Ampandrana
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
AmpandranaMembre
Slt mianatra!
Fotoana marina izao ifoazana itadiavana ny marina amin’ny tantarantsika. Saingy ny olana sarotra be ny mahita boky andalinana .
Amiko aloha raha ohatra tena andalina dia aleo sur terrain mihintsy fa tsy variana loatra amin’ny famkiana boky. Ary io ary no hitako urgent indrindra satria dieny mbola velona ireo olona antitra mahalala tantara. Manahy aho mantsy fa ny taranaka aty ahoriana anie tsy dia mivaky loha amin’izany tantara izany. Soa ihany aza misy antsika eto amin’ny koolsaina mbola mangetahera mafy ny tantarantsika.
Mahafinaritra anahako izao ny manaraka ilay fandaharana « Ny aty aminay » amin’ny TV Plus. Ireny no tokony ataontsika mikaroka ny tantarantsika. Ny tsy azoko koa anie dia izao e. Misy ny manao fiakoroana nefa tokony mba avoaka amin’ny télé. Ohatra izao ilay hoe fikaroana tany Ambohimanana momba ilay test t@ carbone 14 izay nanamarihana fa efa nisy olona tao amin’io toerana io t@ 9 ème siècle sady nahalala nanefy vy sy niompy omby. Nefa tsy hita izany rehetra izany raha tsy ao anaty boky. Ka tokony avoaka amin’ny télé ireny.AmpandranaMembreSaika adinoko. Aiza no mety ahitana ireo boky Tome1 sy Tome 2 nosoratan’i Rainitovo ireo. Amiko aloha dia tsy dia avy any Ifanongoavana lohatra ny tena fiavian’ny fanjakana Merina na Hova, avy aty Andrefana aza no fahalalako azy.
Momba ny vokatry ny Carbone 14 indray dia maro ihany ny recherche hita izay tsy dia mifanaraka amin’ny lazain’ny TA. Ohatra ny hoe tamin’ny andron’i Andriamanelo vao nisy ny fanefena vy sy tamin’ny andron’i Andrianjaka vao nisy ny fiompiana omby. Nefa nisy document izay hitako milaza fa nisy site archéologique tàny amin’ny faritra Andramasina dia hita tamin’ny Carbone 14 fa tamin’ny 9ème siècle dia efa nisy olona tamin’io toerana io ary hita tamin’izany fa efa nisy ny fiompiana omby sy vokatra azo avy tamin’ny vy. Ity ny doc hitako: »A quelques kilomètres seulement d’Andramasina, surplombant Ankorona, se trouve Ambohimanana, le site actuellement connu comme le plus ancien des Hautes terres. Trouvés à quatre mètres de profondeur dans un premier fossé et datés au Carbone 14, des restes de charbon d’Ambohimanana donnent la date du IXe – Xe siècle. Les fouilles d’Ambohimanana ont fourni la preuve que, dés l’époque « vazimba », les Malgaches élevaient le zébu et en consommaient la viande. Que, dés cette époque aussi, ils connaissaient la métallurgie du fer. »
Ka raha mba fantatrao dia omeo ahy hoe aiza no mety ahitana ireo boky nosoratan’i Rainitovo ireo.12/02/2010 à 18h57 en réponse à : andriana,andevo,côtier,merina : hifankatia dia hivady sy hifampisipa sa hifangarika ? #21765AmpandranaMembreBjr « za ihany ». Mbola misy aloha ny mitazona io zavatra io. Raha ny amiko manokana dia tsy mampaninona anahako ny miresaka izany. Misy mantsy ny olona vao resahina hoe Andriana dia sorena. Tsy hitako izay masositra amin’izany, tantara daholo izany. io miankina amin’ny tsirairay e. Amiko aloha tsy mampaninona ahy ny resaka andriana izany fa izao kosa aoka ny tena andriana ihany no hirehareha amin’izany andriana izany. Misy mantsy ny olona vao misy ilany andriana(ohatra hoe andrindray fa tsy andrindreny na ny mifamadika amin’izany) dia midehaka sahala amin’inona, manjary lasa foza orana be ilay hoe andriana. Aiza koa izay anontaniana rehetra dia miseho ho azy ho andriana. Raha misy olona miteny hoe tsy misy izany intsony dia izao fotsiny, rehefa tafiditra amina fianakaviana iray mbola mitana io ianao dia miova ho azy. Izahako izao taloha dia tsy nahalala izany andriana, hova sy andevo izany, fa rehefa niaraka tamin’ny fiance-ko izao za dia lasa misy complexe kely ihany. Ny fiance-ko zao dia izao andrin-dray no sady andrin-dreny dia mizesta sahala amin’inona ireny.
Raha momba ny hoe merina sy cotier indray dia io efa nolovana tamin’ny razana tany aloha tany satria taddidio fa tafiditra ao amin’ny philosophi-ny Malaizianina ny endogamie izany hoe tsy mifangaro amin’ny race hafa fa ny arabo sy ny afrikana dia exogame izany hoe tsy sarotiny. Koa amiko aloha dia aleoko miaraka amin’ny olona mitovy fiaviana amiko ihany satria fomba tsy mitovy no manahirana.
Raha resaka andriana indray dia hoe ny andriana tsy mahazo manmbady olona tsy andriana. Marina izany fa saingy izao no tadidio, ny samy andriana anie misy tsy mahazo mifanambady. Ohatra ny andriandahy andrianamboninolona izao ohatra dia tsy mahazo manambady andriambavy taranak’Andriamasinavalona na zazamarolahy na zanatompo izany hoe ambony firazanana aminy.AmpandranaMembreHono oa sao dia misy mahalala hoe iza no taranak’ireo misoratra amin’ilay tetiarana misoratra ao main’ny Rovan’Ilafy io. Iza kay no taranak’ilay Rajaona Laurent misoratra ao.
AmpandranaMembreSlt Ambodirano.
Azafady raha somary masiaka kely ka nahatafitohina aanao ny zvatra nolazaiko. Marina fa i Rafohy sy Rangita dia tsy milevina eny Imerimanjaka fa nalevina anaty lakana mifanarona. Misy milaza fa mety ho any amin’ny profndeur ny faraihin-dRangita i Rangita. Fa raha ohatra ka mandeha eny Ambohimasombola kosa ianao dia efa naontany ireo mpiandry La Doany izahay fa ao no milevina i Rafandrafanenitra sy Rafaramahery. Efa nanontany ireny Andevon-drazana mpiandry tanàna ireny koa izahay dia mialza ry zareo fa tena eto Ambohimasombola no milevina ireo Olona fahagola ireo. Ary tamin’ny taona 2009 teo anie no nainga nodoran’ny mpanao ratsy ny fasana ilevenan’i Rafamahery sy Rafandrafanenitra fa akaikin’ny tanàna lohatra ka natahotra ry zareo sao matin’ny fokonolna. Ka ilay fasana teo an-tampon’Ambohitraina no nodoran’ireto mpanao ratsy. Dia nalaza be hoe fasan’i Rafaramahery nefa rehefa nanotany ilay taranak’andevo iray teo Ambohimasombola izahako dia hoe : »Fasan’i Andrimanjaitra ilay may tetsy Ambohitraina fa tsy ny an’i Rafaramahery. Tsy may izany ny fasan’i Rafaramahery fa raha mikasa handoro ny mpanao ratsy dia matin’ny fokonolona eo ». Koa ny zavatra tiako lazaina anao fotsiny di a mandehana any Ambohimsombola dia anontanio ireo mpiandry la Doany hoe aiza no milevina i Rafandrafanenitra sy Rafaramahery. -
AuteurPosts