mpandalo
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
mpandaloMembre
Tsy dia hamoaka zava-baovao aho fa izay efa fahita eny amin’ny boky ihany no ho tohizako eto, na dia efa nampitaha tamin’ny tetiarana rehetra eo am-pelatanako aza aho. Tsy resaka mitily avy lavitra fotsiny izy ity, fa mba tany nihavin’ny tena koa io Ambodirano io, ka mba misy tantara nolovaina avy ao.
Tsy miala amin’ny resaka Mayeur aho satria izy no nanatri-maso ity resahantsika ity. Hoy i « Ambodirano » hoe tsy dia azo inoana daholo ny noteneniny. OK. Marina izany. Rehefa miteny izy hoe, 20 000 guerriers no nentin’ Andrianamboatsimarofy nanafika an’Andrianavalonzafy, dia lasa saina tokoa aho. Raha miteny kosa izy hoe Rabodomanjakanimerina no renin’i Tsimarofy, dia tsy inoana ve izy nefa ny mpanjaka mihintsy no loharan’ny resany ? Raha miteny ve izy hoe Andriambetandra « Grand-oncle paternel » de Tsimarofy, dia tsy inoana ve izy nefa ny tetiarana aty amin’ny tena manamarina izany, tahaka an’ilay tantara kely ao amin’ny T.A. Raha miteny ve izy hoe « Andriamohara a quand même gardé sa palissade aprés une rebellion car c’est un grand stratège et un grand guerrier », dia tsy inoana ve nefa izany koa no lovan-tsofina avy any amin’ny fianakaviana ? Dia ahoana izy no tenenina fa mandainga rehefa milaza fa raiben’Andrianamboatsimarofy i Andriamponimerina , nefa io mpanjaka io no loharanon’ny zavatra soratany fa tsy mandalo olon-kafa. Sady fantany fa efa niamboho izy fa mba vakio tsara e! Ka tsy mety ho zanak’anabavin’Andriamponimerina mihintsy Andrianamboatsimarofy.
I Maromanompo . Hoy Mayeur hoe izy no tokony hanjaka, ary zanakiny vadibe. Hoy koa izy hoe « Rahatsavola » no vadibe, sady « cousine germaine ». Tsy mazava ve hoe iza no reniny ? Sady nosoratany mazava tsara koa fa Ratsimihantaha zanak’Andrianjafy dia vadiny faharoa fa tsy vadibe akory. Dia atao hoe mandainga koa ve i Mayeur nefa nampiantranon ‘i Ratsimihantaha ary nahita maso ny tao ?
Tsy hamoaka zavatra any anaty tetiarana sy tantaram-pianakaviana eto aho, satria mazava tsara ny hafatra ery ambony ery. Ireo rehetra ireo dia anaty boky hitan’i Babay sy Lohavitra raha mitady amin’ny internet fa tsy noforomporonina akory.
mpandaloMembreHay ny rahalahan’ Andriamponimerina no nandimby azy ? Tsara izany ka. Ahitan-javatra tokoa eto ka.
Samia mitahiry ny tetiarany e.
mpandaloMembreTena gaga mihintsy aho amin’ity resaka mpanjaka Andrianamboatsimarofy ity. Ohatrin’ny efa tafapetraka any amin’ny tetiarana maro ny fijeriko ny tetiarany, nefa mbola misy mamoaka version hafa indray. Asa inona no antony.
Raha ny fanazavan’ « Ambodirano» azy , dia zafikelin’ Andrianjakanavalomandrimby izy . Fa maninona no tsy maintsy atao zanak’ Andrianjakanavalomandrimby Rasahala II , nefa efa mazava be izao fa zanak’ Andriamponimerina ? I Mayeur aza mandalo fotsiny nahita fa zafikelin’Andrianponimerina avy amin’ny Rasahala i Andrianamboatsimarofy.
Raha mandehandeha amin’ny internet ianareo, dia mitovy amin’io koa ny nosoratan’ i C. R. ao amin’ny boky « Empreintes de la servitude …. » : Zafikelin’ Andrianjakanavalomandimby i Andrianamboatsimarofy .Ravaonimerina. Hay ve izy no atao hoe Razanakinimanjaka e ! Aleo ho rovitiko daholo ny tetiarana aty amiko fa tena diso daholo raha ny fijeriko azy.
Ny manafangaro anarana tokoa toa manova tantara mihintsy. Izany no ahitana Ravololondrenitrimo roa tampoka eo.
Mpijery >>> Toa milafika hono izy ao Fenoarivo ao … fa mba tiako ho fantatra hoe aiza ho aiza . Trarantitra e!
mpandaloMembreRaha namadibadika ny soratry Mayeur aho, dia voazavany tsara kosa ny vodivona ( fanjakana ? ) nandraisan’ ireo havan’ Andrianamboatsimarofy hajia tamin’ny 1777. Hoy izy hoe Raboudou manjacanimerina ( Rabodomanjakanimerina ? ) , renin’ Andrianamboatsimarofy dia nandray ny hajia tao « Maroumene » ( Maromena ). Mazava koa fa tena avahany tsara ny « Mamoula dahe » ( Mamoladahy) sy ny Maromena rehefa mitanisa ny « régions administratives » izy.
Taty aoriana, rehefa novorian’ny mpanjaka Andrianampoinimerina imerina enin-toko, dia nozarainy Ambodirano, ka nisy Mamoladahy ( Antsahadinta ), Maromena avaratra ( Fenoarivo ) ary Maromena Atsimo ( Ambohimandry ), sns ….. Ny fizarana teo aloha ihany no noraisiny, fa Antsahadinta fotsiny no nataony renivohitr’ Ambodirano.
Ka minomino kokoa aho fa tsy avy ao Antsahadinta ny renin’ ny mpanjaka Andrianamboatsimarofy fa avy any Fenoarivo.
Jereo ange e. Rehefa notafihan Andrianampoinimerina in-telo izy, dia Fenoarivo foana no nalehany. Ny Manisotra moa tezitra tamin’ny mihintsy: « Andraso ny tanàna ao Antananarivo, fa aza mandehandeha any Fenoarivo ». Tsy tany Antsahadinta mihintsy izy no nitsaoka, fa tany Fenoarivo foana.
Ranjoanina koa toa tao Antsahadinta no nitandrina. Mafy ny « influence » ny mpitandrina tamin’izany fotoana izany (1920 ). Miteny fotsiny izy hoe avy eto Antsahadinta ny reniko, dia nino daholo.
mpandaloMembreFa ahoana e. Fa isika eto angaha tsy mbola namaky ny tatitra nataon’ i Nicolas Mayeur tamin’ny 1777 sy 1785 ? Andrianamboatsimarofy mihintsy ange no nalehany tany e.
-
AuteurPosts