ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 56 à 60 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21366
    ambodirano
    Membre

    Ary hono hoy aho, ny printsy Ratsimamanga zany dia nahafantatra ny fisian’io zanaky Razafindrahety io koa raha ny tokony ho izy kanefa dia tena nahatana ny tsiambara-telo mihitsy ve? Satria na Razafindrazaka vadiny, izay rahavavy ara-mpanambadian’Razafindrahety (t@ Ratrimoarivony) koa aza dia tsy mba nilaza an’izany… Ka dia tena nahatana vava tokoa zany ry zareo!!!

    Ary ho an’i Invité eo ambony io> Iza indray re zany teradRakalobe milaza ho tarana-dRanavalona III izany e? loll… toa lasa mampiomehy… Koa na ry zareo mianakavy aza toa samy miady ao koa!

    Io ange ‘lay nolazaiko hoe misy ny « Secrets de famille » fa ny ao anatin’ny fianakaviana aza zany tsy au courant é !!!

    Ry zareo teraka Rakalobe indray dia tera-behivavy mihitsy hoy ny Firaketana , candidate t@ 1883 koa fa ho ‘zy hono Rainilaiarivony hoe « sady efa be taona no maro anaka » dia tsy nekeny hay izy efa mitetika ‘lay candidate hafa vao 21 taona. Fa nony avy eo izy nijalijaly @’ny hasarotam-piaro satria efa ho 34 taona ny elanelan’izy sy ny Mpanjakavavy !

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21353
    ambodirano
    Membre

    Ary ity koa :
    ny Andafiavaratra dia NANDà ny ho ataon’Andrianampoinimerina ho ANDRIANA fa naleon’ ANDRIANTSILAVONANDRIANA nijanona no Hova manana ny « Clan » manokana tsy hiova sata isak’ izay Mpanjaka hifandimby teo fa ny ataon’ny Ombalahibemaso ho « tsy maty manota » dia nataony ho ampy azy sy ny taranany.

    Raha momba an-dRainilaiarivony manokana dia nanambara aho teto hoe « despote » tanteraka izy ka tsy ny andriana ihany no niharan’izany raha hoy ‘lay olona iray zay teto hoe niakatra teo @n’ny fitondrana t@’ny rà mandriaka fa na ny Renibenay aza nalefany sesin-tany na ny Raibenay Rainimaharavo koa torak’izany tany Ivato (@n’nyBetsileo) , nasainy nandoa onitra ka voatery nivarotra t@ny ny Domaine-n’ny Tsarasaotra io. Ny « Dadatoanay » Ravoninahitriniarivo sesin-tany koa t@ 1879 mandra-pahafatiny tany Ambositra. Na ny zanany aza moa tsy nananany antra ohatra Rajoelina hoe saika nanongana azy dia « désherité » rahateo , milevina etsy Ankadikely Ilafy izy fa tsy mba etsy Amboditsiry fasamben’ny Andafiavaratra rehefa tsy nahazo nandevenana intsony etsy AmpasandRainiharo t@ 1900.

    Koa tsy fantatro hoe iza ny zanany lahy milevina eny Ambohimanana @n’ny tranomanara izany , mbola tsy renay mihitsy fa etsy Amboditsiry daholo nanomboka t@ 1900 no milevina ny Andafiavaratra na i Ratelifera zafy mpandova ny ankabeazan’ny fananany aza eo antokotanin-tranony eo Amboditsiry koa no milevina.

    Raha ny fandehan’ny paipaika rehetra efa nomanin-dRainilaiarivony ary voatanisa etsy ambony ange izany dia mazava fa tsy hisy hahafantatra mihitsy ary nafenina mafy t@n’izany ny zana-dRazafindrahety lasa Ranavalona III taty aoriana satria mety ho tsy tiany ampanjakaina rehefa tonga n y fotoana. Raha ny fahazoko azy dia anteriko indray fa efa voaomana mialoha ela be teo amin’izy praiministra sy ny Printsy Ratsimamanga ny hiakaran-dRazafindrahety eo @n’ny seza fiandrianana ary nomanina amin’ny lafiny rehetra t@n’izany ny Andriambavikely (jereo ny Boky farany « Albert Rakoto Ratsimamanga et moi 1. L’ héritage » .

    Saingy nanambady ny Printsy Ratrimoarivony rahalahin’ny Printsy Ramahatra Razafindrahety taty aoriana nefa maty tamin’ny fomba tsy mazava io vadiny mbola tanora io dia lasa Mpanjaka ihany izy.

    Amiko kosa aloha dia betsaka , maro mihitsy raha isaina ny tsy nety nataon’ny Mpanjaka sy ny Fianakaviany ary ny Praiministra fa tsy izany no tsy nananan’ny Mpanjaka ny Hasina hoy ilay mpanoratra etsy ambony. Ka iza ary no tokony ho teo ?

    Fa raha ny hevitrao izany dia ny Printsy Rasata no efa tokony ho Mpanjakalahy teo t@n’ny 1868 dia mety tsy ho notafihan’ny frantsay mpanjanaka tendankanina isika t@ 1895 ? Asa aloha…. Izay no idirako amin’ny resaka galliéni ampioharin’ny sasany eto @n’ Andrianampoinimerina .
    Azafady kosa aloha , eny é , aleo @n’ny manaraka tohizana fa teny iray fotsiny ity : hoy ny namana iray teto hoe « rapport de force foana io » , marina izany fa nirehareha teto ny frantsay naka ny tanidrazana be –ntsika ity fa tsy 50 taona taorian’izay akory dia nandohalika tanteraka no nanaovan-dRainiboto azy t@ 2é guerre mondiale ( France occupée de Juin 1940 à 1944) ka na mafy aza ianao @n’ny fotoana iray dia mbola hisy mahery noho ianao any aoriana any, anatra hoan’ny rehetra io é !!!

    Ary ny Hasin’ny Mpanjaka tsy ho very izany raha nanana izany izy tamin’ny niakatra teo fa ny tantara mbola mitohy.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21352
    ambodirano
    Membre

    Andao hoe eritreretina kely raha nitohy ny fanjakana merina. Ny zanakalahin-dRainilaiarivony dia efa nanao fasana ao akaikin’Ambohimanana ary efa nasiany tranomanara izany. prince koa no fiantso azy any na hatramin’izao aza. dikany: raha nitohy génération Iray monja ny fanjakana dia efa lasa andriamasinavalona farafahakeliny Andafiavaratra. raha maty teo koa izy dia efa vonona ny zanany hadray ny fahefana ka hanambady and-Ranavalona III. antony nifidianana azy ny fahatanorany mba azahoan’Andafiavaratra mifandimby aminy. raha lasan-ko razana koa Ranavalona III dia efa vonona hampakatra vehivavy hafa indray ry zareo hanamarinana ny maha praiminisitra azy. fehiny: na mbola nitohy aza ny fanjakana tsy afa-nandimby teo izay mety ho zanak’iRanavalona III sy ny fianakaviana akaiky azy. ny hany afaka nanohitra izany dia Rainijohary-Andrianisa sy ireo Andriamasinavalona sy Zazamarolahy rehetra nanohana azy. nihevitra hampanjaka ny lehilahy zafiafin’Andrianampoinimerina izy ireo saingy nosamborina natao sesitany. fanotaniana ary: iza na inona no tena fototry ny fanjakan-dRanavalona III; inona no mety ho hasin’Andafiavaratra ka manome azy izany zo izany; ary raha nana-kasina tokoa izy sy Ranavalona III, tsy ho ra nandriaka ve teto Antananarivo hiarovanan’ny vahoaka ny ain’izy ireo? hasina no fototry ny fanjakan’andriana ary matoa rava izany dia tsy tao amin’ireo nanjaka intsony ny hasina… hasina very tamin’izany tsy hiverina intsony.

    Efa elaela ihany ity resaka ity fa notehiriziko mihitsy mba hamaliana azy manokana ary iresahako kely ny ANDAFIAVARATRA satria izy ireo no nolazaina hoe « Hova vadin’Andriana ». Fa nahoana tokoa ary rizareo no nisy nanambady andriana? fanontaniana apetrako @n’ny mpanoratra etsy ambony ary mbola mety ho « sujet d’actualité » izao anio izao izany.

    Ny Praiministra Rainilaiarivony nanambady ny Mpanjakavavy telo farany rehefa avy nisaorany Rasoanalina « cousine germaine-ny ». Ny zokiny Rainivoninahitriniony « Commander-in-Chief » dia nanambady an-dRasoanivo « cousine germaine-ny » ihany koa ary avy eo naka ny andriambavy Rasoahanta (vadikely ndRaombana teo aloha) t@ 1862 andron-dRadama II. Ingahy io indray dia nampirafy be izao azy roa ireo sady masiaka be lozan-tany, mpimamo sahy nandrozona ny Mpanjakavavy Rasoherina teny Ambohimanga t@ 1864 ka naongan’ny zandriny lasa Praiministra.

    Ny anabavin’izy mirahalahy dia Ramatoa Rasoaray izay Renibenay avy @n-dRainimaharavo « cousin germain-ny » vadiny voalohany. Niteraka vavy iray t@na Hova iray hafa izy dia Ratsimiziva rain’i Rainandriamampandry izay havany alavitra ihany avy @n’ny Tsimaiamboholahy. Fa nony avy eo izy dia mbola niteraka t@-ndRakotondRadama lasa Radama II taty aoriana (niterahany vavy iray) ary mbola lasa vadin’ny Printsy Ramboasalama Zanakandriana taty aorianan’izay hatr@ 1862 nahafatesan’ny Printsy niterahany vavy roa koa. Izy aza dia nodidiana hanaraka ny Printsy natao sesi-tany teny @n’ny vodivonany tetsy Ambohimirimo.

    Ramatoa Ralizaha izay niterahan-dRainilaiarivony lahy maromaro izay mbola « cousine germaine-ny » ihany koa dia nanambady ny andriana Randraha lahimatoan-n’ny andriandahy Ravalontsalama tompom-bodivona eny Ambatomanga sy ny vadiny Rafanjava zana-dRabodozafimanjaka isan’ny 12 vavy, vady napetrak’ Andrianampoimerina hitondra an’Antsahadinta.

    Asa « mariages en Haute Sphère » daholo ve izany ? sa samy nisy tombotsoa iombonana dia tanteraka. Raha taty @n’ny sarababembahoka mantsy dia fady tanteraka izany sady ny Andafiavaratra koa « champion »-n’ny lova-tsy-mifindra , eny hatramin’izao aza @n’ireo lafinkavanay ireo.

    ( mbola HITOHY )

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21312
    ambodirano
    Membre

    Raombana tokoa anie ry zareo no SAHY nilaza sy nanoratra fa USURPATEUR i Andrianampoinimerina.

    Raha ny fahalalako azy dia toa ANDRIANA tokoa i Raombana (cf. ce n’est pas ta faute si tu n’es pas andriana: Raombana) ary avy any Anosy Avaratra. Koa mba lasa eritreritra ihany aho sao dia marina ny nolazainy.

    Raombana dia tsy nidongy toerana mihitsy hoe izy no tokony hanjaka, fa nilaza kosa izy tao amin’ ny bokiny fa ny tokony nandimby an’ ANDRIANJAFINANDRIAMANITRA dia ny Zanakandriana RALAITOKANA izay zanany lahy. Ary nilaza tokoa izy fa nahita maso an’i Ralaitokana mbola velona, ary efa antitra, tamin’ ny andron’ i Ranavalona I.

    Ary i Nampoina fito taona nanafika an’Andrianjafinandriamanitra tany Ambohimanga, fa tsy nahazo azy. Manambara izany fa mpanani-bohira sy mpisavika fanjakana i Andrianampoinimerina.

    Raha tsy nanao tsolotra be Andrianmpoinimerina (le CORRUPTEUR) ary nanome vola be an’ ireo Tsimiamboholahy mpanaraka an’Andrianjafy dia tsy nahazo azy mihitsy.

    Tantara marina izany fa tsy misy hafenina, tsy misy ampiana na analàna, satria Raombana izay niaina tamin’ ny andron’ i Ralaitokana Zanakandriana no mitantara.

    Fa hono ho ‘aho dia tsy fantatrao ve fa andriana RAOMBANA l’Historien ary nianatra teo @ 10 taona teo tany Angletera dia niverina teto indray t@ 1829 raha vao nanjaka herintaona RANAVALONA I. Efa nambarako tery aloha ny fiaviany avy @n’ ANDRIANTSIMITOVIAMINANDRIANDRAZAKA izay tsy nampanjaka an-janany RAFONDRAZAKA « arrière grand père »-ndRAOMBANA .

    Ary tsy izany akory no naha « usurpateur an’ANDRIANAMPOINIMERINA » fa diniho tsara. Fa raha Mpanjaka mamy hoditra t@n’ AMBOHIMANGA sy ILAFY ets… nanjakany ange Andrianjafinandriamanitra dia tsy ho nianjera teo ary fantaro ihany fa na ny rahalahiny aza nosaviany hianjera avy eo ampandriana dia maty , i Nampoina @n’io enjehiny ampamonoina . Ary marina tokoa fa rehefa nanaraka an’i Nampoina @n’izay ny TSIMIAMBOHOLAHY -n’ILAFY dia nivadika ny tantara izany no mampiseho ny herin’io « CLAN » io ho an’ireo izay mpanenjika azy fatratra. Fa mba tsara ange isika raha samy mandinika ny tantara daholo dia miha-mazava izany fa tsy hifanenjika sy hifankahala eto ndray raha tokony hamondrona ny herintsika rehetra.

    ANDRIANAMPOINIMERINA anefa tonga Mpanjaka lehibe t@n’ny androny ihany satria NAMORY an’Imerina ENIN-TOKO. Na ny « vigueur sexuelle »-ny aza dia nitondra ho @n’izany tanjona izany @n’ireo ZANANY maro isa izay mbola feno ny taranaka avy @n’izany izao 200 taona taorianan’ny niambohoany izao.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21295
    ambodirano
    Membre

    Mba mandinika ve ianareo hoe fa maninona no nirodana ny fanjakana nentin’ i Ranavalona III? Satria izy tsy légitime !

    Samy manana ny fomba fijeriny moa. Fa aminay dia efa tsy teo aminy intsony ilay hasina avy amin’Andriamanitra, toraka izany koa nanomboka tamin’ i Radama I ka hatramin’ i Ranavalona III.

    Efa very ilay hasina, satria nanambady any amin’ ny tsy tokony ho izy !

    Mikasika ny Andriana hafa: Normal izy ireo raha tsy manaraka ny tenin’Andrianampoinimerina l’usurpateur (dixit. Raombana). Tsy voafatotra amin’ ny tenin’ Andrianampoinimerina izy ireo ary Zo-any izany !

    Na Andrianampoinimerina aza tsy nanaja ny hafatra napetraky ny razambeny !

    Ary ny Andriana hono samy masina an-taniny !

    Fomba fijery hafa ny anareo izany ary tena hajaina amin’ny maha-hafa azy. Misy mametraka izany zao hoe usurpateur Andrianampoinimerina , azo atao hoe hafa-kely izany fa mbola ho velabelariko amin’ny manaraka.

    Ny mba fantatro dia Andriantsimitoviaminandriandrazaka Mpanjakan’AMBOHIMANGA no naka an’ ANDRIAMBELOMASINA zana-dRANGORINIMERINA handova Fanjakana dia satria fantany fa izy no mitondra ny Hasina fa tsy ny zanaka naterany RAFONDRAZAKA izay « TSY DYNASTE » ny reniny . Ary io RAFONDRAZAKA io no Dadaben’ny Dadaben’n-dRAOMBANA Historien ary zafindohalin’ity farany indray ny olo-malaza maro amin’izao androntsika izao. Izay no tantara dia samy mandray izay andraisany azy fa ny FANDOVAM-PANJAKANA dia miankina amin’ny renin’ny ZANAKANDRIANA é ! Jereo ANDRIANJAKA nanjaka na dia ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA aza no Zokiny.

5 sujets de 56 à 60 (sur un total de 81)
error: