mpandalo
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
mpandaloMembre
Manao ahoana ianao Ampandrana.
Azoko tsara ny tianao lazaina fa aza manahy.
Soa toavina nolovaina ny maha andriana amin’izao fotoana izao. Raha andriana ny rainao, raha andriana ny reninao, ka tezaina aamin’ny maha-andriana anao ianao, dia andriana koa ianao izany. Raha misy iray amin’ireo tsy andriana, dia efa tsy izy intsony ianao izany.
Raha mbola nisy mpanjaka tompon’ny razana amin’izao isika miteny izao, dia mety hanapak’ izy hoe aleo i rahanona no ho atao andriana fa nanampy ny fanjakako. Aleo ry rahanona retsy, hijanona ho andriana ihany fa tonga ny nankato ny teniko fa tsy niady tamiko.
Nefa moa efa tsy misy mpanjaka intsony…
Ka dia ny soa toavina nolovaina sisa no kolokoloina tsara. Tsy démocratie akory ity resaka andriana ity, ka ny be sy ny maro no hifidy hoe atao kilasy manokana izahay satria efa miha-maro anisa.Marina fa mihavitsy ny andriana. Tsy olana mihintsy izany. Rehefa tsy misy intsony ny andriana, dia tsy misy intsony, fa tsy ireo safiotra mihintsy akory no andeha hijoro ho andriana na hamoronana kilasy vaovao hitovitovy amin’ny andriana.
mpandaloMembreAmpandrana a ! Na hainao hoe aiza ny marorahin’ Imerinatsimo, dia manatasafa fotsiny ianao. Na tsy hainao, nefa raha manontany fotsiny ianao hoe aiza ho aiza ny no misy ny marolahin’ Imerinatsimo dia efa malaina izy ireo hamaly an’izany.
mpandaloMembreIzaho aloha tsy handetika azy loatra ry Mpijery a! Na mamely mafy manao ahoana aza. Ohatran’ny mahatsiaro ny fahatanorako ara-tantara aho mantsy. Nomen’ny ray aman-dreny ny tetiarana mikasika ny loharano nipoirana. Nahavaky ny Tantaran’ny andriana, nahita vaovao sasantsasany eny amin’ny serasera, nomen’ ireo havana mpampianatra avo lenta amin’ny tantara malagasy sopapa. Dia aviavy ery mampiseho ny kely mba hay satria andriana ray sy reny manambady andriana ray sy reny.
Aoka fotsiny e! hay ao ambadika ao misy tena mahafehy lavitra an’ity resaka tantara-drazana ity. Izany hoe tetiarana eran’ny sobika izany ( na misy aza tena fopla , sa ahoana ?).
Misy zavatra sasany tena tsy ho azon’ny mpanaraka tantara an-tsaina mihintsy raha tsy mifandray amin’ ireo olom-bitsy mitahiry ny tantara. Samy mahalala ny T.A. daholo ireo nanao maternelle amin’ny Tantara .Samy mahalala koa ny Etude Critique natao’i Razafindrazaka sy Rasamimanana mikasika ny Andriantompokoindrindra manokana. Dia iny foana no entin’ny avy any Ambohimalaza ho « argumentaire ». Ny tsy hain’izy ireo mantsy, dia efa nisy nanampahaizana tany ho any, efa ela dia ela, nahavita ny etude critique an’io bokin-dRasamimanana io. Vitsy mpanana.
Inona koa moa ny tena mampisendotra an’ ireo mpitahiry tantara ? Toa hoe fasam-bazimba hono ny an’i Nenibe Ravolondrenitrimo ao Ambohimihakoja ao …mpandaloMembreRaha ny hevitro aloha, izay fantatra kosa, dia tsy maintsy raiketina an-tsoratra ( edition ) na ho haparitaka na tsia ( publication ).
Raha tetiarana tokoa, mbola tena tena sarotra satria mbola sarotiny be ireo mikolo ny soa-toavina maha-andriana. Fa na dia izany aza, efa nifanatri-tava tamin’ireo mpitahiry tetiarana aho, ka mino fa tsy ho very tsy akory iny lafiny iny.
Ny tantaram-pianakaviana, toy ny diary ohatra, dia tokony amporisihina ny tsirairay hamoaka na dia fantatra aza fa mbola sarotra ( ohatra mpamadika tamin’ny 1895, 1947 sns ). Sao ataon’ny olona fampirehetana afo fotsiny tokoa.
mpandaloMembreJe reviens sur le sujet de ce même forum concernant Rafaramahery, Rafohy ( ou Andriampohy ), Rafandramanenitra ( ou Andriampenitra ) … d’un point de vue historique. Dans tout livre d’ histoire de madagascar qui se respecte ( colons, malgachisant ou nationaux ), un chapitre au moins est consacré à ça. Sur Google, 1 170 hits rien que pour Rafohy et Rangita.
Depuis 1902, des études ont été menées à l’Académie malgache sur ce thème, avec des enquêtes sur place. Enquête sur place importante car la mobilité des populations n’était pas encore aussi intense qu’actuellement. En 1902, on pouvait encore voir des hommes au temps grisonnantes n’ayant pas été pollués par les divers théories vaseuses des pseudo-historiens coloniaux. Tout ça a été consigné.
Et on va me dire en 2010 qu’il faut aller sur place pour demander aux gardiens des tombeaux d’Alasora, d’Ambohimasimbola ou d’Imerimanjaka ce qu’ils en pensent. Pourquoi pas ? mais je reste quand même sceptique, ayant fait la même démarche sur d’autres sites. Ce n’était pas une plaisanterie quand je disais que certains donnaient des infos complètement à côté de la plaque uniquement pour le bon pourboire à la fin.mpijery >>> ianao toa anisan’ireny mahafehy tsara ny tetiarana sy mitovy hevitra amin’ireo vodron’andriana tsy mety hamoaka ny tena izy satria sao misy mijapy fotsiny … Sa ahoana ?
-
AuteurPosts