mpijery

Toutes mes réponses sur les forums

2 sujets de 36 à 37 (sur un total de 37)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21713
    mpijery
    Membre

    Sao dia izany kosa aza no nahatonga azy ireo tsy nivady raha tsy niamboho ny Mpanjaka Ranavalona II (mariazy tamin’ny 23 Aogositra 1883) iray volana taty aoriana. Kanefa ny Tantara ihany dia milaza fa nomen’ny Mpanjaka vodivona holovaina izy mivady izany hoe nankasitrahany ny fanambadiana.

    Nony tany an-tsesintany indray dia Princesse Marie Louise zanany no nandimby azy mazava ho azy. Koa mety hisy vaovao ato ato raha tafaverina tokoa avy any Alger ny taolambalon’ny Princesse Rasendranoro ka ho avy eo koa amin’izay ny taranak’i Marie Louise.

    Efa mazava fa Ramahatra -Razafindrazaka no noheverin-dRanavalona handimby azy.

    Raha ny filaharana fifandimbiasana eo amin’ny fiandrianana (ordre de succession au trône) aloha hatramin’ny 1897 diaPrincesse Razafinadriamanitra III zanaky Princesse Rasendranoro no lohalaharana , tsy nisy tsy nahalala izany ny manodidina ny Mpanjaka.
    Miala tsiny aho fa tsy marina io, tsy nisy nipetraka mazava mihitsy hoe iza na iza no voalohany satria mitovy sokajy ny zanakandriana samy afaka manjaka avokoa arakaraky ny circonstance ary indrindra tsy nilamina ny sucession nampakarana an-dRanavalona III n’inon’inona lazainareo, tsy nisy es qualité intsony nanomboka t@ Ranavalona I fa resaka clientélisme politique, ka aza asiana semblant de cohérence hoe tera-drasoherina e sns satria tsy nisy cohérence intsony io fa ny azo ambara kosa dia mbola sauvé aloha ny essentiel.
    Inona tsara moa ny portée juridique ny lalàna vaovao napetra-dRanavalona 1ère manoloana ny tena hafatra marin’Andrianampoinimerina? Dia mino tokoa ve ianao hoe Ranavalona III no hany tera-behivavy mazava azo nampanjakaina farany?
    Ny olanareo rehetra mpiserasera eto dia heveriko fa tsy te hahafantatra tsotra ny tantara ianreo fa mitady ny hevitra rehetra hanisihana izay soavaly mpihazakazakareo.
    Ny hitako eto dia voromanidina no asiana sira ny maro eto, ary lasa lamaody ity fiandrianana ity fa malaza hoe hievrina hono ny fahefan’Andriana hisy volabe koa angamba antenaina.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21703
    mpijery
    Membre

    Izaho mahalala ny olona tompon’ny farany! te ahalala ianao? ndehana savasavao ny ao @ fikambanan’ny « terakin’ny Manjaka »

    Tahaka anao ihany izy ireo, mpijery sy mpitazana, mety manadihady angamba fa tsy mba isan’ny mpanao ankisisika, fa mandalina sy mitahiry. Tsy hahita mihitsy ianao ao hisy hiteny hoe izaho no izy satria tsy fombany izany .

2 sujets de 36 à 37 (sur un total de 37)
error: