Tsy ny diplaoma no ahavitàna zavatra tsara fa ny finiavana hanao zavatra tsara. Tsy irery koa TGV fa manana conseillers mahavita azy. Ny chef mahay dia izay mahay mifidy ny olona miaraka aminy fa tsisy chef mahay ny rehetra tsy akory.Ireo mody mahay aty Frantsa dia voatery madainga na manao kobak’ambava ka ireo kely loha sy ny mpanao gazety voavidiny ihany no mandokandoka azy.
Fanampiny: raha mbola eo ampelatanan’y vahiny, indrindra ny frantsay ny baolina (économie) eto Madagasikara dia tsy misy mpitondra afaka manao izay tiany hatao, fa tsy maintsy manontany (indirecte) ny avis-n’ireo super-chef ireo, raha tsy izany voahongana, sinon miaraka mihinana amindry zalahy dia mipetraka tsara eo, tsy mijery ny fahoriam-bahoaka.Jereo ny tantara, ka miezaha mampisondrotra ny tena sy ny manodidina, fa ny hetsiky ny tsirairay no mampiova ny fiainana fa tsy miankina amin’ny fikambanana atsy sy aroa izay matetika hataon’ny sasany tohatra fotsiny.
Mirary soa