ambodirano
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
ambodiranoMembre
Efa misy mibedy anao io ry WELIE , izaho koa tsy hiditra amin’ny resam-pianakaviana Raiamandreny â !
Tokantranon'(Andriana) tokoa tsy ahahaka fa mba azavaiko fotsiny hoe rapprochement Geneanet sy Facebook ange no nahitako ny sarinao kely bitika dia bitika satria misy anao daholo ireo.
Fa ny eto kosa resaka sy tafatafa avo lenta fa tsy resam-pianakaviana kah iny any an-tranony avy iny …
ambodiranoMembre(tohiny sady farany)
Farany tiako ho resahina ireo lafinkavan’ny Mpanjaka izay nanatrika ny famindrana sy fanafenana ny Masina t@n’ny Alatsinainy 31 Oktobra 1938. Diso fantatry ny fianakavian’ny Printsy Ratsimamanga loatra izany satria na ny Princesse Razafindrazaka aza mbola velona t@n’izay hoy ny tantara sa tsy izany ? Ary nanatrika teo niaraka amin’izy mirahavavy Princesses ao Antaninandro ankehitriny. Ireo no Havana akaiky reconnus t@n’izany.
Marina ny nolazain’ny Ranamana iray teto hoe teo koa ny avy @n’ny lafin-drain’ny Mpanjaka dia Razohary Merinarivo Amoronkay. Misy sary nalain-dRazafitrimo sy Schaffner Mpaka sary t@n’izany fa tsy teo tokoa Ramatoa Ravoninoro izay 1947 vao nodimandry. Ny antony angamba, eritreritro manokana izany aloha, dia niafina mafy izy satria mbola colonie ny tany, izy anefa eto no nipetraka sady taranaka mivantana ary porofon’izany Razohary sy Razanabelo mianaka nanampy ny Mpitolona t@n’ny 1947 tao Merinarivo dia nataon’ny mpanjanaka sesin-tany tany La Réunion sy Frantsa koa nanomboka teo. Ary Razohary dia mbola velona any fa asa ny reniny Razanabelo izao raha mbola ao fa teo izy t@n’ny 2003 , nivoaka an-gazety izany t@n’ilay fitsofany rano ny zafikeliny Rabarisoa Hortense Mme Christopher. Rizareo izany ny fahazoko azy dia zafin’ny Princesse Rasendranoro koa fa avy @’ny Prince Rakotomena Ramatoa Razanabelo. Ary tamin’io vanin’andro 1938 io dia nangataka t@ fanjakana hono Razohary ny ahazony manorina indray fasan’andriana lehibe satria efa noravan’ny commandant Dagniaux ny fasany teo aloha sy ny tranony t@ nidiran’ny vazaha voalohany teto ( taratasy fangatahana nosoratandRtoa Razohary ho an’ny gouverneur Cayla t@ 28 Novambra 1938 miaraka @n’ny tetiarany, « Sociétés et Luttes anticoloniales à Madagascar 1896-1946, Solofo RANDRIANJA, pejy 113).
Ka raha olona te-hiaina malalaka eto antanindrazany sady maro anaka no mananon-tena t@n’izany dia tsy handeha hisehoseho raha ny hevitro aloha, indrindra raha zanaka vavin’ny Mpanjakavavy izay tsy navelan’ny mpanjanaka nadingana teto intsony na dia nangataka izany mandra-pialany aina aza izy avy any Alger. Fa dia « calcul politique »-ny colonie fotsiny no namerenana ny Masina teto t@n’io 1938 io satria efa tsinjony fa ho avy indray ny 2è guerre mondiale dia ilaina indray ny vatan-dehilahy Malagasy atao sorona hiady @n’ny fahavalon-drizareo. Izao aza moa asa raha sahin’ny sasany tsy matahotody nafindra avy tao Anatirova ny Masina , mbola tantara hafa koa izany nefa actualité daholo. Hevitro manokana izany fa ny tompony no mahalala hoe inona no antony marina niafenan-dRamatoa Ravoninoro fa mety mbola hivoaka daholo ny tena marina indray andro any.ambodiranoMembre(tohiny)
Raha momba ny resaka taranaka Razafindrahety no resahina dia misy ny tsy mino , misy kosa ny mino ary izaho dia anisany. Ary ny avy amin-dRavoninoro no misy fantatro ary ny vitsy fantatro amin’ireo taranaka ireo aloha dia « tsy mivaky loha amin’izay mpandova Fanjakana sy izay reconnaissance izany » rizareo fa Fikambanam-pianakaviana tsotra hono ny azy ary tsy mba miditra amin’ireny fikambanana hafa ireny raha jerenareo tokoa. Fa raha miditra @n’ny tetiaram-pianakaviany ianao ao @n’ilay site dia misy karazan’olona maro ao : mpihira fanta-daza , mpitsabo , mpampianatra koa mety misy fantatrao. Dia tonga dia hita ao koa rizareo eny @n’ny Andrianamboninolona izany raha teraky ny ao.
Misy koa manko ilay hoe tera-dRazafindrafara sy Ramisarivo eny Ambodisiarivo (???) izany koa dia taranaka Razafindrahety hoy ny « Hasin’Alasora » teto ka asa raha misy fifandraisana @nareo fa ny anarana moa tanimboanjo. Toy izany ohatra misy Ratsimamanga (izay tsy niteraka izy) sy Rahety ary Razafindrahety ny andriamasinavalon’Anosipatrana hoy ny Firaketana anefa toa tsy misy ifandraisany @n’ ireo teraky ny Andriambavy Rahety ao Ambohipiara vodivonan’ny Printsy. Ka asa fa ny anarana moa mety mitovy daholo !
(mbola HITOHY)
ambodiranoMembreMiarahaba anao WELIE eto amin’ity serasera ity. Nisy resakao zay teto hoe mahafinaritra ny tafatafa atao eto fa mahakizitina kosa indraindray zay. Asa inona izay fa vinavinaiko ihany hoe ny ataon’ny sasany miendrika tsy fanajana sy famingavingana olona na fianakaviana sasany tononony manokana mihitsy eto. Ary izy ireo mazana dia tsy mba manankolazaina afa-tsy fehezan-teny iray na vitsy fa mandrangitra olona fotsiny. Ny sasany indray mizahozaho sy mirehareha tena ilay hoe « arrogant ». Raha amiko dia tsy mendrika hovaliana akory ireny eto fa fandanianandro fotsiny izany.
Fa ianao kosa aloha dia hita hoe andriana « tsara taiza » hafa ihany fa tsy ohatry ny sasany sady manana humour raha ny cookies be dia be apetakao eto. Raha raisina , ohatra , ireo olona mihambo hoe havanareo teto dia efa naha-milliardera tokoa raha henoina ny angano angano arira arira no-post-ny teto. Anefa angamba izy mirahavavy Bebenareo mbola tsy hitako nisehoseho izany, izaho manokana mbola tsy nahita azy koa, fa ilay olona eto dia milaza izay tiany daholo. Ary zavatra iray koa, hita mihitsy ianao amin’ny sary hoe manahaka ny arrière-grand-mère-nao sy ny Beben’ny ireo Bebenao ireo izay lazain’ny boky hatramin’izao hoe « les deux plus belles princesses de leur temps ». Tsy hoe toraka-voninkazo fotsiny izany angamba fa ny « génétique » ange ho ‘aho tsy mandiso mihitsy é !! Ny Internet no nahitako izany fa tsy hoe taiza akory an …
ambodiranoMembreVoatazona mafy kosa izany ilay « secret » koa. Pasteur Andriambelo izany no nanamasina ny fanambadian’ i Razafindrahety sy Ratrimoarivony tao Anatirova tamin’ny 24 aprily 1879. 21 taona latsaka kely Ratrimoarivony ary 18 taona latsaka roa volana Razafindrahety. …
Izay ange hoy aho ‘lay hoe « Secrets de famille » na koa hoe ifanarahana fa tsy misy mamoaka azy mihitsy raha ny atin’ny Fianakaviana ankehitriny aza tsy mahalala !!!
Raha ny fitadidiako azy dia Septembre 1879 ‘lay mariazy ary ny Printsy Ramahatra no teraka 1858 kah Ratrimoarivony mbola zandriny nanaraka azy !
-
AuteurPosts