Miarahaba anareo am-panajana daholo.
Tsara ny ady hevitra eto ary zaho koa mino fa mbola hiverina ny Mpanjakavavin’ i Madagasikara. Tsy ho ela aza angamba izany fa hiakatra ao Manjakamiadana @ 2010 io Ny Andriana dia Ranavalona IV izany sady tsingerin’ny 400 taonan’ Anatirova n’ Antananarivo @ izay.
Tsara ho fantatsika izay tsy mahalala manko fa namela tarana-behivavy daholo na Razafindrahety Ranavalona III avy @ Ravoninoro zanany vavitokana na ny Andriambavy Rasendranoro rahavaviny avy @ ndRaketaka zana-dRazafinandriamanitra III t@ Edouard Andriantsalama izay zanaky ny Andriambavy Ravero sy Philippe Razafimandimby Zazamarolahy. Ny tarana-behivavy ihany @ko no mitondra sy mamindra ny Hasina ahafaha-manjaka… ho anareo andriandray sy reny be dia be eto. Izaho dia Andriana mifangaro Andafiavaratra @ lafiny ilany ary raha nahazo fanjakana ny Andafiavaratra dia noho ny tanjaky ny volany sy ny tafika baikony aza adino koa anefa ny Andafiavaratra dia taranak’ Andriampirokana nanjaka teto Analamanga talohan’ Andrianjaka izay zafin’ anabaviny ihany tany @ 1630 tany. Izany hoe ny Andafiavaratra dia avy @ ny Antehiroka nanjaka talohan’ny Andriana…. Koa misokatra ny ady hevitra tompoko.