ambodirano
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
ambodiranoMembre
Mahagaga ahy zany teneninao zany. Ny ray @ dreny zay ao @ JAKY MENA nefa mafantatra tsara ny tantaran’ny andriana, ary dia vaolaza fa tsy niteraka i Ranavalona III. Tsy misy sariny na ray aza miaraka @ zany zaza zany, fa zaza natsangana (ankizy de sang royal ihany koa, nièce-ny iny ra tsy diso aho) no misy.
Samy manana ny version-ny raha izay ny an’ny Jaky Mena resahinao. Ho lava ihany ny resaka raha ho averiko eto indray ny resaka efa nataoko teto fa mba avereno vakiana ny « post » rehetra efa nalefako @ pejy taloha raha tianao ho fantatra tsara ny momba izany .
Ary FANAMARIHANA LEHIBE sy manadanja indrindra tiako atao eto ary mbola averiko ihany hatramin’izao ho an’ireo mpandray anjara vaovao eto dia :
Mbola tsy nihambo ho Zanakandriana teto ny taranaka avy amin-dRavoninoro na nisy naneho ny maha MPANDOVA FANJAKANA azy ireo mbola tsy fotoanan’izany izao , TSIA ny fisiany ihany no ambarako eto ary izaho manokana no mampahafantatra izany satria mbola nisy tsy nahare izany mihitsy toy ny tenako ihany koa taona vitsivitsy izay.
Ohatr’ anao io izao dia mbola afangaronao @n’ny Princesse Marie Louise zafin’ny Princesse Rasendranoro izay niaraka tamin’ny Mpanjakavavy nalefan’ ny mpanjanaka tany an-tsesitany ny Andriambavy Ravoninoro izay nijanona sy niaina teto Antananarivo foana hatr@n’ny nahafatesany t@ 1947.
Ho an’izay tsy mino izany moa dia tsy misy olana fa adi-hevitra ny antsika eto ho an’ireo izay te-hahalala bebe kokoa indray dia manana tranokala ny fianakaviana Rainizoely sy Ravoninoro ( io no tadiavinao amin’ny Google ) dia hohitanao ao ny ambangovangony .
ambodiranoMembreJAKY MENA, fikambanan’ny Andriandehibe (1.zanak’andriana, 2.zazamarolahy, 3.andriamasinavalona).
Ny ray @ ireo ihany no afaka manjaka. Ny zanak’andriana @ zao fotoana izao dia tsy misy intsony, satria ny mpanjaka vavy farany dRanavalona III tsy niteraka. Marina tokoa fa ny hatao oe zanak’andriana, dia ny « enfants des rois et reines reignant ». Ny zanak’ny mpiray tampoha @ mpanjaka vavy indray, dia zazamarolahy, ka ny zafikelin’izy ireo no manana zo @ trône. Mbola betsaka izy ireo, ary izay tsy nanao mésalliance (nanambady hova na mainty), dia tsy manana zo @ trône intsony. Rehefa hatao ny généalogie, dia mia kely ny entonoir ka mipoitra ny anaran’ilay olona tokony hanjaka. Mbola ho avy fa mahereta.
NITERAKA VAVY TOKANA tamin’ny Printsy RATRIMOARIVONY RANAVALONA III tamin’ny taona 1878 talohan’ny fanambadian’izy ireo ny 24 Septemvre 1879. Tao Faravohitra no teraka ny Andriambavikely izay nomena anarana hoe RAVONINORO Louise RANAVALOZAFIMANJAKA izay nanambady an-dRainizoely Andriambahoaka taty aoriana ary niteraka 6 VAVY sy 6 LAHY ary ny ZANA-BEHIVAVY amin’ireo dia maro dia maro satria niteraka daholo ny ZANANY VAVY dimy ary MARO amin’ireo no DYNASTE tsy voakasiky ny MESALLIANCE resahinareo io. Koa tsy kely velively ny entonnoir satria misy koa ny avy amin’ny Princesse RASENDRANORO izay resahinao rahateo ! Mbola ho avy fa mahereta ary tsy ho ela ka…
ambodiranoMembreFa dia vendrana manao ahoana moa ny Andriana merina no tsy afaka hijoro hiaro ny lovany tahaka ny hiarovan’ny Andriana gasy hafa ny azy? Sa heverinao hiandrasana an’Andafiavaratra indray izany. Aza mifanambany kosa e!
… Na mety tsy voakasik’izany koa satria sady Andafiavaratra no Zanakandriana ka mety manantena ny ho sady Mpanjaka no ho Praiminisitra. Misaotra nirary soa e!Aleo tsy ho valiako akory fa tsara kokoa ny mifampirary soa dia samy mizotra amin’ny lalany avy éé !! Samy manana ny eritreriny tokoa ny olona ka samy manana ny izay andraisany ny hevitry ny sasany. Soava tsarà daholo ary !!
ambodiranoMembreEny ary , mazava kokoa amiko ny tianao nolazaina tamin’iny izany sady tsy natao dia hoe ifamaliana eto. Mbola hanazava lavalava kokoa aho amin’ny manaraka fa mba tiako azavaina fohy aminao fotsiny anio hoe : « Raha mbola tsy hamela ny Andafiavaratra « nangalam-panjakana » ianao tompoko dia anjaranao izany ary nitezana anareo mihitsy ny tsy hamela fa zohio ihany ny tantatra hoy aho efa novelabelariko fa Ranavalona I no nanome vahana io fianakavianay io na efa t@n’ny Ombalahibemaso mihitsy aza ka tsy nipoitra tampoka teo akory rizareo. Raha izaho manokana tsy hiaro an-dRainilaiarivony Praiministra izay amiko dia « despote » tokoa koa tsy mivoy ny Rainilaiarivony II aho tompoko ialako tsiny aminao. Fa raha ny momba an-dRanavalona IV dia inona no tsininy aminao satria mba azavao aminay aloha fa tsy fantatray hoe tsy nanana zo hanjaka mihitsy angaha ny Mpanjakavavy Ranavalona III aminareo ? Tsy dia handresy lahatra anareo no hiaiako eto tsy izany velively samia mitazona ny heviny hivoaran’ny Tantara. Raha ny tetiarana moa dia samy manao izay tiany atao amin’ny azy koa tahirizo soa aman-tsara any ny anareo re. Izaho indray tsy ataoko tsy itiavana andriana izany satria andriana koa aho ary efa nihoaranay izany tsy fifamelana izany betsaka no mitovy cas amiko koa. Mahereza torak’izany koa ianareo .
ambodiranoMembremafotaka mitsy reto merina reto raha iady fanjakana ka. zany mitsy angamba no tsy mapitsangana azy io. so fa nanana ny sorabe sy ny lalàna tsy azo nodikaina voatahiry ny Antemoro raha tsy zany ngamba an! asa fotsiny. ny an’ny merina izay tonga mametraka sata vaovao de mbo nametraka ny azy ko Rainilaiarivony. fararny zato amberivo no miady toerana iray. hitako no mahazo vahana sahady ho azy ny hova: ny andriana variana miadysezairay tsy misy intsony. de ho gaga indray ve isika raha Gilbert Raharizatovo mpanenjika Andriana hatramin’izay no mandidy manapaka amin’ny Manjakamiadana, olona tena mpankahala Andriana iringiriny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny rovan’Ambohimanga. Ô ry Andriana isany ô, mifohaza amin’izay fa mitady ho diso ady isika…………….
tsy dia miabo loatra fa miiba ny resakao sady mampiditra no mamoaka : fa ianao ve aloha merina sa antemoro eto sa mifangaro no mitondra « jugement » eto .Izaho tsy mitsara zay tsy fantatro… ary aza mampiady ny andriana sy hova eto enao fa tsy 19è siècle intsony zao fa efa misaina tsara ny taranaka ankehitriny. Io Manjakamiadana mijoro io no vavolombelon’izany ary izaho isa-maraina mifoha dia faly sy « fier » mijery azy sy Andafiavaratra avy eto ampandrinako satria samy nipoirako ireo ary efa lasa ny ady taloha.
Fanamarihana fotsiny toa milaza isika Andriana ianao amin’ny farany ka mba azavao azafady ! -
AuteurPosts