELI
    Membre

    Teboka valo no indro entiko hamaliana ity famadihana na famonosan-damba ny taolambalo ity:
    1. Taolana valo no mandrafitra ny taolan’ny olombelona dia : ny karandoha, ny taolan-tratra na ny taolam-panavy, ny hazon-damosina, ny taola-maoja, ny tànana roa, ny tongotra roa. Nahasaro-piaro ny ntaolo malagasy izany hoe « very taolam-balo izany na koa hoe tsy hita faty » ; ka izany no antony voalohany indrindra nanaovany ny famadihana mba tsy hiparitaka ireo taolam-balo ireo.
    2. Napetraky ny ntaolo malagasy eo amin’ny laharana fahatelon’ny rafitra an-tanantohatra ny razana, izany hoe ao ambanin’Andriamanitra sy ny Zanahary ary ninoany fa rehefa lasan-ko razana ny olona dia mitombo hamasinana satria manjary fanahy ka afaka mitsinjo sy mitahy ny taranany sy ny fianakaviana izay nilaozany, ary isan’ny tsy afaka am-bavany ny hoe « hotahian’Andriamanitra sy ny razana. Koa ho fangataham-pitahiana no antony faharoa nanaovany ny famadihana;
    3. Natao hamondronana ny herin’ny fianakaviana sy anehoana fifankatiavana sy firaisan-kina ombam-pifankatiavana.
    4. Natao hifankahafantaran’ny mpianakavy izay efa samy mieli-patrana any am-pilàna ravinahitra rehetra any; satria ny tsy fisian’ny fihaonambe tahaka itony no mety hisian’ilay hoe « mivady mpihavana ».
    5. Natao hifampandroson’ny samy malagasy, satria raha dinihina dia tsy misy vola mivoaka any ivelany ny fitaovana sy ny hoenti-manana ny famadihana. Oh: ny omby izay vonoina, ny tsihy, ny malabary sy ny fanamiana ampiasaina, ny sodina sy ny aponga (=ny zava-maneno), ny vary be menaka, ny satroka, ny lambamena, ny toaka gasy dia samy avy eto Madagasikara avokoa saingy miala avy atsy amin-dRakoto dia mifindra any am-paosin-dRabe.
    6. Diso isika raha lafiny toe-karena no resahina ka hanilika ny famadihana fa hanome lanja ny alim-pandihizana ohatra; satria andeha hotanisaina ny kojakoja miasa ao: ny zava-maneno dia vita vahiny mandeha amin’ny herin’aratra, ny zava-pisotro dia toaka vahiny whisky sy champagne, ny tsakitsaky sy ny gâteau dia avy amin’ny varim-bazaha « blé =la farine », ny fitafiana hoenti-mianjaika ao dia lamba vahiny,… izany hoe vola mivoaka mankany ivelany izany fa tsy miditra « importé » avokoa.
    7. Rehefa niditra moa ny fivavahana dia naratsiana sy najanon’ny maro ny famadihana, ka tsy ilay kanto sy kolo tsara ao anatiny no asongadina fa ny lafy ratsiny fotsiny ihany dia ny hoe « tsy mitahy izany ny razana ».
    8. Azo atao amin’ny endrika ankehitriny ny famadihana ka ilay lafy tsara no asongadina dia fifankatiavana, firaisan-kina ary fihavanana, fa tsy asiana taratry ny fivavahana amin’ny razana mihitsy. Kanefa moa ve tsy fivavahana amin’ny razana no ataon’ny katolika izay malaza mpitanisa ireo anaran’olona efa nodimandry lazaina ho olomasina. Sa rehefa razam-bazaha dia afaka mitahy ka hoe « mivavaha ho anay, ankehitriny ka mandrapahatongan’ny andro ahafatesanay »; fa rehefa razana gasy kosa dia tsy misy hasiny sy tsy mitahy? Fa inona no mahasamihafa an’i Maria renin’i Jesosy sy Victoire Rasoamanarivo izay samy vehivavy ary samy efa lasan-ko razana, ka tokony samy hitahy ihany koa.

3 sujets de 16 à 18 (sur un total de 18)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: