Fiten’ilay namako izay foana ny hoe : tsy tokony ho any Frantsa ny gasy fa tena manimba ny fisainan’ny Gasy io firenena io. Toa misy fahamarinany ilay izy. Mandreraka mihintsy ny avonavona ataon’ireo gasy any frantsa ireo, indrindra vao tonga iny ianao dia mahazo an’ilay hoe GVT, de tsy mahafantatra anao mihintsy ry zareo, sady izay indray manao fijery miavona (raha sendra mba mifankahita), de tsy azo resahana, ny sasany indray toa manambany azy angamba ny miresaka aminao ka mianjonanjona ery. Sendra n’izay Gasy tsivanona e!
Aza mba manao an’izany ry « vao ho any Frantsa a »! aza manao ny ataon’ireo gasy efa any ireo