mpijery

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 21 à 25 (sur un total de 37)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21902
    mpijery
    Membre

    Faly miarahaba anao indray ny Andriana Tany, draidraidray dia mazava tsara aminay ilay vodivona e! Izay tsy mahafantatra aleo tsy hahafantatra any.
    Ny atsinanana lavidavitra (misy roa be izao ilay vodivona any) + ny etsy ampita andrefana + ny etsy avaratra foibeny no nikambana manome ilay razanareo eo ambodivonanareo.
    Tonga dia miharihary toy ny vay an-kandrina, aoka re marina ry Tany ah!

    Voaraiko tsara mantsy ny fananarana an-kolaka apetraky Mpandalo tsy hiresaka be loatra, tsy laitra koa ianao ry havana. Aza manahy ianao fa ny tompony hijanona ho tompony ihany.

    Ilay fomba iraisana koa no mahavariana, ny tena Izy mifampi-reconnaitre fiandrianana foana, ilay tsy alehany milaza tena mivatravatra hoe: izaho andriana izaho andriana tsy mahatoky tena ary matahotra ny ho tsy ho eken’ny olona.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21900
    mpijery
    Membre

    Mpandalo: Sarasara tompoko, mahavariana fa raha mahita ny fizotran’ny fihevitrao h@ voalohany aho dia fantatro avy hatrany fa terak’Imahazaza ianao. Ary mahatalanjona fa na ao ambadiky ny pseudo aza dia misy fisintonan’ny ra iraisana sy ny fitaizana itovizana nahatonga ahy nihevitra irery hoe il (ou elle) doit être un des notres.
    Tsy nifaka mihitsy ny fanamboloana satria hay tena teraky ny hazo malama tsy azo ianihana ianao. Tena tsy mahagaga e. Tsy misy tsy torian’ny razana sy ny fiaviany, sady tsy vitan’izany fa miharihary (ny kely saina ihany no tsy mahay mijery izany) fa olona avara-pianarana ianao. Tsy faly ny hiteny akory fa faly ny nahita ny havako eto aho.
    Trarantitra aza marofy tompoko mifanatera @ taranaka aman-dimby. Isika mahalala tsara ny olona faka taranaka.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21851
    mpijery
    Membre

    Sady amin’izay koa ianao tarana-dRavahatra direct be izao! Aza mampiresaka an! LOL
    Lasan’i Bainina ange Ambatondrakoto t@ izany, fa Amboanonoka no anay e! E tantara sisa e!

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21847
    mpijery
    Membre

    Fantatrao tsara fa samihafa ireo fa aza de mody manatsafa eo e! Olona kalazalahy io ve tsy hahalala izany e!
    Ilay iray direct, ilay iray zanaky ny mpirahavavy sa tsy izany?
    ilay zanaky ny mpirahavavy io raha ny fahalalako azy.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21838
    mpijery
    Membre

    Ny mahazatra anay aloha dia 4 quartiers no tena hoe andriana e!
    Les 4 grands parents andriana, na izany kosa na tsy izany havana foana izay iray fototra.

5 sujets de 21 à 25 (sur un total de 37)
error: