Ampandrana

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 31 à 35 (sur un total de 51)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22009
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anaoa ry tany!

    Avadiko kely ny resaka. Araka ny tantara dia fony Radama II nanjaka dia anisan’ny namonoana azy ny fiarahany t@ ny Menamaso. Ka ny momba i Menamaso io no tiako asiana resaka. Araka ny tantara enoko aloha sy tenenina dia tena olona mpifoka rongony sy mpanala azy arka ny tenin’ny zatovo izy ireo. Tsy misy atao hafa tsy ny mirevy. Rahaazoko tsara dia olona ratsy ireo. Izy ireo koa dia nenjehina t@ fanalaana an-dRadama II.
    Nisy fotoana izaho anefa namaky boky anankiray izaho dia tena zavatra hafa mihitsy no lazainy momb ny Menamaso. Araka io boky io dia ny Menamaso dia olona mahay sy kristianina izay mifanohitra @ lazain’ny sasany.
    Ilay boky novakiako dia boky mitantara an’i RATANY sy tantarany. Izy io dia mpampianatra tao anaty Rova t@ izany andro izany. Izy dia Andrianan’ny Vonizongo no sady tsy tadidiko izay na dadabe na arrire grand pèren’i Samuel RATANY. Azavainy ao koa ny tantaran’ny Andriana avy ao Vonizongo manomboka eo @ Andrianintoarivo ka ha@ RATANY.

    Koa saika anontany anao aho oe iza no tena marina ra araky ny fahafantaranao azy.

    Misaotra tompoko!

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21997
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry mpijery!

    Saika anontany anao ary hoe aiza eo Fenoarivo i Ramaromanompo no nafenina.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21996
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry tantsaha!

    Izaho koa mba gaga. Ataoko hoe mandainga ilay olona t@ TV PLUs nefa taranany ve izy andainga. Izay vao tadidiko fa araka ny nolzainy dia Rangorinimerina no anarany ny fasany dia fasana miloloha trano manarana roa ao ambadiky ny paostra eo Fenoarivo eo amoron-dàlana io. Toa hoe vadin’Andrianampoinimerina izy io ary rahavavin’ilay vadin’Andrianampoinimerina tetsy Ambohijoky. Ka eto izany dia misy Rangorinimerina roa dia ilay anabavin’Andrianambonimena na renin’i Rakotomavo.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21988
    Ampandrana
    Membre

    Misaotra anao ry mpijery t@ ilay valiteny nomenao teo.

    Ity misy zavatra anontaniako anao. Ary i Ramaromanompo zanak’Andrianamboatsimarofy ve milevina eo Fenoarivo sa aiza raha tsy eo dia aiza. Ary nisy fotoana nandeha t@ « Aty aminay » t@ TV PLUS ny momba an’i Fenoarivo dia nasehony teo ilay fasana iafenan’i Rangorinimerina izay antsoin’ny taranany nanoltra t@ TV PLUS hoe « Bebe Rangory ». Ka saika anontany anao izaho hoe misy ifandraisany @ Andrianamboatsimarofy na ny zanany Ramaromanompo ve io Andriambavy io.

    Misaotra tompoko!

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21982
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra tompoko!

    Elaela tsy nandalo ny tena zao vao mamaky indray ny voalaza ato e.
    Saika anontany fotsiny izaho hoe inona no mety antony mahatonga ny fasana ivelan’ny hady (satria misy izao milaza fa mba milolo trano manara iahny ny fasana sasany nefa ivelan’ny hady) dikany ratsy ve izy io.
    Misaotra tompoko!

5 sujets de 31 à 35 (sur un total de 51)
error: