HasinAlasora

Toutes mes réponses sur les forums

2 sujets de 1 à 2 (sur un total de 2)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21704
    HasinAlasora
    Membre

    Justement!! tarigetranareo tokoa ny tsy milaza an’izany satria « hono » efa hafatra t@ razanareo ny tsy ilazalazana izany satria zava-masina tsy azo atao kilalao ny resaka fifandovan-kasina ka tsy hivoaka ny seha-pianakaviana atin’Andriana ny resaka – efa mazava aminay mpitazana iny kah – SAINGY, mahasosotra kosa raha toa efa fantatra mazava hoan’izay olona rehetra mahay mandalina sy mandinika ary liana @ famakafakana ny hamaky sy hino fa atsy aminay havanandriana , ao aminay andrianteloray no hilazalaza fa SAR izy. Manaiky aho fa tsy mbola misy ROI izao, tsisy ny andriamanjaka eto Antananarivo SAINGY, na izaho na ianareo dia samy mahalala tsara hoe « iza » no taranak’i Ranona, ary iza no nifanambady t@ ranona ka nahatonga azy tsy ho Zazamarolahy intsony na ho andriamasinavalona intsony. Dia toa izany koa no fijeriko izaho manokana…andrianteloray ny tena ka tsy hanalabaraka tena hilaza tena ho SAR ka hitafy lamba eo imason’ny tompony ankalamanjahana eto, manalabaraka anay andrianteloray izay mifaitsaka tsara sy te hilamina lalandava ny fisisihan’ny olona iray hilaza azy ho SAR, ary hono wa??? fa ny andriantompokoindrindra (lahy) kay rehefa manambady zanadralambo (vavy) dia mba manao akory?? mbola mijanona ho zanatompo ihany ve??? aminay izay niezaka nitana ny hafa-dRay aman-dreny mantsy dia  » ny reny no handovana hasina » fa aoka hotsakoina tsara izany vao manandra-tena.
    hevitro ny ahy iny aza atao maha-tafitohina fa avereno amiko raha toa tsy mifanaraka aminao

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21699
    HasinAlasora
    Membre

    Izaho mahalala ny olona tompon’ny farany! te ahalala ianao? ndehana savasavao ny ao @ fikambanan’ny « terakin’ny Manjaka » ho gaga ianao fa ao no izy, ny tompony, ilay tsy nitampoka mandraka androany, ilay tsy mba nisehoseho nefa feno hasina, ilay sahy milazalaza ny @ razany @ olona izay fantany fa mahay mandray sy misaina ary vonona ny hihaino sy handalina. Mety ho maromaro no manana laharana mitovy sy zo hilazalaza ho tompon’ny farany ao @io fikambanana io saingy tsy any an-kafa izany fa ao @io fikambanam-pianakaviana io ihany no mifarana ny fikarohana rehetra. Aza resahina azy izay rehetra tampon’Itsimahafotsy fa hainy satria azy sy ny razany izany, aza atoro azy Imerinatsimo fa tanindrazany, aza tampenana ny masony raha hoeny @ ikakibe Andrianambonimena fa io no ligné direct @ lahy naha izy azy, Izahay???? mpitazana tsotra, namana, mandinika sy mizaha izay fiandohany sy ny fidonany, miandry izay figadony nefa tsy fahanan-dalitra ihany koa fa satria fantatray tsara hoe IZA moa no tompony? iza no mendrika ? aza lany andro @ izay resaka SAR sns fa alalino ny terak’ifohiloha mifampiditra @ Imahandrihono sy izay sahy manitsaka tsy ampihambahambana an’i Rarisambo sy ny toerana nisy ny lapa Voahangy sy ny tampon’imerinatsimo rehetra dia izay terak’Andrianjakanavalomandimby nifampiditra t@ Andriankotonavalona sy ry zareo Mahazaza…io lehiretsy no azoko lazaina fa SAR raha tiana izany a! SAINGY hoy izy mantsy anay hoe izahay Zazamarolahy fa tsy hilaza anay ho zanakandriana izahay satria afa dify ela ny époque monarchique…efa nihoatra ny taranaka faha 7 angaha ?

2 sujets de 1 à 2 (sur un total de 2)
error: