mianatra
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
mianatraMembre
slt av, azo heverina fa mitombina kokoa ny hoe mpirahalahy ireo rafandrana.. toa izay hoe mpianaka, ny hoe IFANAOVANA mantsy dia fomba fifampifehezana eo @ olona mitovy « rang » (mpirahalahy) fa tsy « hiérarchisé »(mpianaka), mety tsara izany teo @ ANDRIAMORAONY sy ANDRIANDRANOLAVA, fa ny teo @ ANDRIANDRANOLAVA sy RAFANDRANA dia fandovana, satria tsy nanana taranaka natanjaka i ANDRIAMORAONY dia mora sy nandeha ho azy ny fandovana ho an’ i RAFANDRANA, ny samy RAFANDRANA nifamatotra t@ IFANAOVANA dia nilamina sy niroborobo ny fanjakana. I ANDRIAMPENITRA dia efa MPANJAKA tany @ toerana hafa no tonga teny, nanambady an-DRAFARAMAHERY vavy tamin’ireo RAFANDRANA izy afahany manafy ny toerany teo, sahala @ nataon’ireo RAFANDRANA MIRAHALAHY AVY nanambady ny zana’ANDRIAMIHOATRA tompon’ny tany t@iny toerana rehetra iny » izany ny hoe FANJAKANA IOMBONANA, miaraka tononina ny lahy sy ny vavy ka ny vavy mitondra anarana » avec un sens de propriété ou de mis en valeur » …MANANANITANY na …NANAMBOANITANY.Naka ny anarana hoe RAFANDRAMANENITRA mihitsy izy. Ireo RAFANDRANA zokiny anefa niteraka ary nanana mpanohana matanjaka ka izay ny olana ho an’i RAFANDRAMANENITRA SY RAFARAMAHERY, supposition ihany ny arosoko ireo fa tsy misy porofo ka tsy mitompo teny aho. HO ahy lany andro isika raha ifandahatra lava hoe mpianaka na mpirahalahy ireo RAFANDRANA ny tena tokony ho raisina avy @ IZY IREO dia ny fahendrena ao @hoe IFANAOVANA , IZANY HOE FIFANDAMINANA SY FIFALIANA SOA, ny mampikorotana ny tanin-tsika anio dia io tsy fahaizana MIFANDAMINA SYMIFAMALY SOA IO
PS : iny toerana hoe AMPANDRANA iny no zokiny indrindra @ ireo tendrombohitra roambinifolo, indrisy anefa fa rehefa nitondra RATSIRAKA sy RAVALOMANANA dia lasa VULGAIRE CARRIERE ho an’HAZOVATO izy ankehitriny, sao dia mba IZANY no naharava ny fanjakan’izy roalahy ireo , ny zanak’ANDRIAMPENITRA HONO SAROTRA ASIAN-DRATSY toa misy ny hoe TSY MANIRY VARY??? -
AuteurPosts