mpijery
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
mpijeryMembre
Anaovako fanamarihana ny nambaranao momba an’Andriantsira, tsy sanatria henatra akory ny tsy namelana an’Andriantsira hilevina tao Antsahadinta fa voninahitra ho azy ny namerenana azy any amin-dray aman-dreniny teny Alasora.
Ny amin’Andrianjakatrimo sy Andriandambozozoro dia tsy misy milaza ny taranany fa eny Ivatobe izany reniny fa Ambohimiakoja avokoa no lazain’ny mpianakavy fa nisy an-dRavololondrenitrimo nipoirana. Ny amin’izy miarahalahy ireo dia tsy sarotra ny hijery ny taranak’izy ireo eo @ireo vohitra fantatra hatrizay fa andriamasinavalona manodidina eo, ny tarana-dRamboatrimo raha heverina fa olona hafa io dia tsy misy afaka hilaza fa taranak’io ankehitriny, ary tsy misy vohitra eny afaka hitonona fa izy no tera-dRamboatrimo.
Amiko io dia fahadisoan-tetiarana avy @ Rabenjamina, mba te hilaza ny @ Antsahadinta ny avy eny Iharanandriana, ka dia mba te hiteny koa izy hoe avy eo Antsahadinta ny renin’Andrianamboatsimarofy izay efa mazava fa zanaka vavin’Andriampoinimerina.
Tsy misy hafa @ Rabetrano nolazaina t@ andron-dRanavalona fa ikoizana @ tetiarana sy tantara dia asaina milaza dia mitantara tokoa menatra ny hilaza fa ny azy dia tena kapoakany fa ny an’ny hafa hainy ambangovangony hany ka nisy ihany ny nodisoina na tsy nambarany.
Tahaka ny tsy hibitabitahako @ tetiaran’ny Andriana ao Masoandro ohatra na i Mananina na i Marianina na i Miantsoarivo, Andriamasinavalona ireo fa tsy afaka hilaza hahafehy izany tsara.mpijeryMembreSlt Mpijery.
Sao dia fantatrao izany Amboasary izany. Tanàna iray any akaiky Ampitatafika izy io @ iny làlana mandeha any Antsahadinta iny. Sahala ny tsy misy tanàna intsny ilay izy fa saika anontany fotsiny izaho sao mba fantatrao io tanàna io . Misaotra tompoko!Saika tsy hisera intsony fa anontaniana dia hamaly ihany, tsy haiko ilay Amboasary ankilan’Ampitatafika izany, fa ny Amboasary any atsimo fantatro, dia
Amboasary ao amin’ny zara-tanin’Ambohijoky akaiky indrindra raha avy aty Anosizato fa mbola miodina kosa raha avy any Ampitatafika fa tonga ihany koa, hodidin’ny hadivory, tanin’Andriana izy io, misy aviavy sy fasana ao, ary misy ny fiangonana.
Ny Amboasary faharoa fantatro dia eny Alasora rehefa tafakatra eny antampony dia mikoriana midina indray toerana.
Anarana nifandray ireo roa ireo.mpijeryMembreFantatro tsara ny Andriana an’i Namehana, fa aza dia sendaotra, ary tsy nisy na iray aza ny mpiresaka teto nilaza hoe tsy Andriana mihitsy izay rehetra ao Namehana, fa Andriamihaja no resaka teto, fantatro fa na eo Ambohinaorina Namehana aza mbola misy Andriamasinavalona ihany koa.
Tsy ilaina internet ny fahalalana izany, ary tsy ilana iadian-kevitra fa hitako tsara ilay fasan’Andriambolanambo sy ilay fasana lehibe saronan’ny nonoka ao anaty hadivory io ary ny fatsakana.mpijeryMembreTsy historien izany ny tena fa mba mandalindalina eny e!
Tena variana aho ry Ambodirano @ resakao eto hoe misy Ravololondreninitrimo roa izay aho vao nahare izany kanefa ny havanay ao Fihaonana izay tsy azo ialohavana mandeha raha resaka momba an’inenibe dia iray ihany no itrikitrihany, tsy misy akaikin’Ambohimiakoja ohatra azy mantsy n’iza isika hilaza eto n’iza hiresaka, fa eo ampototr’Ambohimiakoja izy ary terany mivantana ireo.
Raha ny momba an’i Nenibe io dia aza manahy ianao fa taranany tokoa @izy roalahy naterany izay aloha ny anay fa asa, satria mifamatotra @Ivatobe sy Androhibe ny tena.Asa mantsy raha fantatrao fa Ivatobe fahiny no tsipika nampisaraka ny faritra an’Andriandambozozoro sy Andrianjakatrimo rahalahiny satria mpirahalahy izy (misy mantsy mampifangaro an’Andriandambozozoro @ ilay tany atsinanana sy any marovatana).
Raha mahalala tsara an’Ambodirano ianao ary inoako fa izany dia hahalala an’Ivatobe fa mizara roa mazava tsara Ivatobe atsimo misy ny fitomiandalana ny an’ny terak’Andrianjakatrimo, sy Ivatobe avaratra fitomiandalana misy ny an’ny terak’Andriandambozozoro, ary azafady indrindra fa hatreo mianatsimo no an’Andrianjakatrimo fa hatreo mianavaratra kosa ny an’Andriandambozozoro.
Porofo mazava tsara raha i Morombato resahinao dia zara-tanin’Andriandambozozoro madio rano, ary ialako tsiny fa tsy azo iadian-kevitra io, satria document officiel an’ny fanjakana malagasy no manamarina izany t@ 1830-1840.
Ny anaranao moa ambodirano dia heveriko kosa fa mahalala tsara izany tantaran’izy roalahy izany ianao satria manketsy Androhibe, Ivatobe, ao Ambatomanodo,sns dia hazava izany. Mifampidi-pihavanana ny ao, ka ny terak’Ambohimiakoja (fihaonana) matetika dia mifampiditra @ Vatobe na Androhibe, na Malaza, na Ambohimahamanina ao @dRabibilahy, ka mitovy hatrany no nambara tao. Misy Ramatoa antitra be izay ao Malaza ao avy ao Ambohimiakoja ny rainy ary ao Ivatobe ny reniny, nisy ramatoa be maty 4 taona izay ao Androhibe ny rainy ary Ivatobe ny reniny, nisy lehilahy lehibe avy ao Ambohimiakoja sy vatobe rainy Ambohimahamanina ny reniny kanefa mitovy am-pilazana avokoa ireo.
Ny mpahalala rehetra mantsy dia mahalala fa Rasoavero renin-dRabodozafimanjaka dia terak’Andrianjakatrimo ao Ivatobe atsimo ary izay no nametrahan’Andrianampoinimerina azy teo Antsahadinta dia avy @ reniny. Izay aloha ny fantatro fa mety mampiresaka angaha ny olon-dehibe efa am-polony nanontaniana.
Raha ny @ rahavavin-dRavololondrenitrimo indray dia aleo Itaosy sy ny manodidina, no hilaza azy fa fantatra fa any izy ireo.
Izay aloha no azo ambara fa somary tery ny fotoana.
mpijeryMembreFantatra mazava ilay andriandahy nalevina tao Ambatondratrimo t@ 1924, fantatra hoe iza no iza, iza sy aiza ny taranany.
Tsotra ny tenin’ny olon-dehibe: mbola hafa lavitra ny fasana ankadivory tsy misy tranomanara toy izay ny fasana misy tranomanara ivelan-kady.
Samy be lazao avokoa, Io anie ho’aho raha hifampizoviana @ fomba entitra be ny ho sahirana e! Misy tahiry mirakitra ny terak’Andriamasinavalona rehetra anie any ho any e! -
AuteurPosts