tantsaha
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
tantsahaMembre
Mbola misy koa ny hoe tsy mihinana lohan’akoho sy tongotr’akoho
tantsahaMembreAmpiako,kely fa ampy kely ka sao misy manao interpretation hafa,
mpianakavy daholo aloha ny havanandriana rehetra, ary raha hatreo amin’Andriatompokoindrindra hatraty amin’ny zanakandriana dia mpianakavy koa ireo na dia misy tsy te ahalala izany aza.
Andriamasinavalona dia zafin’Andriatompokoindrindra.
Ny renin’Andriambelomasina dia nanambatra ny terak’Andrianjaka sy Andriatompokoindrindra. Tanteraka teo ilay teny hoe izaho no tompon’ny farany. Ka marina fa nilaza tamin’Andrianjaka Andriatompoindrindra fa hasiany trano ny fasany sy ny tarananany na dia efa nisy hatrany amin’Andriamamilazabe aza ny trano manara, dia midika na dia mbola nanavao ny fandaminana indray taty aoriana Andrianampoinimerina dia amin’ny lafiny iray dia amin’ny maha terak’Andriatompoiindrindra an’ireo Zanakandriana, Zazamarolahy , Andriamasinavalona sy Andriatompoindrindra aloha no mahatonga ny trano manara eo amin’ny fasan’ireo, dia manaraka moa ireo izay nomen’Andrianampoinimerina taty aoriana, anisan’izany ilay sipany hovavavy iray.tantsahaMembreSamy manana ny fomba fampitana ny tantarampianakaviana io ry Andriana ka aza dia omena tsiny izay tsy mahalala ny momba ny trano manara.
marina ny anao fa ny Zanakandriana, Zazmarolahy sy Andriamasinavalona no miloloha tranomanara. Minoa ahy ianao fa vitsy koa ange izao no mahalala hoe inona ny atao hoe teraky ny trano fohiloha na dia ireo ao anatiny aza. Ny andriatompokoindrindra zao tsy te ahalala afatsy ry zareo.
MAZOTOA EtantsahaMembrefa iza marina le Rangorinimerina lazain’ny tao amin’ny TV PLus fa milevina ao Fenoarivo????????
tantsahaMembreFanitsiana kely ry Ambodirano, raha tsy diso aho dia rahalahin-drain’Andriambelomasina Andriamangarira fa tsy iray ray aminy akory. Andriamangarira, Rafonizozoro, Andriantsalama, Ranosy ireo no iray ray dia Andriandambozozoro izany.
Ny iray ray amin’Andriambelomasina , zany hoe zanak’i Rafonizozoro sy Rangorinimerina dia: Andriamohara, Andriambelomasina, Andriantoarano, Ramisamanjaka, Andriampalimanana
Mazotoa r’ise -
AuteurPosts