Mametraka anao ho ambony noho ny hafa ny toe-tsaina manavakavaka sy manambany ny hafa? Tsia, tsy ny rà no maha andriana, tsy ny fananana sy ny toerana tanana @ sehatra samihafa no maha ambony na maha ambany ny tsirairay.
NY FANAHY NO OLONA hoy ny Razantsika, ary na ny vahiny aza mahatsapa izany raha tsy hilaza afa-tsy i Molière, hoy izy « La vertu est le premier titre de noblesse »
Vertu ary ve ny fanavakavahana?