Ampandrana

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 16 à 20 (sur un total de 51)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22240
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra e!

    Mitovy ilay oe henam-paty sy ilay hena ratsy.

    Saika anotany aho oe ny andriana ian ve no misy fady.
    Ary ahoazna indray ry zalahy avy fiakarana manao ody kenda tena marina ve ilay oe raha kenda dia antsoina ny anaran’iry zareo.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22219
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra indray e!

    Misaotra an’ilay invite eo ambony aloha fa milaza sy mizara izay fantany. Misaotra tompoko!
    Momba ilay fomba fahagola dia izao izaho vao naheno izany oe mihinana olona izany. Ary maninona no ireo firazanan’andriana ireo ihany no tsy mahazo mihinana ilay oe hena ratsy na oe biby misy tongotra efatra . Misy mihintsy olona mbola mitazona io fomba io amin’izao. Misy olona avy any mantasoa fantatro sady fianakaviana ian dia mbola tsy mihinana afa tsy akoho rony rehefa misy miamboho ary rehefa mihinana dia atao kely sira ary tsy mahazo manampy sira raha sendra mahatsapa fa somary matsatso. Ary tsy mahazo mihinana hena afa tsy akoho raha tsy efa tafala eo ambohitra ny razana.
    Tena hitako fa anisan’ny fady tsy maintsy hajaina indrindra io tsy fihinana hena biby tongotra efatra io araka ny nolazain’ilay invite eo ambony oe: »raha tiana hoverezina hasina ka very zo hitondra fanjakana ». Ohatra izao izahay avy etsy Ambohimasombola dia voan’io fahverezana hasina io satria araka ny nafaran’ny razam-be tany aloha t@ ireo raiamandreninay dia nihinana « henam-paty » hono no nahavery ny naha andriana ny taranaka aty ahoriana.
    Ankehitriny koa anefa izaho dia mahita andriamasiavalona mihinana hena mena na dia misy maty aza ny fianakaviana. Ka miankina @ tsirairay raha ny fahalalako azy misy ny mitazona misy ny efa tsy miraharaha.

    Izay angalba no azoko lazaina fa mangataka antsika andray anjara e!

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22208
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry ketafotsy!
    Ary maninona ny etsy Ambohipeno Ambohimanambola no misy aviavy nefa tsy misy andriana akory fa tsimahafotsy sy zanamihoatra ihany.
    Momba ny zanamihoatra ian koa: ny zanamihoatra dia taranak’i Andriamihoatra izay tetsy Ambohitraina ary ambohitraina dia misy hadivory koa maninona no sokajiana ho hova ny zanamihoatra.

    Misaotra tompoko mialoha @ valinteninao.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22166
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry tany!
    Araka ny nolazainao dia TSY AZO soloina ny tranomanara rehefa nirodana. Maninona anefany naverina ilay tranomanara tetsy @ fitomiandalana rehefa naerina @ endriny tany aloha ireo taranany.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22157
    Ampandrana
    Membre

    Aiza daholo e! tsy hotohizana intsony ve ny resaka sa aaon e!

5 sujets de 16 à 20 (sur un total de 51)
error: