tany
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
tanyMembre
isan’ny zavatra tokony ataontsika ny mampody ny mpanjaka RIII aty antanindrazana amin’izay
Miarahaba anao.
Ny Mpanjaka Ranavalona III ve io resahinao io?.
Raha izy mantsy, dia efa ela izy no tafody eto an-tanindrazana, saingy ny
ankabehazan’ireo niaraka taminy no mbola tavela any ivelany any.tanyMembreSatria resy an’ady i Andrianambonimena, tsy nandova ny fanjakan-dRaibeny dia tsy Zanakandriana intsony fa lasa Andriamasinavalona. Nanaraka izany koa ireto zanany ka izany no maha Andriamasinavalona ny Ambohijanaka.
Misy zazamarolahy koa ao .
tanyMembreMiarahaba antsika rehetra!
Misaotra betsaka anareo aloha @ ilay valinteny.
Nisy doc hitako vao maraina teo momba io. Araka nolazainy dia ny trano manara eo ambony fasana dia trano kotona sy trano zozoro. Fatsy aiko oe ohatrany ahoana moa ilay trano kotona.Aleo alefa manao » sur terrain » ihanao ry Ampandrana fa hampitombo ny fahalalanao izany sady ho azonao tsapai-tanana tsara ny fikarohana ataonao:(trano kotona = trano hazo )
Mankanesa ihanao eny Antsahadinta fa misy trano kotona ao. Ny 1 dia tranainy , ary ilay musée azo lazaina fa vao haingakaingana ihany.
Eo @ Rovan’Ambohijanaka koa misy 1 tranainy be.tanyMembreMbola averiko indray. Rakotomavo Andriambelomasina ve mpanjaka, dia ny zokiny Andriamohara ho andriamasinavalona ?
Miarahaba anao ry Ampandrana….ahoana ny hevitrao raha toa ka omena devoir kely ihanao?.Ahasoa sy ampandroso anao miandalana eny izany.
Izao ary no izy :Nisy site nasain’i Mpandalo jerenao , ka topazo maso kely indray mandeha ,de mandraisa notes.
Jereo ny anaran’ny RENY niteraka an-dRakotomavo( fa tsy ilay reny nanangana azy ,an).Avy eo dia mba ampalalao anay ny valiny.Tsara tsara kokoa raha mba asianao resaka kely ny momba azy.
Mazotoa ary ihanao rahavako.tanyMembreMiarhaba indray!
Efa miresaka trano manara ihany ny eto dia saika anontany anao aho ry mpandalo.
Ny fanaovana azy ireny ve misy karazana normalisation no nanaovan’ireo olona taloha azy, izany oe ny angezany, ny hazo anamboarana azy,ny paoziny. Misy dikany koa ve ny lokony ohatra mena, fotsy,Ankoatr’ireo tranomanara natao t@ fahagola, dia nisy koa ny tranomanara natao t@ zozoro.
-
AuteurPosts