ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 31 à 35 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21575
    ambodirano
    Membre

    Slt Ambodirano, misy zavatra tsy mazava ny zavatra lazainao Hoy ianao hoe mpirahalahy i Rafandrandava ,Ramasindohafandrana ary Rafandrampohy ary Rafaramahery no anabavin’izy ireo. Amiko aloha tsy mitombina izany sady tsy maraka ny laojika. Tadidio fa fony mbola nanjakan’ireo Andriamanjaka ireo teny Ampandrana dia mbola ny « FANJAKANA IFANOAVANA »….
    Tsy fantatra intsony izay marina ry Ambodirano a. Tena mampalahelo ahy isika Malagasy amin’ny tantarantsika. Samy manana ny source daholo ka tsy intsony izay marina.
    Eo ampnaovana recherche ihany koa izaho zao momba an’Ampandrana.
    N.B: Tadidio kely fa fony teny Ampandrana dia mbola tsy nisy izany Andriana izany (période faha-vazimba). Ary izay no mahavoa antsika Malagasy ankehitriny mandino ny Hasin’ny vazimba izay razan’ny Andriana nanjaka taty ahoriana. Ary tadidio fa ny fanaratsiana ny vazimba dia « Histoire à la sauce coloniale ». (ramrov5@yahoo.fr)

    An ân ân efa nisy ny fanjakana Andriana tamin’ny andron-dRafandrana mirahalahy avy kah. Andriana ireo na dia mifangaro Antehiroka aza ary MBOLA NANARAKA ny SUCCESSION « Vazimba » : mifandimby ny mpirahalahy vao mandimby ny zanak’anabavy (Rafaramahery) io . Ny hypothèse-nao no tsy logique ary mbola be mpahalala nefa tsy mitombina satria noho ny ady antrano (guerres intestines) dia afaka nanjaka daholo izy 3 mirahalahy + ny anabaviny satria maty tanora hatrany noho ny ady. Lava loatra ny période AMPANDRANA raha mpianaka mpiafy ets… ireo fa kajio ny daty . Mbola hanoratra hoa anao ny tenako dia afaka mifandresy lahatra isika fa adi-hevitra tsara hipoitra io lafiny iray io.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21537
    ambodirano
    Membre

    Mitovy hevitra izany isika sy ianao ry ‘invité’.
    Ambodirano a. Iza moa no ho afaka anamarina anarana sy tetiarana mila ho 500 taona lasa izay, nefa tsy nisy soratra fa lovan-tsofina fotsiny ?

    Izao no azonao atao koa : manokafa ny « Tantaran’ny Malagasy… » nosoratan’i RAINITOVO dia ho hitanao ao fa ny anadahindRaketaka reniben-n’ ANDRIANJAKA Mpanjaka satria renin-dRatsitohina dia nanana anadahy natao hoe ROBIN II satria metisy anglisy rizareo efa niondrana antsambo tany Angletera t@ 1600 tany izy io ary niverina teto tonga tao Alasora namangy ny anabaviny. Ary namela TANTARA voarakitra antsoratra any Angletera any ary fototry ny Tantara nataon-dRainitovo. Io no niaingan’ny Tetiarana be dia be ka tsara ho fantatra raha ny hevitro.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21525
    ambodirano
    Membre

    Aiza kosa e. Efa mba voavakiko sy voadiniko ny boky nosoratan’ i Gilberte Ralaimihoatra. Mety tsy ho sahy hitsikera kosa aho raha toa ka feo tatsy sy teroa fotsiny no henoko. Nahafinaritra ahy ny fomba nametrahany ny tetiarana, fa kosa tsy maintsy mitandrina foana: marina daholo ve ireo anarana ireo ?

    Ho averiny hono io boky io. Marina tokoa, fa asa, efa tena zokiny mihintsy izy na dia mbola matanjan-tsaina tsara.

    Marina izany kah ! Manaja ny hevitrao ny tenako. Ny fandinihako azy manko dia efa « condensé »-n’ ny Tantaran’ny Malagasy (RAINITOVO) izay mampivadika atidoha ny daty ao anatiny, ny TA ets ets… ny Tetiarana atolotr’i Mme Ralaimihoatra. Ary ny tena tanjany dia miainga amina sehon-javatra (évenements) voaporofo fisiana sy daty ary miakatra any @’ny fahagola ela be tany. Ary misy navelany ho banga eny antsefantsefany eny rehefa tsy voamariny ‘lay izy. Ny anaran’ny Razambe nanjaka aloha dia misy diso fanoratra fa azo vinaniana ihany ny tena mety ho izy . Ohatra ANDRIAMORAINY zokin’Andriandranolava nefa tsy nanjaka na ni-abdiquer dia nataony hoe AndriaMORAONY hita any @n’ny boky sasany koa. Marina aloha fa mila fahamalinana izany toy ny amin’ny fikarohana rehetra. Fa ny tena tsikaritro aloha dia misy ny rantsana (branches) voafafa tanteraka @ny Tetiarana satria resy na manelingelina ny Mpanjaka taty aoriana . Izay no mahatsara ny hanoratana indray ny Tantara ary ataona mpikaroka sy mpandinika marobe izany. Mety ho dingana lehibe no vita raha izay satria hivoaka amin’izany ny ROHIMPIHAVANANA mety tsy hoeritreretin’ny sasany akory .

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21523
    ambodirano
    Membre

    Mme Ralaimihoatra manana ny fomba fijeriny ny tantara tany aloha tany. Tena marina daholo ve ? Tandremo ihany, fa na dia efa zokiny dia zokiny aza izy, dia nilaza izy fa tsy maintsy haveriny iny bokiny iny satria misy tantara sasany tsy maintsy hazavaina, ovaina kely fa tsy tena mitombona , sns …

    Hay va re ka mbola hoaveriny ny boky efa tamin’ny 2001 é ??? Mbola tsy reko ndray zay fa misaotra anao .

    Fa ny tetiarana efa nanaovany fikarohana be angamba tsy hiova indray asa aloha … hohitantsika eo raha mamaky eto izy na ny akaiky azy ohatra.

    Mba topazo maso io boky io dia mety ho gaga ianao satria toa tsy fantarareo sa diso ny tenako ?

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21522
    ambodirano
    Membre

    Tiako ilay « soava tsara ». Ity Ambodirano ity no tena mahay.
    Eo Ambodi-rano angaha ise no miandry andRanoro hivoaka indray Ra sombiniaiko?

    Lol tsy misy Ranoro any kah ngaha tsy hainao ny tantara ??? Be dia be ny razan’ny Ambodirano fa efa fantampantatrareo ve ireo razambe tao Ampandrana ireo é ? Izany angamba no resaka matotra kokoa sa ahoana hoy ianao ?

5 sujets de 31 à 35 (sur un total de 81)
error: