mpandalo

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 26 à 30 (sur un total de 45)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21967
    mpandalo
    Membre

    Mba nitopy maso kely ny tetiarana navaokan’ny teraky Ramakilahy zanak’Andriamangarira ampahabemaso aho, dia mba nampitaha azy tamin’ireo nivaoka ao amin’ny Taniko, Aviavy. Dia mba nampitaha amin’ilay tetiarana hitam-bahoaka ao an-drovan’Antsahadinta. Dia mba nojereko koa ny eto am-pelatanako. Aleo samy mitahiry tsara ny azy e. Raha toa ka misy miteny rahampitso hoe nahita Ravololondrenitrimo fahatelo, dia hajaina koa ny azy, fa ny ahy aloha aleoko ihany mitahiry tsara ny eto am-pelatanako.

    Ny mikasika ny ao Antsahadinta. Tsy nisy nandà teto fa Andriamangarira no tompon-toerana nanorina ny tanàna ka. Izy tokoa no nanao hadifory fito sosona. Ny hany nahasarika ahy fotsiny fony nitsangatsangana teny, dia ilay toerana manokana nametrahana ny fasan’Andriamangarira. Rehefa miditra ao anatirova, izay tena voafehy tsara, dia hita mibaribary fa any ivelan’ ny rova ny fasan’Andriamangarira. Ao an-tanàna, fa ivelan’ny rova. Ohatrin’ny tohatra tokoa rehefa avy aty ambany ny fanasarahana ny rova sy fasan’Andriamangarira. Fa rehefa ao anaty rova no mijery, dia hita fa hady no manasaraka azy, fa tsy totohatra akory.
    Mba lasa ihany koa ny saina mijery ity fasana ery ambony vatolampy. Fa andriana inona re no mbola nivevina teo ambony vatolampy tamin’ny andron’ Andrianampoinimerina e!
    Ary farany, mbola nanontany tena ihany koa aho amin’ny toerany avaratry ny miadalana ao anatirova. Mianatsimo mianavaratra no fahafantarako ny filaharan’ny miandalana. Raha napetrany teny avaratra ny azy, dia midika ve fa taty aoriana izy izany ? Ary nahoana moa no nahazo anjara toerana tao anatirova ny taranak’Andrianjakatrimo, nefa izy « mpanjaka » ary tsy nahazo ?

    Hay 80 taona lasa izay, efa nisy namaly ireo fanontaniako ireo, ary tsy hitako raha tsy vao haingana ny nosoratany tao anaty Firaketana :  » …Eo ivelan-kadin’Antsahadinta, ary ivelam-bohitra, no misy ny fasana izay nandevenana an’Andriamangarira…. Mifampiarahaba « tsara va tompoko » toy ny andriana ny taranak’Andriamangarira, na dia menakelin’Antsahadinta toy ny Mamoladahy aza, ary mitondra entan’andriana sy manao ny fanaon’ny hova rehetra … ».

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21964
    mpandalo
    Membre

    Hoy ilay rangaha izay tatsy ambadika tatsy. Fa inona moa no nahatonga an’ilay anarana Ravololondrenitrimo ? Renin’ iza moa izy io ? Tsy renin’ i Trimo ? Ka iza moa no Trimo fantatra tao Ambodirano tao tamin’izany andro izany ? Andriandambozozoro sa Andrianjakatrimo ????????

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21963
    mpandalo
    Membre

    Oui il y a répondu mais Mpijery n’a pas forcément raison cher ami, vu ses sources généalogiques en l’occurence celle des andriana d’Antsahadinta.

    Izany ve ? Mahagaga ihany marina aloha ny fisian’ny anarana « Ravololondrenitrimo » roa ao amin’ny tetiarana. Andrianjakatrimo koa moa izany tsy dia hainao loatra satria tsy tetiaranao? Mitsidika kely fotsiny ao Antsahadinta anefa ianao, dia hita mazava ny filaharan’ny fitomiandalana. Ny voalohany ho an’ny za teraky Nenibe Rabodozafimanjaka. Ny manaraka ho an’ny terak’ireo zzm amin’i Ratsimisotry zanak’Andriantsiramanjaka ary ny manaraka ho an’ireo msv terak’Andrianjakatrimo. Misy razan’ny tena moa voatonona ka mba nijery tany mihintsy, f a raha mijery ny firaketan-dRavelojaona ianao, dia efa voarakitra ao daholo izany.
    Rehefa ao Antsahadinta ihany. Ny tena mahagaga ahy, dia eny avaratry ny fitomiandalana no misy ny fasana’Andriamangarira. Kanefa, rehefa nodinihina tsara, dia toa eny ivelanan’ny hadivory sy ivelan’ny rova no misy ilay vatolampy be itoeran’ilay « tranomanara ». Raha ny fahafantarako azy, indrindra moa tamin’ny andro faha gasy, toa tena misy dikany mihintsy ny fametrahana ny fasana ao anaty na ivelan’ny hadivory.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21954
    mpandalo
    Membre

    « Namehana », vous vous referez au village d’Ambohimalaza comme étant un « village noble ». Pourquoi pas ? Mais cela ne sous-entend nullement que tout ceux qui se disent descendants d’Ambohimalaza sont nobles. Ceux de la-haut, à l’intérieur du fossé, forcement . Les autres un peu moins. Et pourtant , les descendants des douze Raiamandreny, hova, ont tout à fait le droit de se dire natif d’Ambohimalaza depuis au mois 450 ans … Attention à la différence entre descendant d’Andriantommpokoindrindra et natif d’Ambohimalaza.
    A Namehena, « village noble » comme vous dites, je suis sûr que ce genre de distinction existe aussi. Nous ne remettons en cause la « noblesse » des descendants d’Andriambolanambo et des autres andriana du village. Mais tout les natifs de Namehana sont-ils leurs descendants ? Et surtout, Andriamihaja est-il un descendant des ces andriana ? Mpijery a déja répondu à la question.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21923
    mpandalo
    Membre

    Oadary ry Ampandrana. Tonga dia raisinao an-tendrony koa izy izany. Tsy mitsara aho ka. Resaka milamina ny antsika fa tsy misy gidragidra.

5 sujets de 26 à 30 (sur un total de 45)
error: