Aoka tsy hanafintohina ny mpamaky ity tantaraiko ity fa zava-nisy nefa ho lazaiko amin’ny fomba tena mivantana mba hazava tsara.
Ny an’ny tovolahy moa dia matetika manatona mpanao asa ratsy (devoly)
Ity fomban’ny vehivavy sasany ity kosa dia tena mahatsiravina ( vehivavy no nitantara azy tamiko ka mba ampitaiko hitandreman’ny rehetra): maka kitoza ny vehivavy rehefa izy itrangan’ny fadim-bolana iny, dia salakainy akasokasony ao(azonareo an-tsaina angamba fa tsy dia mila détail ny fizotran’io), avy eo dia endasiny soa aman-tsara ny kitoza ary omeny i razazalahy izay tsy manampo n’inon’inona. Ary dia voalaza fa tena tsy afaka amin’ilay zazavavy intsony iny zazalahy nihinana ny kitoza nosalakaina iny fa dia managataka azy ho vady ny iafarany.
Raha ny hevitro manokana anefa dia asan’ny devoly daholo ihany izany ka mino aho fa azo esorina amin’ny vavaka, raha tena miezaka ilay lasibatra
Tandremo ihany ry zalahy ny omen’ny namana kitoza a