mpijery
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
mpijeryMembre
mpijery >>> ianao toa anisan’ireny mahafehy tsara ny tetiarana sy mitovy hevitra amin’ireo vodron’andriana tsy mety hamoaka ny tena izy satria sao misy mijapy fotsiny … Sa ahoana ?
Tsy mora ny mamaly ny fanontanianao. Ny tetiarana aloha efa mazava fa tsy faseho ankalamanjana, ny tantara hafa kosa indrindra ny antsipiriany madinidinika dia sahirantsaina ihany satria tsy fifandimbiasana @ ray sy ny zanakalahy no mifandova ny fitiavana ilay vakoka, fa indraindray izay, indraindray zanakanabavy, indraindray zafy, indraindray havana lavitra kokoa, dia raha be ny tantara hay, be koa ny very satria raha be ny tian-ko tantaraina raha tsy mila ilay zanaka mandimby very an-javanony izay notehirizina.
Dimy taona lasa izay, nisy havana nitantara, fa nariany fony nifindra trano hono ilay kahie malotoloto kely nitahirizan-drainy ny tantaram-pianakaviana mirakitra ny 200 taona, tetsy ananona indray nampirehetan’izy mianakavy afo ilay bokikely nanomboka nosoratana t@ 1879, izay ilay maharary atao ahoana ireny?
Resa-pianakaviana raha ny marina no tiako ho lazaina, mety misy ihany azo ambara ho fantatra izany hoe azo lazaina fa efa domaine publique.
mpijeryMembreNy tena mahafaly aloha dia maniry te hikaroka ny tantarany ny tsirairay, tena manentana anareo tokoa hahafehy tsara ny anareo tena zava-dehibe io satria io no balise lehibe mametra ny famoronan’ny ireo mahay mamaky boky sy ny milaza fa mpanao terrain hamorona tantara sy tetiarana tsy mari-pototra satria misy mihevitra fa tsy misy mahay intsony ny tantara marina ka migodana ny lalana. Io kosa no maha-zavadehibe ny vodivona sy ny fianakaviana satria ireo no manamarina ny tetiarana izay misy mihevitra fa mety ho azo foronina tokoa.
Ny fahalalana tsara ny tetiarana, ny tantara, ny terrain, ny rohim-pihavanana dia mahatonga ny mpahalala valalanina sy sanganehana ary talanjona mijery ireny tetiarana miezinezina avoaka @ tranokala ireny misy ray aman-dreny am-polony izay hajaiko sy omeko voninahitra tompon’ny tahiry sy mahay ny tantara, iray amin’izy ireo ihany no hitako niseho tao ny tetiarany satria tsy fanao t@ tany gasy ny mampiseho izany @ olon-tsy fantatra fandrao mamandrika toerana @ sampana tsy manan-taranaka ny sasany ka hilaza hoe izahay koa hanao fasana eto fa samy taranaka isika, manana anjara tany eto aminareo izahay, kanefa rehefa mivory ny fianakaviana tsy misy mahalala hoe iza izy ary mifampiditra amin’iza.
Toa ilay resaka mihevitra fa hisy vola sy fahefana zaraina sahala @ vatomamy ho an’ny andriana no mahatonga ny maro hisisika amin’izany. Raha izaho aloha dia mahita tsy fahamatorana satria tsy mbola latsaka sy lalim-paka ny fizakana sy ny fisitrahana ny fiandrianana ary indrindra ny adidy sy vesatra goavana zakaina amin’izany fa toa resaka intéressé fotsiny no maro (dia ho sanatria ve resaka trano sy fiara sy vola sy voyage sy fahefana no mahamaika?) . Raha mbola tsy mendrika ny fo sy ny fanahy heveriko fa mbola tsy mendrika ny handray fahefana sy hanery ny olom-pirenena rehetra amin’izany ny andriana.
Ny fahefan’ny andriana @ 2010 mantsy tsy ho tahaka ny fahefan-dRadama intsony fa fahefan’ny fanahy, aiza tsara aloha no misy ilay fanahy?mpijeryMembreNb: ny tahiry t@ 1870 hitako farany, efa tanaty vata tranainy tsy nisy mpijery tany ambanivohitra, voan’ny sery be aho avy eo noho ny vovoka satria efa tsy nisy nivaky loha ilay izy, fa mba te hikarokaroka dia niverina nikorofoka ny fati-taratasy.
Ireto ny conclusion:
-Nisy ray aman-dreny lehibe nanoratra : tsy lovan-tsofina ihany fa izay hitany no nolazainy.
– Nisy ray aman-drenibe nitahiry.
-Nisy fotona tsy nisy nivaky loha t@izany
-nisy ahy nanao terrain, inona moa no terrain teo fa raha ny marina nikarokaroka no natao.Tsaroako tsara fahiny fahazaza, tezitra mafy t@ilay hadivory manodidina ny tanana, fa fehezin’ny ray aman-dreny foana hoe aza mandeha lavitra fandrao mianjera any anaty hadivory any, ny baolina raha lasa any dia sahirana mafy mihitsy vao azo indray, izao vao hoe io ange ny mametraka ny satan’ny fasana odiana rahtrizay, tahak’izany koa ny tahiry tsy noraharahiana tany.
Fa izao kosa aloha e: ny zavatra hitako sy voavakiko tao? Aoka lesy marina ah.
En bref, peu de mérite mais beaucoup de chance, d’avoir un aîeul tia soratsoratra, d’avoir un dépôt intact, d’être passé au bon moment, lanin’ny voalavo ny ttsy sasany soa fa tsy dia ilay important loatra.Raha tantara basique no karohina dia misy méthode be ary afaka mirehareha fa nitady dia nahita, rehefa ilay haut niveau kosa dia tena mampanetry tena fa tonga aminao io rehefa tonga, misy mikaroka hatraiza hatraiza ianao tsy mahita indraindra anefa mivoaka ho azy eo.
Hoy ry zalahy mpandala an’idadabe hoe, avoakany amin’ialahy rehefa tiany, hoy kosa ny sasany hoe rehefa tantara avo lenta ny hasina no miasa, hoy kosa aho hoe mety efa voasoratra ihany ny hatao halala ilay tsy fantatry ny olona. Ny fanontaniana farany sisa dia hoe tokony zaraina ve sa hifampitataran’ny mahay saropiaro? Ahoana ny hevitrareo?
mpijeryMembreMifameno tsara ihany ny hevitrareo fa tsy mifanohitra akory.
Ilaina ny terrain + vakiboky + famille mahay + niveau intellectuel + ny notatarain’ny dadabe sy bebe.
Misy recoupement foana atao, misy resabe foronin’ny boky, misy torapo ny lovatsofina, misy resaka vilana ataon’ny valala mpiandry fasana, misy savidrazana ataon’ny mpisisika sy ny te hanao fasana eo an-tanindrazana, misy resaka diso ataon’ny tsy mahay, kanefa tena hita miharihary ny marina rehefa atambatra ireo.
Ny vodivona no manamarina tetiarana, ny tahiry tranainy tsy nisy mpahita anaty vata no manamarina tantara, ny fianakaviana isan-tsokajiny mihaona no mifampitantara tantara. Eo no maha-zavadehibe ny fikambanam-pianakaviana satria tsy ho hitan’ny mpikaroka isolé mihitsy (ialako tsiny na andeha mbamin’ny lohany aza) ny resaka hifanaovan’ny mpikaroka isam-pianakaviana miresaka sy manambatra vakoka.
Raombana no resahinareo satria navoaka hitambahoaka izy io fa misy tahiry izay ao @ circuit fermé ihany no mamaky azy.mpijeryMembreAjanony @izay lé discussion e! samy manana ny zakany sy ny tsy zakany dia samy mitahiry ny azy, fa aza mba tia manao ady atsanga ho’aho fa mampidina valeur izany. Misy hasina ange ny aloak’io vava io e! izay habetsaky ny any am-po no avoak’io, ka izay niveau-ny ambara no niveau ny tena rehetra. Tsy mba manana besoin hanambany an’iza n’iza izany ny tena, tsy fahatokisan-tena ny fanambaniana ny hafa.
Tsy ny abetsaky ny taim-bava ange no maha-ambony e!O ry Tany a (M, Mmle Mme). Miangavy indrindra re aza resahana intsony ilay Tny M fa tsy anaovana pub akory satria fianakaviana mpitahiry sy tia miresaka tantara no mihaona ao dia izay.
-
AuteurPosts