Ampandrana
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
AmpandranaMembre
Ary ireo andriamasinavalona tsy manana trano manara ao Vonizongo, tsy andriandehibe izany ?
Miarahaba anao ry mpijery. Inona no antony mahatonga ny Andriamasinavalona ao Vonizongo tsy mahazo trano manara sy lazainao ho tsy andriandehibe. Sa noho izy par anoblissement
AmpandranaMembreMiarahaba antsika rehetra indray!
Hoy ianao ry mpijery hoe Marolahy= tetiarana lava reny+fitomiandalana.
Kanefa raha ny fahalalako azy dia ny fitomiandalana etsy Alasora dia Andriamasinavalona dia ry Andrianamboninimena. Sa nasondrotra zazamarolahy
Saika anontany anao izaho hoe avy aiza ny zazamarolahy. Rahany fahalalakoazy mantsy dia ireo tarak’izy efa-dahy zanak’i Andriamasinavalona izay nanjaka teto Analamanga dia Andriamasinavalona dia ireo zaza tsy nanjaka sy ireo fianakaviana.
Omaly izaho anefa raha niresaka t@ olona iray izay dia nolazainy fa tsy ireo taranaky ny efa dahy zanak’i Andriamasinavalona no atao oe zazamarolahy fa efa tatay ahoriana ireo. Ka lasa mifangaro amiko ilay.
Ka sao afaka manome fanazavana bebe kokoa momba ny Zazamarolahy ianao.Ar aizamarina kay ny nanafenana ny Mpanjaka Andriamasinavalona. Araka ny nolazain’ilay olona ihany fa tsy eo Manjakamiadana no nanafenana azy.
Misaotra tompoko!
AmpandranaMembreMiarahaba anao ry tany!
Misaotra anao aloha @ ilay valin-teny. Misy olona mantsy efa niresakatamiko dia oe Zazamarolahy ny eo Ankadivoribe.Ka izay no antony nanontaniako anao. Hitako tokoa io aviavy io raha ny fahalalako azy dia t@ nanjakan-dRadama rainy no nambolena azy io. Fangah refa misy aviavy dia vodivona.
AmpandranaMembreMiarahaba anao ry tany
Saika anontany anaoa izaho oe Ankadivoribe ve vodivona?
Misaotra e!
AmpandranaMembreMiarahaba anao ry mpijery!
Manoratra aminao aho satria ianao dia malaza mahalala tantara. Ny tiako anontaniana aloha dia tsy misy idirany @ eo ambony mihitsy fa somary entiko aty antsinana indray. Tena miafina amiko mantsy ny momba ny andriana aty Ifanongoavana indrindra ny momba an’Andriampanarivofonamanjaka. ny fantatro fotsiny dia Andrianan’Ifanongoavana izy io ka rehefa nanjaka Andriamsinavalona dia izy no voalohany tonga teo Antananarivo nihaona t@ Mpanjaka ka nankasitraka ny hanjakan’Andriamasinavalona. Ka ho valin’izany dia nomen’Andriamasinavalona azy ny anabaviny Ranavalotsimitoviaminandriana.
Izay no fantatro ny talohan’izay no tsy fantatro momba ity Andrianan’Ifanongoavana ity. Izany hoe Misy ifandraisany @ zanadralambo sy Andrianteloiray ve ny nipoiran’Andriampanarivofoinamanjaka.
Misaotra tompoko!
-
AuteurPosts