ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 26 à 30 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21707
    ambodirano
    Membre

    Slt av. Tratry ny taona ary mirary soa é ! Mbola tsy niresaka taminao aho angamba satria vaovao amiko ny anaranao eto. Miala tsiny amin’ilay ranamana anankiray teto ihany koa fa mbola tsy nanoratra ho azy aho fa be raharaha ihany tao ao izay.

    Tena be fanontaniana ianao ry av fa mitovy amin’ny eritreretinao ihany ny valin’ireo amiko afa-tsy ny momba azy telo mirahalahy, na efatra mianadahy:
    Rafandrandava,Ramasindohafandrana,Rafandrampohy miaraka amin-dRafaramahery moa izany izay lazainareo sy ny Tantara sasany hatramin’izao hoe : i (1) niteraka an’i (2) izay niteraka an’i (3) ary io niteraka an’i (4) [izy 4 mianadahy ireo] . Amiko aloha dia mbola averiko indray hoe tsy mitombina izany satria raha ao anatin’ny 50 na 60 taona (1520-1570 ohatra) dia tsy ary ho nanjaka daholo ireo raha nifampiteraka fa mpirahalahy ary ny anabaviny tompon’ny farany. Izany no fomba nifandimbiasan’ny Mpanjaka faha-Vazimba (mode de succession royale vazimba) fa dynastie Andriana zana-dahy mihitsy ny tao Ampandrana anefa , saingy mbola vitsy anisa tamin’izany andro zany. Fantaro fa Rangita zana-dRafaramahery efa nanjaka io 1570 io ary Rafandrandava tamin’ny 1520. Ary ny fanjakana tao Ampandrana dia naharitra mihoatra ny 100 taona kah : 1450-1570 na 1580 aza (130 taona izany) avy eo Rangita nankeo Imerimanjaka.

    Betsaka ny Mpanjaka nantsoina hoe Rafandrana ka mety afangaron’ny olona : ao Andrianamboniravina (1430) tao Beravina , Andriandranolava zanany (1480) tao Ambatondrakorika ary izy 3 mirahalahy resahintsika samy teraka manodidina ny 1500 daholo. Koa kajio ihany izay mifanakaiky amin’ny marina ! Ny fanjakana arindra no natombok’i Rangita sy Rafohy raha nandahatra ny hanjakan’Andriamanelo sy Andriamananitany ny Alakamisy sy Zoma izy mirahavavy mianaka ireo.

    (mbola hitohy)

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21706
    ambodirano
    Membre

    Ny prince Ramahatra dia prince foana satria zanaky ny mpanjaka Ranavalona II izy (nekeny ho izany izy 4 mianadahy zokiny), fa rehefa eo amin’ny zanany kosa dia mialoha làlana @izay Rafaralahy satria izy indray dia zandrin-dRanavalona III, na dia mpirahalahy iray reny izao aza ny zana-dRamahatra sy Rafaralahy.
    Izany ange efa resaka mazava nifanaovan’izy mpirahalahy fa spect eny @ pélouse no manisy sira tsy mahalala resa-pianakaviana fa mba te hisisika koa

    Eny tena Prince tokoa Ramahatra tamin’ny androny satria zanaka Mpanjaka rahateo (fantar’ireo izay mahalala angamba ny tiako ho tenenina). Fa ny amin’ny maha zana-dRanavalona II azy no mbola tsara azavain’ireo mahalala : tsy hoe natsangany ho zanakandriana fotsiny ve izy efatra mianadahy zokiny ? Raha tena zanany tokoa manko Ramahatra , Razafindrazaka vadiny koa anefa dia zanany ka nivady mpianadahy ve izany izy ireo ?
    Sao dia izany kosa aza no nahatonga azy ireo tsy nivady raha tsy niamboho ny Mpanjaka Ranavalona II (mariazy tamin’ny 23 Aogositra 1883) iray volana taty aoriana. Kanefa ny Tantara ihany dia milaza fa nomen’ny Mpanjaka vodivona holovaina izy mivady izany hoe nankasitrahany ny fanambadiana.

    Raha ny filaharana fifandimbiasana eo amin’ny fiandrianana (ordre de succession au trône) aloha hatramin’ny 1897 dia Princesse Razafinadriamanitra III zanaky Princesse Rasendranoro no lohalaharana , tsy nisy tsy nahalala izany ny manodidina ny Mpanjaka. Nony tany an-tsesintany indray dia Princesse Marie Louise zanany no nandimby azy mazava ho azy. Koa mety hisy vaovao ato ato raha tafaverina tokoa avy any Alger ny taolambalon’ny Princesse Rasendranoro ka ho avy eo koa amin’izay ny taranak’i Marie Louise.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21705
    ambodirano
    Membre

    Miarahaba anareo,
    Efa mahazoazo taona sy lehibe ihany ny tenako manoratra eto, ary somary gaga sy talanjona mamaky ny voasoratra momba Ranavalona IV sy Ravoninoro Louise. Taranak’i Rainizoely sy Ravoninoro ny tenako ka izao vao mahita fa misy resaka momba ny fianakavianay…

    ary nahoana Rasendranoro taty aoriana dia nanangana azy ho zanany, aza hadino fa Princesy Rasendranoro dia Zanaka Andriana farany amin’i Ranavalona III ary tera-behivavy. Ny momba io fananganana zaza io kosa indray aloha dia angamba tsy misy resaka satria dia misy taratasy mpanjakana mazava tamin’ny fanjanahantany manamarina azy ary mbola aty amin’ny fianakaviana hatramin’izao. rehefa niverina avy tany Alger ny Prince Rakotomena dia nampitondrai’i Razafindrahety Diadema haterina eny mahamasina misy ny teraka Ravoninoro fahiny, raha misy teraka Rakotomena mifampiresaka aminareo dia mba anontanio anie ny momba an’io Ravoninoro io, dia hitanareo ny filazany ry zareo.
    Ka iza marina ary ilay Ravoninoro? ……
    Marolahin’n Andriambelomasina sy tera-dRavoninoro.

    Tsara ny nitondranao fanazavana teto ho an’ireo izay tsy mahalala . Niresaka diadema nentin’ny Printsy Rakotomena avy any Alger ho an’ny fianakavian-dRavoninoro teny Mahamasina ianao ka ity misy adiresy mahaliana ahitantsika ny sarin’ireo firavaky ny Mpanjakavavin’i Madagasikara :

    http://www.theroyalforums.com/forums/f20/madagascar-royal-jewellery-25370.html

    @n’ny teny anglisy izy io nefa mazava tsara ihany sady miteny ho azy moa ny sary ! (cliquer-na raha tiana halebiazana).

    Ny vaovao farany koa izany dia manankevitra ny hampody eto antanindrazana ny taolambalon’ny Andriambavy isany Rasendranoro sy Razafinandriamanitra amin’ity 2010 ity ny fanjakana Malagasy ankehitriny. Hevitra mety tokoa izany satria izy ireo no mbola any ivelany hatramin’izao : ao @n’ny Cimetière St Eugène ao Alger ny voalohany (1901) ary atsy St Denis la Réunion ny zanany (1897) ary Marie Louise zafiny dia ao @n’ny Cimetière de Montreuil akaikin’i Paris (20 Janvier 1948). Raha tanteraka izany dia mety hivoha ve izany ny fasambe misy an-dRahety razamben’ny Mpanjaka ao Ambohipiara hanafenana azy ireo. Asa ho hitantsika eo ihany ny tohiny !

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21702
    ambodirano
    Membre

    za mba t ahafantatra ny momba ilay Princesse RAVERO raha mba misy afaka milaza sy mahay tantara. iza moa izy io? iza no vadiny? iza avy ny taranany? raha ny fantatro mantsy dia toa hoe anabavin’i RADAMA II izy. mba omeo fanampin-tantatara aho raha misy mahalala azafady..

    Efa maro ny resaka natao teto momba an ‘ Princesse RAVERO ka tsara ianao raha mijery ny post nalefa teto tany amin’ny Septembre-Octobre 2008 tany. Ny hany azoko anampiana momba izay dia zaza natsangan’ny Mpanjaka Rasoherina fony izy mbola Rabodozanakandriana vadibe an-dRakotondradama raha vao teraka tamin’ 1856 ny Princesse sy ny Prince Ratahiry zokiny ary notezain’izy ireo niaraka. Koa tsy anabavin-dRadama II nitaiza azy zany izy kah !!!

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21580
    ambodirano
    Membre

    Fa hay ve ka mpihavana ny mpanjaka tanindrana sy ny eto Imerina e? raha tsy hiresaka ny fifampidiran’ny fianakavian’Ambohijanaka (Ranavalona) sy ry zareo tao Manandona (Andriamanalina) aho , na ry zareo tao ihany (Ratsivinda) sy ny terany tany Menabe (Ramasoandro – rabodo – Ramitraho – Rasalimo) ka nihavian-dRabobalahy; ……. Mbola hoavy hoe ny fanjakana andriana? dia efa fantatra ny ho mpanjaka @ izay? fantatro hoe iza io olona io…no comment! hoavy tokoa ny 2010, ary hoavy ny fin juin 2010 izay nilazana ha hisian’ny fahagagana eto Madagascar!! dia samy miandry am-pahatoniana izahay ka tongava ny andro malaza fa dondona ny ambanilanitra rahavako.

    Mbola hotantaraiko anao ny mety ho rohim-pihavanana teo @ny havan-dRangita niondrana nandositra tany antSakalava ( Toliara @n’izao fotoana izao) ary nanambady ny Mpanjaka voalohany @ dynastie Maroseranana (Anglisy fihaviana) ary nihavian’ ANDRIANJAKA sy ny Andriana rehetra taranany . Dia ho avia soamantsara ny 2010 é , samia hahatratra azy !!!

5 sujets de 26 à 30 (sur un total de 81)
error: