Ny vadiko protestante dia izaho tsy mivavaka. Tsy nanao mariage religieux izahay fa nisoratra fotsiny. Mitazona ny finoany izy ao anatin’ny fanambadiany ary tsy mitory teny amiko, izaho kosa tsy manaratsy ny finoany ary tsy manakana azy tsy hivavaka. Mifankatia izahay ary mahay mifanaraka: izaho sy izy no mpivady fa tsy « ny protestanta » sy ny « tsy mpivavaka ». Izahay no manao ny tokantranonay sy ny fitiavanay fa tsy ny fiangonana.