Izay no fantatro ny talohan’izay no tsy fantatro momba ity Andrianan’Ifanongoavana ity. Izany hoe Misy ifandraisany @ zanadralambo sy Andrianteloiray ve ny nipoiran’Andriampanarivofoinamanjaka.
Misaotra tompoko!
Iray fihaviana ihany fa alavitra be , samy avy any amin’ny Alamahaditany ny razambe no niditra fa ny andiany iray niankandrefana niakatra teny Vodivato avy eo Vohidrazana I sy Vohidrazana I I ary ireo havany hafa mbola nijanona tany atsinanana vao niakatra teny amin’iny faritry Mantasoa misy ny tendrombohitra avon’i Fanongavana iny. Nisy ny andriana Ranady nanorina vohitra teo. Mety ho avy aminy Andriampanarivofoinamanjaka. Ny razamben’Ampandrana sy ny Andrianteloiray dia nifangaro tamin’ny Antehiroka nanomboka tamin’Andriantsitakatra fa ireo Fanongoavana tsy nanao izany.
Anio 21 Aprily 2010 dia feno 200 taona katroka no niamboho taminy 1810 ny Ombalahibemaso na Ramboasalama fony mbola tsy nanjaka. Avy amin’ny hoe « lembu » fa tsy amboa akory ( = Taureau mais pas chien). Ho tahiana anie ny fahatsiarovana azy.
Ary mba mananjo isika hanontany ny mpitondra fanjakana hoe natao aiza moa ny Masina rehefa avy nentina tamin’ny 4×4 na 3CV naverina eny Ambohimanga tokoa va re ?