mpijery

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 37)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21994
    mpijery
    Membre

    Mpijery >>> Toa milafika hono izy ao Fenoarivo ao … fa mba tiako ho fantatra hoe aiza ho aiza . Trarantitra e!

    Ary satria fantatro @izay hoe iza ianao sy ny fihavanantsika, dia ataoko mazava ny valinteny, io atsimon’ny nametrahana an-draibenareo io.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21990
    mpijery
    Membre

    Ie, ao Fenoarivo tokoa Ramaromanompo no milevina, efa hariva ny andro fony namindra an’Andrianamboatsimarofy Ranjoanina dia tsy voafindra intsony izy ka dia nijanona ao.

    Rangorinimerina dia tsy ao Fenoarivo fa tany Mahandrihono Ambohimanga izy no nalevin’Andriambelomasina zanany.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21987
    mpijery
    Membre

    Misy Ravolondrenitrimo roa, Rasahala 4, sns… mahalasa eritreritra!!!

    1)
    Raha araky ny fanazavana eto izany:
    Rasahala ny vadin’Andriampoinimerina, sady Rasahala ihany koa ny anabaviny. Ialako tsiny fa sarotra inoana izany, fa toa misy fifandrifian-javatra tsy hasard.
    Tsy vitan’izany fa raha izay no izy, dia misy dévolution successorale hafahafa sady tsy marim-pototra satria dia tena zefa be Andriamponimerina raha izany. Nanjaka aloha ny zanak’Andriamponimerina roa lahy izay vao ny zanak’anabaviny. Tsy matotra izany resaka izany, raha te hampihatra ny lalanan’ny zanakanabavy napetrak’Andriamasinvalona Andriampoinimerina ka hitsipaka ny taranany dia nalefa tany @ fianakavian’Andrianambonimena ny fahefana. Raha te hanamboamboatra resaka kosa izy dia tsy maintsy nikendry ny hanome fahefana ny taranany ka ni-imposer t@ zanany lahy ny zafy naloaky ny kibony dia eto mitombona tsara fa zanaky ny zanany vavy Andrianamboatsimarofy tahaka ny nataon’Ambohidratrimo.

    Averiko indray: na Andriampoinimerina te hanaiky ny tenin’Andriamasinavalona dia nanome fahefana ny mpianakavin’Andriambonimena ary efa nanome lesona @ izany Andriantsimitoviaminandriana Ambohimanga, na izy mody manamboamboatra dia omeny an’i zafiny avy @ zanany vavy dia mody hoe mampiatra ny lananan’ny zanakanabavy tahaka ny nataon’ny teny Marovatana. Tereny ny zanany lahy fa mijanona ao @ taranany ihany ny fahefana . Fa raha dia hitsipaka ny taranany izy kanefa tsy mankato ny hafatr’Andriamasinavalona dia voa double, dia tena heverina fa tsy misy stratégie de pouvoir ndao atao hoe vendrana satria very fanjakana ny taranany kanefa tsy nankato ray aman-dreny hatry ny fony Andrianjakanavalomandimby Antananarivo izireo.

    2) Ny hoe vodivona Amparihindrasahala dia tsy marina izany fa ny tany Menabe tsy fanao vodivona.

    3) Ny ohatra ahitako fampifangaroana anarana sy ny fanatovanana anarana ilay ataoko hoe téléscopage de noms dia manjary mahatonga ahy hitombo fisalasalana tanteraka ny @ fahamarinan’ny théorie resahina.

    Ohatra: iray ihany Ravaonimerina sy Razanakinimanjaka ary io ihany no atao hoe Rasahala.
    Izay ilay ateraky ny famakiana Firaketana izay tsy voatery ho mari-pototra. Roa ny zanany hoy ny firaketana, misy anaram-behivavy roa anefa hita donc misy déduction hoe: iray ihany izany ireo olona ireo.
    Marina tokoa fa novonoin’Andrianampoinimerina Ravaonimerina sy ny zanany ary misy tantara tena nahaontsa tokoa ny amin’io, fa RAZANAKINIMANJAKA DIA OLONA HAFA TANTERAKA NOHO RAVAONIMERINA , iray ray samihafa reny ireo ary maro taranaka Ranazakinimanjaka ary maro ireo havana taranak’io, na dia @ fetim-bokatry ny fiangonana eny Antsahadinta ihany aza dia ampy ahalalana izany maika fa ampiana ny eny Androhibe, Ivatobe Ambohimahamanina.
    Ialako tsiny fa tsy resy lahatra ny tena @ilay théorie des noms.

    4) Amin’ilay fanontaniana fasana ivelan-kady: fahiny ny Andriana sarotiny raha heveriny fa tsy hahafehy ny lalanan-dRazana hentitra @ fanambadiana ny taranany dia asiany fasana ivelan-kady antsoiny hoe Itsimialonjafy idiran’ny taranaka tsy an-kanavaka, mba tsy hampisavorovoro ny @ resaka miditra na tsy miditra am-pasandrazambe. Dia asiany fira-vava mba ny mitana ny lalàna ihany no mahazo manao ao anaty hadivory. Izay no heveriko fa ametahan’ny olona tranomanara ihany eny ivelan-kady ilazany fa taranaky ny ao anaty hady ihany izy.
    Ny fomban’ny sasany indray dia ny tsy idiram-binanto no ataony.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21978
    mpijery
    Membre

    Mba tantarao kely ilay momba an-dRasahala any aminareo fa liana tokoa ny tena

    Raha ny antony nanafenana an’Andriantsiramanjaka eny Alasora dia adinoko ny nanampy hoe ny fahatahoran’i Mavo ny Hasin’Antsahadinta no nandidiany azy ho atao teny. Eny , sanatria tsy henatra tokoa izany .[/quote]

    Raha fantatrao ny tantara nanaovana an’ilay iraikalahy nilaza hoe « taloha » teo Antsahadinta (tsy miresaka ny zanak’Andriamangarira aho eto) dia ho azonao fa nandidy izay tiany teo Antsahadinta Ranavalona ary nifankahazo tsara Andriantsira sy i Mavo fa tsy concurrent ary tsy vitan’izany fa Ambohimiakoja dia vohitra talohan’Antsahadinta, Ivatobe koa aza mbola talohany zanaka Antsahadinta @ tetiaran’ny andriamasinavalona ambodirano. Ambohimiakoja sy Vatobe no loharano nipoiran’ny andriamasinavalona amin’iny faritra iny (ny andriamasinavalona vita répertoire faha-tany gasy no resahiko eto). Raha nanjary renivohitra Antsahadinta avy eo iretsy no loharanon-kasina.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21975
    mpijery
    Membre

    Tsy haiko izay fitehirizanareo ny momba an-dRasahala fa aty aminay izy dia avy @ ireo zanadRanavalotsimitoviaminandriana ny reniny ka na lazaina fa Andriabetandra no rainy na lazaina fa Andriambolanambo dia na Anosikely-Fenoarivo izany na Namehana, mbola tsy hitako mihitsy ny idiran’Antsahadinta.
    Ny idirany tsy ferako fa ny hitsin-dàlana tsy azoko ekena, betsaka ny scenario mety nitranga zay tsy tiako velabelarina eto.

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 37)
error: