ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 76 à 80 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21149
    ambodirano
    Membre

    Raha teto Antananarivo indray dia nanana trano maro izy mivady toy ilay teo Ambatobevanja izay trano avo tapenaka be atao hoe trano sokera miendrika hôtel particulier any Frantsa hita @ sary Fonds Grandidier. Io ambany avaratry ny Dispensaire ankehitriny io ny toerana nisy izany eo am-pitandalana atsinanana. Hoy indray ny FIRAKETANA pejy 272 ao @ ny hoe Ambatobevanja : « Ny tranon’ny Andriambavy Ravero isan’ny trano tsara tarehy indrindra t@n’ izany dia io itoeran’ny Lehiben’ny Douanes ankehitriny io. Filipo Razafimandimby vadiny no nanao ny maritrano. » Mbola nisy tananany koa teo Andrefan’I Mahamasina izay mirefy hatrany @ 5.000m2 tamin’izany andro izany izay lasan’ny Architecte Antoine Jully taty @ taona 1904. (Demeures royales…Didier Nativel ihany)

    Mampalahelo anefa fa efa nirodana io trano tsara tarehy teo Ambatobevanja io izay nanome endrika ny toerana teo raha mbola nijoro izany tany @ faran’ny taona 1970 tany. Ny fototra sisa no mbola eo, fototra vita @ vato voapaika sy voarafitra tena tsara tarehy toy ny fototry ny Lapa Masoandro eny Anatirova mbola ao koa. Mampalahelo hoy aho satria ataon’ny olona eny fanariam-pako sanatrian’izany ankehitriny ilay toerana nanan-tantara taloha. Angamba lasan’ny fanjakana ankehitriny izy io ary toa niadivana mafy t@n’ny fotoana farany nitondran-dRatsiraka t@ 2001 ireny fa nisy ny afera « VILLA ANTOINETTE » dia nisy afera « VILLA… » tsy tadidiko intsony ny anarany nivoaka an-gazety koa. Dia kontenera sy fako sisa no eo izao isika miresaka izao nefa tokony ho Vakoka ho an’ny Fomba sy Tao-trano Malagasy raha mba voatahiry teo ilay trano.

    Torak’izany koa dia mampalahelo ny fasana iafenan’ny Zanakandriana ANDRIANTAHIRY na Prince RATAHIRY eny Mandrosoa amin’ny Tantsaha ety amin’ny faritray Ambodirano ihany. Mbola asiako resaka ihany izany @ manaraka. Tsara manko ny ikarakarana ny misy azy avy raha mbola azo atao ihany araka ny resaka ataontsika eto. Izany dia natao mba hiverenan’ ny fifamatorana eo @ ny vahoaka sy ireo nanjaka teo aminy t@n’ny andron’ny Fanjakana Merina fahizay. Adidintsika angamba izany @n’izao andro iainantsika izao.

    Farany tsarovana manokana eto anio 21 Septambra 2009 ny faha 101 taona katroka niambohon’ny Princesse RAVERO t@ ny 21 Septambra 1908 teto Antananarivo. Tena andriana tao andRova akaiky ny Mpanjaka t@n’ny andro niainany rehetra izy noho ny fiaviany satria zanaky ny Prince Ratsimamanga (maty notifirin’ny mpanjanaka t@ 15 Oktobra 1896) sy Razafimanjaka Zanakandriana zanakavavin’ny Prince RAMONJAMANARIVO na RAMONJA anadahy zokin-dRanavalona II izy. Maty teo am-piterahana azy t@ 1856 ny reniny izay toa efa natsangan’ny Mpanjaka Rasoherina fony izy Rabodozanankandriana t@n’izany , izay tsy niteraka moa. Ary noho ny alahelony azy dia natsangany izy mianadahy zanany Prince Ratahiry sy Princesse Rasoaveromanana. Avy @ndrainy izany dia zanak’olo mianadahy (Ratsimamanga sy Raketaka) Ramatoa Ravero sy Razafindrahety lasa Ranavalona III ary toa tsy firesaky ny Boky loatra io lafiny io fa ny hoe zanaka natsangan’ny Mpanjaka Rasoherina sady nandova azy rahateo no nahafantarana azy.

    Arak’izany dia manana rohimpihavanana @n’ireo Mpanjaka nanjaka farany teto rehetra ny Andriambavy Ravero satria :
    Ranavalona I dia rahavavindrenin’ny Prince Ramonja
    Radama II sy Rasoherina nitaiza azy
    Ranavalona II izay nametrahan-dRasoherina azy mianadahy teo am-pialanaina dia anabavin’ny Prince Ramonja rahateo
    Ranavalona III dia ‘cousine germaine’ –ny hoy ny teny frantsay

    Niharan’ny fambaboanan’ny frantsay mpanjanaka ny fananany izy mivady ary mety ho nitarika ny fahafatesany tamin’ny taona 1908 izany teo koa ny namoizany ny zanany maty mbola vao erotrerony.

    Mety tantara mbola tsy ren’ny mpamaky sasany eto izany rehetra izany koa dia natao hozaraina @n’izay rehetra liana @n’izany.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21148
    ambodirano
    Membre

    Dia mitohy ihany ny tantarantsika eto ary mahafinaritra fa be no efa liana sy manaraka azy izao ary samy mitondra izay loharanom-baovao nahazoany azy avy ny olona manoratra.

    Mbola miverina kely @ ny tantaran’ny Princesse Marie Louise aho eto : Nony niamboho afaka herinandro taorian’ny nahaterahany ny reniny Princesse Razafinandriamanitra III izany dia Marie Louise indray no nataon-dRanavalona III toy ny zanany taorianan-dreniny.
    Fa nahoana ary hoy isika ? Misy hevitra azo aroso ihany momba izany :

    1- Nahoana tokoa moa no izy 3 mianaka ihany no azo sary erak’izay nalehany tany an-tsesitany tany ( La Réunion – Algérie – France) dia Ny Mpanjakavavy ary ny Princesses Ramasindrazana sy Marie Louise ? Satria tany andafy rizareo ka izy no ‘médiatisé’ hoy ny fiteny ankehitriny. Fa ilay tena zana-dRanavalona III fony izy mbola Razafindrahety dia teto an-tanindrazana ihany ary nanafina ny momba azy mazava loatra nandritra ny fanjanahantany noho ny tahotra ny frantay. Notsimpomtsimpon’ny mpanjanaka tsirairay manko raha fantany hoe nisy mpandova Fanjakana mivantana tafajanona teto. Fa ny « literature » novoiziny dia hoe tsy niteraka Ranavalona III toy izany koa ny Princesse Ramasindrazana (izay tsy marina koa) ary indrindra maty tsy namela-taranaka Princesse Marie Louise t@ 1948.
    2- Raha ny filazan’ny olona taranaky Ramatoa Ravoninoro Louise vavitokan’ny Mpanjaka izay teraka tao Faravohitra t@ 1878 dia narovan-drainy izay ny Prince Ratrimoarivony izy satria teraka Alakaosy dia avy eo notezain’ny Princesse Rasendranoro teo Ambatobevanja. Ny Prince moa maty tanora t@ Mai 1883 ary Rainilaiarivony dia voateniteny momba izany dia tsy teo @n-dreniny mihitsy izy izany. Ny tao an-dRova no mahalala ny antony hoy aho satria betsaka ny zavatra tsy fantatsika momba izany.

    Ka hoy ny namantsika iray teto nanao hoe :  » Hay va re ka tsy zafikelin’ny Andriambavy Ravero ndray I Marie Louise é !  » Eny tompoko, hatreto aloha dia izay no hita voasoratra matetika. Raha ny sary rehetra misy na @ ny Boky na any @n’ny Tranonkala dia miendrika zanabazaha tokoa izy.  » Ary toa fotsy be hoy ny frantsay nahita azy tany andafy niaraka t@n’ny Manjaka. Anefa Rtoa Ravero sy Razafimandimby vadiny izay raiamandrenin’ Andriantsalama Edouard atao hoe rain’ny zaza tsy miendrimbazaha mihitsy. Torak’izany koa ny lafin-dreniny. Raha ny loharano frantsay no zohina (angamba tsy tantara foronina daholo ny azy raha misy fanamarinana entiny) dia efa nisaraka t@n’ ny vadiny Andriantsalama ny Princesse Razafinandriamanitra III t@ Juin 1896 :

    « La Princesse Razafinandriamanitra : en français , petite-fille de Dieu , c’est la fille de Rasendranoure. 14 Ans . Séparée amiablement d’un mari qui en a plein le dos…… » Tamina-Réception tao @ Lapan’Ambohitsorohitra no nitantarany an’io (‘Les incertitudes du colonialisme. Page 143 de Jean CAROL)

    Ary teraka 9 volana taorian’io tany la Réunion ny Princesse Marie Louise noho ny faharerahan-dreniny izay mbola tanora tokoa fa vao 15 taona t@n’ny nibatana azy an-keriny natao sesin-tany. Rabenjamina Androvakely dia milaza koa hoe nanambady andriana vazaha Marie Louise taty aoriana ary mananjanaka any andafy fa mbola tsy voporofo aloha.

    « Nanangom-bola ery Ramatoa Ravero handehanana any andafy hijery ny ankizy » hoy ny vahiny iray teto. Tsara ho fantatsika ihany fa ireo zanany 2 lahy dia Andriantsalama Edouard (teraka 1878) sy Razafindramonja-Razafimandimby André (teraka 1882) dia samy nalefa nianatra tany frantsa toa an-drainy ihany. Ary maty tany aza ny faralahy t@ 1903 (« mort à l’âge de 19 ans le 5 Janvier dernier (1903) à l’établissement de Convalescence d’Epinay-sur-Seine au Sud de Paris »). Ny zokiny dia Elève de l’Ecole coloniale en 1900-1901 ka noho ny alahelo t@ izany dia nampodiana na mbola tsy vita aza ny fianarany aza. Philippe Razafimandimby rain’izy mirahalahy dia Mpampianatra tao @’io fianarana io ihany (« Séjourne en France à Boulogne sur Seine de 1900 à 1905 en tant que Professeur de Malgache à l’Ecole coloniale… » Maisons royales, Demeures des grands à Madagascar de Didier NATIVEL Ed. Karthala)

    Ka ataoko fa namangy ny vady aman-janany no tena nataon’ny Andriambavy RAVERO tany fa tsy noho i Marie Louise loatra. Niainga t@ ny taona 1900 izy mianakavy («Ary Razafimandimby sy Ravero vadiny sy ny zanany – Ireo nivoaka tamy ny andro Asabotsy 9 Juin 1900 ; ho any andafy any France. » Ny Bokin-dRAKOTOVAO page 310 ) sady namonjy ny Exposition Universelle rahateo.

    Ary raha nandeha matetika tany Frantsa Princesse Ravero @ko angamba tsy dia « nila hoe nanangom-bola hijerena ny ankizy ».

    Fa izy angamba teo amin’ny toerany no andriana mpanefoefo indrindra talohan’ny nahatongavan’ny frantsay mpanjanaka nambabo ny fananany toy ny an’ny andriana tao andRova rehetra. Ohatra @ izanydia izy no nampisambotra vola 40.000 piastres na ariary ny fanjakana t@n’izany ( Emprunt d’Etat de Mai 1885 RAHIA hors Série La France à Madagascar de 1880 à 1894 4è partie et conclusion) raha 20.000 piastres fotsiny ny anjaran-dRainilaiarivony PM ary 10.000 piastres ny an’i Rainitsimbazafy PM taty aoriana. Vola be izany efa mitentina ho 8 milliards na lavitrisa Iraimbilanja @ ny volantsika ankehitriny.

    Ny nahatonga izany harembe izany dia izy sy ny anadahiny no nandova ny Mpanjakavavy Rasoherina, harena an-tsaha sy an-tanàna raha jerena ny didim-pananana nataon’ny Mpanjaka t@ 1867. Anisan’izany koa ny harena nolovain’ny Mpanjaka t@ Andriamatoa Andriantsirangy sy Andriantsoanandriana rainy : menakely maro sy midadasika tany Betsileo valisoa nomen’Andrianampoinimerina azy naharesy an’i RIVOEKEMBAHOAKA sady Lehiben’ AMBODIRANO rahateo izy. Izany didimpananana izany dia teo ampelatanan-dRamatoa RAZANATAHIRY vavitokan’ ny Andriambavy Ravero t@ Aout 1950 (Revue de Madagascar par Flavien Ranaivo). Taloha kelin’ny nahafatesan’ny Andriambavy tamin’ny 1908 dia nisy fitoriana nataony momba ireo ombiny marobe tany Antsihanaka noheverin’ny olona fa tsisy tompony intsony nony vazaha ny tany. Ao koa ireo vodivona hafa midadasika toa an’ Ambohitrimanjaka sy Namehana (hoy ny Firaketana) hatrany Antongona aty amin’ny faritray AMBODIRANO raha tsy hilaza hafa tsy ireo ny tenako.

    Hoy ny tantaran’ny Mamoladahy :  » Nanatrika ny fampitaha natao teo Tsarazaza akaikin’Antongona ny Princesse RASOAVEROMANANA Tompom-bodivona izay nitoetra teo an-tampon’Antongona. Io Tompombodivona io no vehivavy Zanakandriana maka sy mamory ny satan’andriana teo amin’ny vahoakan’ny Mamoladahy ary io Princesse io no manatitra azy indray any Antsahadinta… »

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21147
    ambodirano
    Membre

    Ny antony dia mazava fa ireo no mitondra ny HASINA ahafaha-manjaka. Fantantsika ny tohiny fa ireo IHANY no nanjaka teto Imerina ary Madagasikara taty aoriana : nefa tao ny ela nanjakana fa nampijaly vahoaka, ny nanjaka tapany, ny resin’ny mpanjanaka ka nataony sesin-tany. Raha raisina ny Mpanjaka rehetra teto dia tsy misy na iray aza na lahy na vavy tsy tera-behivavy avy @nd RASOAMANANITANY Andriambavy Maley (avy any Malaisia) nanambady an’Andriatsitakadrazana Mpanjaka Antehiroka samy milevina ao Ambohitsitakatra (atsimo kelin’Anjozorobe ankehitriny). Ary Rasoamananitany dia heverina ho niaina tany @ taona 1350 tany (nalaina tao @ Genealogie approchée des Rois… du 13 au 18é s. Boky « Et si la Lune ne revenait pas » – Gilberte Ralaimihoatra-Nicole). Misy ‘ généalogiste’ mbola hanazava izany angamba nday andro any…
    Fa na ny Rafandrana rehetra na Rangita sy Rafohy na ny Mpanjaka lehibe toa an- Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina mazava ho azy dia tera-behivavy avy @io Andriambavy io daholo. Koa taorianan-dRanavalona II Mpanjaka farany avy @ Ramboakovelo dia Ranavalona III avy @ Razafinandriamanitra I rahavaviny sady zandriny no nanjaka. Samy zanadRanavalonjanahary izy mirahavavy ireo ary ity farany dia zanadRasoherimananitany araka ny hafatry ny Ombalahibemaso ihany.

    Raha afohezina ny tantara taorianan’izay dia ireo ‘ zana-jokiny tera-behivavy no azo ampanjakaina ary ny rainy dia Zazamarolahy no miakatra’ . Misy izany izao ny teraky Razafinandriamanitra II na Rafotsibe izay niamboho ny 31 Oktobra 1888 nateza be fa maty taorianan-dRamatoa Raketaka izay nafenina tao @ ny Fitomiandalana ny 4 Febroary 1886. Ity farany dia Renin’ny Manjaka Ranavalona III efa nanjaka t@ izay andro izay ary ny zandrindRamatoa Raketaka dia Ny Andriambavy na Princesse Ramasindrazana izay niamboho t@ 1924 tany Nice frantsa mbola manan-taranaka izao fa tsy misy tera-behivavy intsony. Avy @ndRamatoa Raketaka izany no ipoiran’ireo izay miaina @ izao taona 2009 zao. Izy mirahavavy ihany no zanany dia Ny Andriambavy Rasendranoro sy Razafindrahety lasa Ranavalona III. Niteraka mirahavavy ny voalohany dia : Princesse Razanadranavalona (maty tanora, nafenina teny Ilafy avy eo nafindra @ Fitomiandalana t@ 1897) sy Princesse Razafinandriamanitra III (1882-1897) niteraka Ny Andriambavy Raketaka sy ny Princesse Marie_Louise efa noresahintsika teto.

    Samy manana ny filazany moa ankehitriny koa aoka re tompoko marina é misy soratra samy hafa azo ampifanatrehina fa samia mitazona izay ananany. Misy milaza fa zafikelin-dRtoa Ravero i Princesse Marie Louise avy @n’ Andriantsalama zanany lahimatoa. Ny vazaha frantsay milaza hatr@’izay hoe zanaka miaramila frantsay izy, mbola hotohizako ery ambany io. Izaho manokana t@ 1992 dia niresaka mivantana tamina-frantsay tany paris nilaza ho nahafantatra Ramatoa iray mitonona ho zanak’ i Princesse Marie Louise t@taona 1970 tany ary ny anarany dia hoe Marilise na Marie Lise de Vilmorin. Ny fahamarinany dia tsy haiko fa hatr@ izao aloha tsy misy tohiny. Koa raha misy ny taranany mbola velona dia tsara ho fantatra ihany raha Malagasy izy fa raha tarana-bazaha angamba tsy ahafantatra ny eto sa tsy izany. Izay ny avy @ Princesse Rasendranoro. Izy no zokiny anefa tsy navelan-dRainilaiarivony hanjaka fa ‘mikepok’atody aminankorany hoy izy ka tsy mahazaka fanjakana ». Fantatsika ny tohiny ary @ izao fotoana izao raha tsy misy intsony ny avy @ ny Princesse Rasendranoro dia ny teraky Razafindrahety indray no hijerena.

    Misy milaza hoe ary ny teraky Rakalobe saika nanjaka t@ 1883 koa ahoana ? Dia asa… tera-behivavy avy amin’iza moa rizareo azafady é ? angamba tera-dRangorinimerina izay renin’Andriambelomasina fa tsy teradRasoherinamanitany ka efa alavitra be @ ny Fanjakana.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21146
    ambodirano
    Membre

    « Etre andriana c’est d’actualité » no lohahevitra resahintsika eto. OUI = ENY ny valiny satria ny maha-andriana dia toetra sy fahamendrehana angamba no voalohany tokony hananana. Tsy resaka voafehin’ny lova aman-drà t@-ndrazana fotsiny ny maha-andriana fa mitaky asa sy toetra. Koa tsy hamaly ilay resaka nataon’ny n° 16297 izay « Andriam-body fa andevo saina » akory ny tenako fa fandanian’andro izany.

    Fa raha ny rafim-piarahamonina indray no resahina dia inoako fa tsy misy maharatsy ny fitondran’Andriamanjaka raha Mendrika izany izy ary manana ny Sata sy mitondra ny Hasina avy @ ny Razany satria raha jerena izao fiovaovam-pitondrana lava tsisy farany izao dia tena marina hoe « tsy tompon’ny tany tokoa ny sasany teo » ka izao no toerana nanaovany an’i Madagasikara sy ny Malagasy tokony hiadana @ ny harenany eto. Fa raha tompon’ny zavatra nokolokoloinao ianao dia tsy avelanao hitotongana izany mainka moa fa ny Tanindrazana. Koa dia velomy lalandava ny ambanivohitr’Imerina rizareo fa ireny no antsika. Izahay aloha dia eto ihany no tianay honenana fa tsy any andafy ka ataonay zay hahatsara ny eto, samy manana ny safidiny io é…

    Raha momba ny hoe iza @reo ary no lanintsika atao ho Andriamanjaka dia izay no ady hevitra be eto. Raha ny fihevitro dia Andrianampoinimerina nahavory an’Imerina 6 toko efa ho 200 taona izao satria niamboho t@ 1810 izy dia izao no hafatra napetrany raha ekentsika dia ny hoe :
    « Tsy misy mahazo manjaka amin’ny Fanjakako raha tsy tera-dRasoherina (Rasoherimananitany renibeny avy @-ndreniny io) sy ny tera-dRalesoka (anabaviny io) » .

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21138
    ambodirano
    Membre

    Mamaly anao manao resaka mampme io aho fa izao no hany mba fantako :

    – Hitovizako hevitra @nao hoe be dia be ny diso @ tetiarana @ Internet fa atao ahoana moa fa izay aza niezaka nanao fa izahay mahalala ny tena marina dia irariana mba hizara

    – ny resaka Ranavalona III indray dia manana ny site azy ny tera dRavoninoro Louise (1878 Faravohitra – 1947) sy Rainizoely vadiny dia ho ho hitanao ao fa namela zanaka 12 izy ary vehiavy ny 6 @n’ireo izay namela taranaka maro dia maro. Tsy mbola nisy nihambo teto hoe Zanakandriana rizareo fa ny fisiany fotsiny no tiako hizaraina @ ny izay tsy mahalala. Ho anao moa tsy mino dia anao izany fa ao ny sary jereo fa tsy afa-mandainga ny sary é…. Ny antony niafenany dia izy no mahalala fa mety hoe tsy nanjaka Razafindrahety raha fantatra hoe efa niteraka satria avy @ Rainilaiarivony ny hevitra ary betsaka ny hevitra milaza fa izy no nahafaty tanora andRatrimoarivony vadin-dRazafindrahety ary rain-dRavoninoro t@ 8 Mai 1883…

    – Manaraka indray ny momba ny « tera-dRasoavero » hoy ianao dia fantaro fa tsy ny Princesse Marie Louise zanakin’ny Princese Razafinandriamanitra ary teraka t@ 14 Mars 1897 tany St Denis de la Réunion no resahiko izay zanaka officier frantsay (métis zany izy) fa ny zokiny teraka teto t@ 1896 ary zanak’ Edouard Andriantsalama lahimatoan’ny Princesse Rasoaveromanana na Ravero sy Philippe Razafimandimby Zazamarolahy. Ary tsy « Rtoakely Marie Louise » izy satria nanambady an’i André Boshard tany France ary maty tany t@ Janvier 1948. Misy milaza fa niteraka vavy Marilise de Vilmorin izy fa tsy voamarina sady tsy maintsy ho nafenin’ny frantsay fa ny sources ahazoana ireo dia « Ranavalo la derniére Reine de Madagascar » de Maarie françoise Banier.

    – Raha momba ny taranany sy ny hoe iza no vadin’ireo taranany dia mbola hivoaka tsy ho ela ary tsy hisy hisavika ny anjaran’ny sasany izany eto fa ny tsy manana anjara no toa be dia be ary ny hisisika @ seza fiandrianana koa dia tsy izany no tanjona fa izay eram-bahoaka ihany fa « monarchie constitutionelle » no fenitra iraisana. Midika izany fa ialohavana latsa-bato avy @ vahoaka ambanilanitra. Fa tsy aleo ve izay no lalana tsara indrindra raha mendrika sy manana ny sata sy mitondra ny Hasina feno ny Andriamanjaka ho avy eo …

    – Lavitra ahy ny nieritreritra hoe ny Antehiroka no hiverina hanjaka eto fa ny tantara no nampatsiahiviko hoe Rainilaiarivony sy ny Andafiavaratra no nahazo fitondrana ( fa tsy fanjakana azafady ) dia noho ny volany t@ izany andro izany sy ny miaramila teo ambany fifehezany sy ny fianakaviany. Ary izany dia tsy tsara ny hivererenany , izao manokana terak’Andafiavaratra aza no miteny an’izany. Iaraha-mahalala koa fa nanararoatra ny fivakivakisan’ny Andriana t@n’izany fotoana izany izy : betsaka no mahalala fa nisy ohatra ny clan Printsy Ramahatra sy ny andaniny Printsy Ratsimamanga. Tokony hisy izany ny firaisankinan’ny Andriana izay akaiky « Fanjakana »…

    Ny Antehiroka koa dia zana-dehilahy, zana-dahy no mandova sata, ka ny terak’Andriantsimandafika no tena izy fa tsy izay milaza azy ho be sandry. (vakio ny TA sy ny bokin- dRakotovao)

    Hiady laharana hanala-bara-tena @izany angaha ny sasany aminareo? Mazotoa e! Ny hadalana omaly ihany no mbola misy ta hamerina anio, tsy hay mantsy ny nandray lesona t@ omaly.

5 sujets de 76 à 80 (sur un total de 81)
error: