ambodirano
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
ambodiranoMembre
Slt Ambodirano sy Mpandalo, misaotra ry zareo fa dia azoko ilay boky « Et si la lune ne revenait pas », teny Ambohijatovo tokoa vao nahita , nataon-dry zalahy 150000fmg, faly aloha fa nahita ihany é;
Sao mba misy manana soupape azahoana ilay T.A. version CD amin’ny teny gasy ankehitriny/Lucien RANDRIANARIVELO mivady , efa t@ 2002 hono no efa vita izy io fa tsy mahita azy aho
veloma vetivety é> mianatra , tsara vintana ianao izany fa dia mazotoa mamaky azy , ary mandalina ilay tetiarana be ao anatiny dia milazà vaovao eto momba io rehefa misy é ;
> mandalo misaotra @n’ilay lien T.A archive.org
ambodiranoMembrebjr daholo sao mba misy mahita toerana mety hividianana ilay boky « Et si la lune ne revenait pas » de Mme RALAIMIHOATRA Gilberte , misaotra mialoha ( ity ny mail »r.constant@voila.fr ») veloma é
mianatra Bjr , hevitra atsipy ihany ny ahy fa raha eto antanàna ianao dia tsidio ny mpivaro-boky eny ambohijatovo fa teny no nahazoko io boky io , toy ny vaovao anefa 3 euros @n’ny vola malagasy raha kajy tsotsotra.
ambodiranoMembreSlt Ambodirano. Mahafinaritra tokoa ny miady hevitra momba an’Ampandrana sy ireo tanàna ao main’ny. Saingy izao aza mandainga lohatra ianao. … Izahay efa mpandeha any fona sady tarak’Ambohimasaombola ihany. Fa aza dia avily re ny marina. ramrov5@yahoo.fr
Slt ianao , adray tsy andeha handainga eto aho akory fa sao ianao kosa ary izany ? Mandiso ahy ianao , azo ekena izany fa tsy midika mihitsy hoe milevina eny @nareo Rafandramanenitra sy Rafaramahery . Sao kosa heverinao fa raha misy soratra an’izany eny @nareo dia izay no marina ! Ohatra eny Alasora tompoko misy stèle -ndRafohy novaina ho Andriampohy aza fa tsy eny izy fa eny Imerimanjaka. Mbola ho eny aho dia hanoratra @nao mialoha.
Efa hitako teto io resakao io taloha fa tsy voavaliko. Arosoy eto hoe raha tsy mahadiso ny famantarana io toerana ilevenan’izy mivady io sady tantara misy dikany be koa izany ka tsara ho fantatr’izay mpandala an’izany.
ambodiranoMembreMahafinaritra daholo ny fanoroankevitra ataonareo momba an’Ampandrana sy ireo tanàna ao aminy.
Mila ampahafantaran’ny haino amanjery bebe kokoa fa toa indray mandeha monja ny fahitalavitra no naka sary teny.
ambodiranoMembre(tohiny)
Raha tianao ho fantatra na mba te-hampitovy ianao dia : Rangita sy Rafohy dia milevina ao Imerimanjaka (ny taolambalony moa izany) . Rafaramahery nanjaka teo Ambohimasimbola fa teraka sy nanambady an-dRafandramanenitra teo Andraisisa ary samy milevina eny Ambohitraina izy mivady: io tendrombohitra avobe manaloka ny lapan’Iavoloha (Mavoloha) io eo ambony andrefany ho an’izay te-hahafantatra. Ary izy telo mirahalahy Rafandrana resahintsika dia eny Soalandy (Ankadivoribe) ary ny an’izy roalahy zandriny izay hita vao tsy ela izay dia efa voarakotra briky mavokely ankehitriny. Ireo tanàna nitoeran’ny razamben’ny andriana rehetra ireo no nanoritra an’ Ampandrana ary ny atsimo indrindra dia ny tendrombohitr’ IFANDRANA na Ifandro (1496 metatra ny hahavony) . Koa raha ny tokony ho izy dia tokony tsy hokitikitihana intsony ireo tendrombohitra rehetra ireo satria mitahiry ireo razambe nipoirantsika (nécropole royale) hoy ny frantsay.
Ary farany ny loharanom-boky nahazoako ireo dia ireo « classiques » rehetra fantatsika fa indrindra ny « Tantaran’ny Malagasy manontolo », Rainitovo 1930 1932 ary ny bokin-dRalaimihoatra Gilberte 2001 izay mitondra zava-baovao maromaro ihany tsara ho fantatra na dia tsy ho marina daholo aza fa ny mpanoratra tantara eo hanamarina na hanatsara izany , izay no faniriana.
Dia ataoko fa hamaly ny fanontanianao ireo ary niniako nangalana fotoana lavalava mihitsy. Raha mbola hafahafa aminao ihany moa ireo zavatra azavaiko ireo dia efa loharanon-tantara mifanipaka atsimo sy avaratra ny antsika izany.
-
AuteurPosts